Marka 12:1-44
12 Ary nanomboka nilaza fanoharana tamin’ireo koa izy hoe: “Nisy lehilahy iray nanao tanimboaloboka,+ ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazam-boaloboka ary nanangana tilikambo.+ Nampanofainy tamin’ny mpamboly izy io,+ ary lasa nankany an-tany hafa izy.+
2 Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin’ireo mpamboly izy mba handray ny ampahany amin’ny vokatry ny tanimboaloboka avy tamin’ireo.+
3 Nalain’ireo anefa ilay mpanompo ka nokapohiny, dia nalefany nody maina.+
4 Naniraka mpanompo hafa indray ralehilahy ho any amin’ireo mpamboly, nefa nokapohin’ireo teo amin’ny lohany ilay mpanompo sady nalany baraka.+
5 Ary naniraka olon-kafa indray ralehilahy, nefa novonoin’ireo ho faty iny. Mbola naniraka hafa koa izy, fa ny sasany nokapohin’ireo, ary ny sasany novonoiny ho faty.
6 Iray sisa no teo aminy, dia ny zanany+ malalany, ka io no nirahiny farany tany amin’ireo, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako ireo.’+
7 Nifampiresaka anefa ireo mpamboly ireo hoe: ‘Iny ny mpandova.+ Andao hovonointsika izy dia ho antsika ny lova!’+
8 Koa nosamborin’ireo izy ka novonoiny ho faty+ ary natsipiny tany ivelan’ny tanimboaloboka.+
9 Koa inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy, dia handringana an’ireo mpamboly ireo, ary homeny olon-kafa+ ny tanimboaloboka.+
10 Mbola tsy novakinareo tao amin’ny Soratra Masina mihitsy ve ny hoe: ‘Ny vato+ nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro lehibe indrindra,*+
11 ary i Jehovah no nahatonga izany, ka mahagaga eo imasontsika’?”+
12 Koa nitady izay fomba hisamborana an’i Jesosy ireo, satria takatr’izy ireo fa izy no tao an-tsain’i Jesosy tamin’ilay fanoharana. Natahotra ny vahoaka anefa izy ireo, ary nandao azy ka lasa.+
13 Ary nirahin’ireo hankany amin’i Jesosy ny sasany tamin’ny Fariseo sy ny mpomba an’i Heroda+ mba hamandrika azy amin’ny teniny.+
14 Koa nony tonga ireo dia niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, ary tsy mba miangatra ianao satria tsy mba matin-kenamaso olona fa marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra.+ Koa azo atao ve sa tsia ny mandoa ny hetra isan-dahy amin’i Kaisara?
15 Tokony handoa ve izahay sa tsia?”+ Fantatr’i Jesosy anefa ny fihatsarambelatsihin’ireo, ka hoy izy taminy: “Nahoana ianareo no mamandrika ahy? Itondray denaria iray aho hojerena.”+
16 Dia nitondran’ireo izy. Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io ary an’iza io soratra eo io?” Dia hoy ireo taminy: “An’i Kaisara.”+
17 Koa hoy i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ Ary gaga tamin’ny teniny ireo.+
18 Ary nanatona azy ny Sadoseo, izay milaza fa tsy hisy fitsanganan’ny maty. Koa nanontanian’ireo izy hoe:+
19 “Mpampianatra ô, nanoratra ho antsika i Mosesy hoe raha maty ny rahalahin’ny olona iray ka namela vady nefa tsy niteraka, dia tokony hampakatra ny vady navelany ny rahalahiny+ mba hiteraka hamelo-maso ny maty.+
20 Koa nisy fito mirahalahy. Ary nanambady ilay voalohany, nefa maty tsy niteraka.+
21 Dia nampakatra an-dravehivavy ny faharoa, nefa maty tsy niteraka ihany koa, ary toy izany koa ny fahatelo.
22 Ary samy tsy niteraka izy fito mirahalahy. Maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany.+
23 Koa rehefa hitsangana ny maty, ho vadin’iza ravehivavy? Fa efa samy nanambady azy daholo izy fito mirahalahy.”+
24 Ary hoy i Jesosy tamin’ireo: “Diso hevitra ianareo satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.+
25 Fa rehefa hitsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady izy na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra.+
26 Raha ny amin’ny maty izay hatsangana, tsy novakinareo ve ny ao amin’ny bokin’i Mosesy, tao amin’ny fitantarana momba ilay voaroy, dia ny nilazan’Andriamanitra taminy hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’?+
27 Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona. Koa diso hevitra mihitsy ianareo.”+
28 Ary nisy mpanora-dalàna iray nanatona ka nandre azy ireo niady hevitra. Fantany fa nahavaly tsara azy ireo i Jesosy, ka nanontaniany hoe: “Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”+
29 Dia hoy ny navalin’i Jesosy: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Israely ô: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.+
30 Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.’+
31 Ny faharoa dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’+ Tsy misy didy lehibe noho ireo.”
32 Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: “Mpampianatra ô, marina izay nolazainao hoe: ‘Iray ihany Izy, ary tsy misy afa-tsy Izy.’+
33 Ary sarobidy lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra ny fitiavana azy amin’ny fo manontolo sy ny fahaiza-misaina manontolo ary ny hery manontolo, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.”+
34 Hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena ralehilahy, ka hoy izy taminy: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.” Ary tsy nisy sahy nanontany azy intsony.+
35 Raha mbola nampianatra tao amin’ny tempoly anefa i Jesosy, dia niteny hoe: “Nahoana no lazain’ny mpanora-dalàna fa zanak’i Davida i Kristy?+
36 I Davida mihitsy no nampitenenin’ny fanahy masina+ hoe: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao.”’+
37 I Davida aza niantso azy hoe ‘Tompo’, koa ahoana no maha zanany azy?”+
Ary finaritra nihaino azy ny vahoaka.+
38 Hoy koa izy nandritra ny fampianarany: “Mitandrema amin’ny mpanora-dalàna,+ izay tia mandehandeha manao akanjo lava, sady tia ny hoarahabaina eny an-tsena
39 sy ny hahazo toerana eny aloha ao amin’ny synagoga ary ny toerana mihaja indrindra any amin’ny sakafo hariva.+
40 Izy ireny no mandany ny ao an-tranon’ny+ vehivavy mpitondratena ary manao vavaka lava be ho fisehosehoana fotsiny. Koa hahazo fanamelohana mafy kokoa izy ireny.”+
41 Ary nipetraka teo amin’izay nahatazanany ny vata fandatsaham-bola+ izy, ka nijery ny vahoaka nandatsaka vola tao amin’ireo vata fandatsaham-bola. Ary maro ny mpanankarena nandatsaka vola madinika be dia be.+
42 Fa tonga kosa ny vehivavy mpitondratena mahantra iray nandatsaka vola madinika roa,* izay vola faran’izay kely vidy.*+
43 Koa niantso ny mpianany hankeo aminy i Jesosy, ka niteny taminy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka betsaka kokoa noho izay rehetra nandatsaka vola tao amin’ny vata fandatsaham-bola.+
44 Izy rehetra mantsy nandatsaka avy tamin’ny ambim-bavany, fa ravehivavy kosa na mahantra aza, dia nandatsaka izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.”+