Marka 13:1-37

13  Ary nony nivoaka ny tempoly izy, dia hoy ny iray tamin’ny mpianany taminy: “Mpampianatra ô, jereonao ange ireto vato sy trano ireto e!”+  Hoy anefa i Jesosy taminy: “Hitanao ve ireo trano be ireo?+ Tsy havela hisy vato hifanaingina mihitsy eto+ ka tsy harodana.”+  Raha mbola nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ary nahatazana ny tempoly, dia nanontany azy mitokana+ i Petera+ sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:  “Lazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana rehefa tsy maintsy hifarana izany rehetra izany?”+  Koa nanomboka niteny taminy i Jesosy hoe: “Mitandrema sao hisy hamitaka anareo.+  Fa maro no ho tonga amin’ny anarako, hilaza hoe: ‘Izaho no izy’, ka maro no ho voafitany.+  Ary aza raiki-tahotra rehefa mandre ady sy filazana ady ianareo. Tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany.+  “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana.+ Ary hisy horohoron-tany+ any amin’ny toerana samy hafa, ary hisy mosary.+ Izany no ho fiandohan’ny fahoriana.*+  “Mitandrema kosa ianareo, fa hanolotra anareo amin’ny fitsarana eo an-toerana ny olona.+ Ary hokapohina any amin’ny synagoga ianareo+ ka hoentina eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka noho ny amiko.+ Ho afaka hitory aminy ianareo noho izany. 10  Ankoatra izany, dia tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.+ 11  Rehefa entiny mba hatolotra ny fitsarana anefa ianareo, dia aza manahy ny amin’izay holazainareo.+ Izay omena anareo amin’izany ora izany lazaina, satria tsy ianareo no miteny, fa ny fanahy masina.+ 12  Ary ny rahalahy koa hanolotra ny rahalahiny ho faty, ny ray hanolotra ny zanany,+ ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampamono azy ho faty.+ 13  Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.+ Fa izay miaritra hatramin’ny farany+ no hovonjena.+ 14  “Raha vao hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany anefa ilay zava-maharikoriko+ mahatonga faharavana+—aoka ny mpamaky handinika tsara—,+ dia aoka izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra.+ 15  Ary aoka izay eo an-tampon-trano tsy hidina na hiditra ao an-tranony mba haka zavatra ao,+ 16  ary aoka izay any an-tsaha tsy hiverina any amin’izay efa nilaozany mba haka ny akanjony ivelany.+ 17  Ary lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany!+ 18  Mivavaha hatrany mba tsy ho amin’ny ririnina izany no hitranga.+ 19  Fa izany andro izany dia ho andro fahoriana+ izay mbola tsy nisy toa azy hatrany am-piandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra ka hatramin’izany fotoana izany, sady tsy hisy intsony.+ 20  Raha tsy nohafohezin’i Jehovah+ tokoa mantsy izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidiny,+ dia nohafoheziny izany andro izany.+ 21  “Ary aza mino+ raha misy koa milaza aminareo hoe: ‘Jereo fa atỳ Kristy!’, na hoe: ‘Jereo fa arỳ izy!’+ 22  Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana+ ka hanao famantarana sy fahagagana+ mba hampivily lalana ny olom-boafidy, raha azony atao.+ 23  Koa mitandrema+ ianareo. Efa voalazako aminareo mialoha ny zava-drehetra.+ 24  “Fa amin’izany andro izany, aorian’ilay fahoriana, dia ho maizina ny masoandro, tsy hanome hazavana ny volana, 25  ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny hery any an-danitra.+ 26  Ary ny olona hahita ny Zanak’olona+ ho avy amin-kery lehibe sy voninahitra, ao amin’ny rahona.+ 27  Ary haniraka ny anjely izy sady hanangona ny olom-boafidiny+ avy any amin’ny vazan-tany efatra, avy any amin’ny faran’ny tany ka hatrany amin’ny faravodilanitra.+ 28  “Makà lesona avy amin’ny fanoharana momba ny aviavy: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.+ 29  Toy izany koa ianareo, rehefa hitanareo fa miseho izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana.+ 30  Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.+ 31  Ny lanitra+ sy ny tany ho levona, fa ny teniko+ tsy ho levona.+ 32  “Fa tsy misy mahalala ny amin’izany andro na ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.+ 33  Koa mitandrema hatrany sy miambena hatrany,+ fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro.+ 34  Izany dia toy ny lehilahy iray nandeha any an-tany hafa.+ Niala tao an-tranony izy ary nanome fahefana ny mpanompony ka nanome asa ho an’ny tsirairay, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina hatrany. 35  Koa miambena hatrany+ àry, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano, na amin’ny takariva, na amin’ny misasakalina, na amin’ny maneno akoho, na vao maraina,*+ 36  mba tsy hahita anareo matory+ izy, rehefa tonga tampoka. 37  Fa izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena hatrany.”+

Fanamarihana

Toy ny fanaintainan’ny vehivavy efa hiteraka.
Jereo Mt 14:25 f.a.p.