Marka 10:1-52
10 Ary nitsangana niala teo izy ka nankany amin’ny sisin-tanin’i Jodia sy nankeny ampitan’ny Reniranon’i Jordana. Nisy vahoaka niangona teo aminy indray, ka nampianariny indray, araka ny efa fanaony.+
2 Ary nisy Fariseo nanatona azy. Koa mba hitsapana azy, dia nanontany azy izy ireo raha azon’ny lehilahy atao ny misaraka amin’ny vadiny.+
3 Dia hoy ny navaliny azy ireo: “Inona no nandidian’i Mosesy anareo?”
4 Ary hoy ireo: “Navelan’i Mosesy hanoratra taratasy fisaraham-panambadiana ny lehilahy rehefa misaraka amin’ny vadiny.”+
5 Fa hoy i Jesosy tamin’ireo: “Noho ny hamafin’ny fonareo+ no nanoratany izany didy izany ho anareo.
6 Fa hatrany am-piandohan’ny famoronana, dia ‘lahy sy vavy no nanaovany ny olona.+
7 Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny,
8 ary ho nofo iray ihany izy roa.’+ Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
9 Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”+
10 Nony tao an-trano+ indray izy, dia nanontanian’ny mpianany momba izany.
11 Dia hoy izy tamin’ireo: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady.+
12 Ary raha manambady olon-kafa ny vehivavy nisaraka tamin’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.”+
13 Ary nisy zaza nentin’ny olona teo amin’i Jesosy mba hokasihiny, nefa nibedy an’ireny ny mpianatra.+
14 Koa tezitra i Jesosy nony nahita izany ka niteny tamin’ireo hoe: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza mitady hisakana azy, fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.+
15 Lazaiko aminareo marina tokoa fa izay tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra toy ny ataon’ny zaza, dia tsy ho tafiditra ao mihitsy.”+
16 Ary nitrotro an’ireo zaza izy ka nitso-drano azy, sady nametra-tanana taminy.+
17 Nony niala teo izy, dia nisy lehilahy nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany sady nanontany hoe: “Mpampianatra Tsara ô, inona no tsy maintsy ataoko mba handovako fiainana mandrakizay?”+
18 Hoy anefa i Jesosy taminy: “Nahoana aho no antsoinao hoe tsara?+ Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.+
19 Fantatrao ny didy hoe: ‘Aza mamono olona.+ Aza manitsakitsa-bady.+ Aza mangalatra.+ Aza mijoro ho vavolombelona mandainga.+ Aza manambaka.+ Hajao ny rainao sy ny reninao.’”+
20 Dia hoy ralehilahy taminy: “Mpampianatra ô, efa notandremako hatramin’ny fahazazako izany rehetra izany.”
21 Nijery azy i Jesosy ary tia azy, dia hoy izy taminy: “Zavatra iray sisa no mbola tsy nataonao: Mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao, ary andao hanara-dia ahy.”+
22 Nanjombona ralehilahy tamin’izany teny izany ka lasa tamin’alahelo izy, satria maro ny fananany.+
23 Ary nijery manodidina azy i Jesosy ka niteny tamin’ny mpianany hoe: “Ho sarotra tokoa ny hidiran’ny mpanam-bola+ ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!”+
24 Dia gaga+ ny mpianatra tamin’izany teniny izany, ka hoy indray i Jesosy taminy: “Tena sarotra, anaka, ny hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
25 Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”+
26 Fa vao mainka gaga ireo ka niteny taminy hoe: “Koa hisy ho voavonjy ve raha izany?”+
27 Nibanjina azy ireo i Jesosy ka niteny hoe: “Tsy hain’olombelona izany, fa hain’Andriamanitra. Hain’Andriamanitra mantsy ny zava-drehetra.”+
28 Ary hoy i Petera taminy: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao.”+
29 Fa hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy misy olona efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na reny na ray na zanaka na saha noho ny amiko sy ny vaovao tsara+
30 ka tsy hahazo avo zato heny+ amin’izao andro izao, eny, hahazo trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy saha mbamin’ny fanenjehana,+ ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.
31 Maro anefa ny voalohany no ho farany, ary ny farany ho voalohany.”+
32 Rehefa niakatra ho any Jerosalema izy ireo, dia nandeha teo alohan’ny mpianatra i Jesosy, ka gaga ireo. Natahotra anefa ireo olona nanaraka azy. Ary nentiny nihataka kely indray izy roa ambin’ny folo lahy ka nilazany izao zavatra efa voatendry hanjo azy izao:+
33 “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona, ka homelohiny ho faty, dia hatolony amin’ireo hafa firenena,+
34 ka hataon’ireo ho fihomehezana sy hororany sy hokaravasiny ary hovonoiny ho faty. Hitsangana anefa izy rehefa afaka telo andro.”+
35 Ary nanatona izy roa lahy zanak’i Zebedio, dia i Jakoba sy Jaona,+ ka niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, mba tianay hataonao aminay izay angatahinay aminao.”+
36 Ary hoy izy tamin’ireo: “Inona no tianareo hataoko aminareo?”
37 Dia hoy ireo: “Mba avelao izahay hipetraka eo anilanao, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao, rehefa ao amin’ny voninahitrao ianao.”+
38 Hoy anefa i Jesosy tamin’ireo: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Hainareo ve ny hisotro amin’ny kaopy izay efa isotroako, na ny hatao batisa amin’ny batisa izay efa anaovana batisa ahy?”+
39 Dia hoy ireo: “Hainay.” Ary hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Hisotro amin’ny kaopy izay efa isotroako ianareo, ary hatao batisa amin’ny batisa izay efa anaovana batisa ahy.+
40 Fa ny hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako, dia tsy anjarako ny manome izany.+ Fa ho an’izay efa nanomanana azy ihany izany toerana izany.”
41 Ary tezitra tamin’i Jakoba sy Jaona izy folo lahy nony nandre izany.+
42 Niantso azy ireo hankeo aminy anefa i Jesosy ka nilaza hoe: “Fantatrareo fa manjakazaka amin’ny firenena entiny ireo heverina ho mpitondra, ary manampatra ny fahefany ireo lehibe.+
43 Tsy mba toy izany kosa eo aminareo. Fa na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo,+
44 ary na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo ny rehetra.+
45 Fa na ny Zanak’olona aza tsy tonga mba hotompoina+ fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana+ ho takalon’ny maro.”+
46 Tonga tao Jeriko izy ireo. Ary rehefa nivoaka an’i Jeriko izy sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka be, dia nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo, jamba mpangataka, zanak’i Timeo.+
47 Nony reny fa i Jesosy avy any Nazareta no nandalo, dia nanomboka niantsoantso mafy izy hoe: “Mba iantrao aho,+ ry Jesosy, Zanak’i Davida ô!”+
48 Ary maro no niteny azy mafy mba hangina, nefa vao mainka izy niantsoantso mafy hoe: “Mba iantrao aho, ry Zanak’i Davida ô!”+
49 Koa nijanona i Jesosy dia niteny hoe: “Antsoy izy.” Ary nantsoin’ny olona ilay jamba, ka nilazany hoe: “Mahereza, mitsangàna, fa miantso anao izy.”+
50 Koa nesoriny haingana ny akanjony ivelany, dia niantsambotra nankeo amin’i Jesosy izy.
51 Ary hoy i Jesosy taminy: “Inona no tianao hataoko aminao?”+ Dia hoy ilay jamba: “Rabôny* ô, mba ataovy mahita indray aho.”+
52 Ary hoy i Jesosy: “Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao.”+ Ary tonga dia nahita indray ralehilahy,+ ka nanomboka nanaraka azy teny an-dalana.+
Fanamarihana
^ Midika hoe “Mpampianatra.”