Marka 1:1-45
1 Ny fiandohan’ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy:
2 Araka izay nosoratan’i Isaia mpaminany, manao hoe: “Hirahiko hialoha anao ny irako, hanomana ny lalanao.+—
3 Injay misy miantso mafy any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany’”,+
4 dia niseho tany an-tany efitra i Jaona Mpanao Batisa, ka nitory ny batisa, izay mariky ny fibebahana hahazoana famelan-keloka.+
5 Koa nivoaka nankany aminy ny tany amin’ny faritr’i Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana, ary niaiky ampahibemaso ny fahotany izy ireny.+
6 Volon-drameva ny fitafian’i Jaona, fehikibo hoditra no teo amin’ny andilany,+ ary valala+ sy tantelidia+ no fihinany.
7 Ary nitory izy hoe: “Misy mahery noho izaho ho avy ao aoriako. Tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho.+
8 Izaho nanao batisa anareo tamin’ny rano, fa izy kosa hanao batisa anareo amin’ny fanahy* masina.”+
9 Tamin’izany andro izany dia tonga avy any Nazareta any Galilia i Jesosy ka nataon’i Jaona batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana.+
10 Raha vao niakatra avy tao anaty rano i Jesosy, dia hitany ny lanitra nisokatra sy ny fanahy masina nidina toy ny voromailala nankeo amboniny.+
11 Ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”+
12 Ary nentanin’ny fanahy masina avy hatrany mba ho any an-tany efitra izy.+
13 Koa nitoetra efapolo andro+ tany izy, ary nalain’i Satana fanahy.+ Nisy bibidia tany, nefa nikarakara azy ny anjely.+
14 Rehefa voasambotra i Jaona, dia nankany Galilia i Jesosy+ ka nitory ny vaovao tsaran’Andriamanitra,+
15 nanao hoe: “Efa tonga ny fotoana voatondro,+ ary efa manakaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha+ ianareo, ka minoa ny vaovao tsara.”
16 Rehefa nandeha teny amoron’ny ranomasin’i Galilia izy, dia nahita an’i Simona+ sy Andrea rahalahiny nanipy ny haratony tao an-dranomasina, fa mpanarato ireo.+
17 Koa hoy i Jesosy taminy: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko izay hahatonga anareo ho mpanarato olona.”+
18 Dia nandao ny haratony avy hatrany ireo ka nanaraka azy.+
19 Ary mbola nandroso lavidavitra ihany izy, ka nahita an’i Jakoba zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny. Tao an-tsambokeliny izy mirahalahy, nanamboatra ny simba tamin’ny haratony.+
20 Nantsoin’i Jesosy avy hatrany izy ireo, ka nandao an’i Zebedio rainy teo an-tsambokely sy ny olona nokaramaina, ary nanaraka an’i Jesosy.
21 Ary nankany Kapernaomy+ izy ireo.
Raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin’ny synagoga izy ka nanomboka nampianatra.
22 Nitolagaga ny olona noho ny fomba fampianany,+ satria nampianatra azy toy izay manana fahefana izy, fa tsy toy ny mpanora-dalàna.+
23 Tamin’izay fotoana izay indrindra, dia nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto tao amin’ilay synagoga. Niantsoantso mafy izy+
24 hoe: “Misy zavatra iombonanay aminao angaha moa, ry Jesosy avy any Nazareta?+ Tonga mba handringana anay ve ianao? Fantatro+ tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra+ e!”+
25 Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: “Mangìna, ary mivoaha aminy!”+
26 Ary nivoaka tamin-dralehilahy ilay fanahy maloto, rehefa avy nampifanintontsintona azy sy nikiakiaka faran’izay mafy.+
27 Dia gaga be avokoa ny rehetra ka nifampiresaka hoe: “Fa ahoana izao? Fampianarana vaovao izao! Na ny fanahy maloto aza baikoiny sady ananany fahefana, ka mankatò azy.”+
28 Teo no ho eo ihany dia niely hatraiza hatraiza nanerana ny faritra manodidina an’i Galilia ny lazany.+
29 Ary niala tao amin’ny synagoga avy hatrany izy ireo ka nankany an-tranon’i Simona+ sy Andrea, niaraka tamin’i Jakoba sy Jaona.
30 Teo am-pandriana ny rafozambavin’i+ Simona fa nanavy.+ Tonga dia noresahin’ireo tamin’i Jesosy ny momba azy.
31 Koa nanatona an-dravehivavy izy ka nandray ny tanany ary nanarina azy. Dia niala tamin-dravehivavy ny fanaviany,+ ary nikarakara an’ireo izy.+
32 Nony hariva ny andro ka efa nilentika ny masoandro, dia nentin’ny olona teo aminy izay rehetra narary+ sy nisy demonia+
33 ka niangona teo am-baravarana avokoa ny tao an-tanàna.
34 Koa nanasitrana olona maro azon’aretina+ isan-karazany izy, ary namoaka demonia maro. Tsy navelany hiteny anefa ny demonia, satria fantatr’ireo fa izy no Kristy.+
35 Vao maraina be, raha mbola maizina ny andro, dia nitsangana izy ka lasa nankany amin’ny toerana mitokana,+ ary nivavaka+ tany.
36 Nitady azy fatratra anefa i Simona sy ireo niaraka taminy
37 ka nahita azy. Dia hoy ireo taminy: “Mitady anao ny olona rehetra.”
38 Hoy anefa izy tamin’ireo: “Andao isika ho any an-toeran-kafa, ho any amin’ny tanàna manodidina, mba hitoriako+ any koa, fa izany no nahatongavako.”+
39 Ary lasa izy nitory tany amin’ny synagoga nanerana an’i Galilia manontolo sady namoaka demonia.+
40 Nisy boka koa tonga teo aminy, ka nandohalika sady niangavy azy mafy hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.”+
41 Koa nangoraka azy izy+ ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy, ary niteny taminy hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.”+
42 Koa afaka taminy avy hatrany ny habokana, ka nanjary nadio izy.+
43 Nofeperan’i Jesosy mafy koa izy ary nasainy nandeha avy hatrany
44 sady nilazany hoe: “Tandremo sao milazalaza amin’olona! Fa mandehana miseho any amin’ny mpisorona,+ ary noho ny nanadiovana anao, dia atolory ny zavatra nandidian’i Mosesy,+ mba ho porofo amin’izy ireo fa sitrana ianao.”+
45 Nony lasa anefa ralehilahy, dia nanomboka niresaka be momba izany sy nampiely izany tantara izany izy. Koa tsy nisy tanàna azon’i Jesosy nidirana an-karihary, ka nitoetra tany ivelan’ny tanàna, tany amin’ny toerana mitokana, izy. Tonga teo aminy foana anefa ny olona avy teny rehetra teny.+
Fanamarihana
^ Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.