Marka 15:1-47

15  Raha vao nazava ratsy ny andro, dia nikaon-doha ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy ary ny mpanora-dalàna,+ mbamin’ireo rehetra anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Ary nafatony i Jesosy, dia nentiny ka natolony an’i Pilato.+  Koa nanontanian’i Pilato izy hoe: “Ianao ve no mpanjakan’ny+ Jiosy?” Hoy ny navalin’i Jesosy: “Voalazanao.”+  Fa tsy nitsahatra niampanga azy tamin-javatra maro ny lehiben’ny mpisorona.+  Koa nanontany azy indray i Pilato hoe: “Tsy manan-kavaly ve ianao?+ Jereo fa zavatra maro no iampangany anao!”+  Tsy namaly intsony anefa i Jesosy, ka gaga i Pilato.+  Isaky ny fety, dia fanaon’i Pilato ny nanafaka voafonja iray izay nangatahin’ny vahoaka.+  Tamin’izay fotoana izay, dia nisy lehilahy nantsoin’ny olona hoe Barabasy, niara-nafatotra tamin’ireo mpikomy tamin’ny fanjakana, izay efa nahafaty olona tamin’ny fikomiana.+  Ary niakatra ny vahoaka ka nanomboka nangataka an’i Pilato hanao araka izay efa fanaony amin’izy ireo.  Dia hoy ny navalin’i Pilato: “Tianareo hafahako ho anareo ve ilay mpanjakan’ny Jiosy?”+ 10  Fantany mantsy fa noho ny fialonana+ no nanoloran’ny lehiben’ny mpisorona an’i Jesosy.+ 11  Fa nentanin’ny lehiben’ny mpisorona kosa ny vahoaka mba ho i Barabasy fa tsy i Jesosy no hafahan’i Pilato ho azy ireo.+ 12  Hoy indray ny navalin’i Pilato azy ireo: “Inona àry no hataoko amin’ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny+ Jiosy?”+ 13  Ary niantsoantso mafy indray ireo hoe: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!”+ 14  Hoy ihany anefa i Pilato tamin’ireo: “Fa nahoana? Inona no ratsy nataony?” Vao mainka anefa niantsoantso ireo hoe: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!”+ 15  Tamin’izay dia nafahan’i Pilato ho an’ny vahoaka i Barabasy, satria te hanome fahafaham-po azy ireo izy.+ Ary rehefa avy nasainy nokaravasina i Jesosy, dia natolony hofantsihana amin’ny hazo fijaliana.+ 16  Ary nentin’ny miaramila nankao an-tokotanin’ny lapan’ny governora izy, ka novorin’izy ireo ny miaramila rehetra.+ 17  Dia nampitafy azy lamba volomparasy ireo sady nandrandrana fehiloha tsilo ka nataony teo amin’ny lohany.+ 18  Ary nanomboka niarahaba azy izy ireo hoe: “Arahaba,+ ry Mpanjakan’ny Jiosy!” 19  Nokapohin’ireo tamin’ny bararata koa ny lohany ka nororany izy. Dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany ireo.+ 20  Tamin’ny farany, rehefa avy nanao azy ho fihomehezana ireo, dia nanaisotra taminy ilay lamba volomparasy ka nampanao azy indray ny akanjony ivelany ary nitondra azy nivoaka mba hofantsihana amin’ny hazo fijaliana.+ 21  Ary noteren’ireo hanao fanompoana ny mpandalo iray avy tany ambanivohitra, dia i Simona avy any Kyrena, rain’i Aleksandra sy Rofosy, ka nasainy nibata ny hazo fijalian’i Jesosy.+ 22  Ary i Jesosy dia nentin’ireo nankany amin’ilay toerana antsoina hoe Golgota, raha adika dia hoe Ikarandoha.+ 23  Dia nanandrana nanome azy divay niharo miora mahadomelina ireo,+ fa tsy nety nisotro izy.+ 24  Ary nofantsihan’ireo teo amin’ny hazo fijaliana izy, ary nataony antsapaka ny fizarana ny akanjony ivelany,+ mba hahitany izay ho anjarany avy.+ 25  Ora fahatelo*+ tamin’izay, ary nofantsihan’ireo izy. 26  Ary natao terỳ ambony ilay soratra nilaza ny fiampangana+ azy hoe: “Ny Mpanjakan’ny Jiosy.”+ 27  Ankoatra izany, dia nisy jiolahy roa nampiarahina taminy ka natao teo amin’ny tsato-kazo: Ny iray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany.+ 28 * —— 29  Koa nanevateva+ azy izay nandalo, sady nihivingivin-doha no niteny hoe: “Tsara ho anao izao ry ilay te handrodana ny tempoly sy hanorina azy ao anatin’ny telo andro!+ 30  Vonjeo ny tenanao ka midìna avy eo amin’ny hazo fijaliana.”+ 31  Toy izany koa no nataon’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, izay nanao azy ho fihomehezana, ka nilaza hoe: “Ny hafa novonjeny, fa ny tenany tsy hainy vonjena!+ 32  Aoka hidina avy eo amin’ny hazo fijaliana izao i Kristy Mpanjakan’ny Israely, mba ho hitantsika ka hinoantsika.”+ Na ireo nampiarahina taminy teo amin’ny tsato-kazo aza mba nandatsa azy koa.+ 33  Ary nisy haizina nanarona an’ilay faritra manontolo nanomboka tamin’ny ora fahenina* ka hatramin’ny ora fahasivy.+ 34  Ary tamin’ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesosy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?”, raha adika dia hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?”+ 35  Nony nandre izany ny sasany nijoro teo, dia niteny hoe: “Jereo fa miantso an’i Elia izy.”+ 36  Fa nisy olona iray nihazakazaka ka nanatsoboka spaonjy tao anaty divay marikivy, ary nataony teo amin’ny bararata iray izany ka nomeny hosotroin’i Jesosy,+ sady hoy izy: “Avelao izy! Aoka hojerentsika raha ho avy hampidina azy i Elia.”+ 37  Fa niantsoantso mafy i Jesosy dia tapitra ny ainy.+ 38  Ary nitriatra roa hatrany ambony ka hatrany ambany ilay ridao+ tao amin’ny toerana masina.+ 39  Nony hitan’ilay manamboninahitra nijoro teo anilan’i Jesosy ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nahataperan’ny ainy, dia hoy izy: “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.”+ 40  Ary nisy vehivavy koa nijery teny lavidavitra teny.+ Anisan’ireny i Maria Magdalena, ary koa i Maria renin’i Jakoba kely sy Josesy, ary Salome,+ 41  izay samy nanaraka an’i Jesosy+ ka nikarakara azy fony izy tany Galilia, mbamin’ny vehivavy maro hafa koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.+ 42  Koa satria efa harivariva ny andro sady Andro Fiomanana tamin’izay, izany hoe ilay andro alohan’ny sabata, 43  dia tonga i Josefa avy any Arimatia, izay lehilahy nanan-kaja anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy. Ary niandry ny fanjakan’Andriamanitra koa izy.+ Koa nisikina herim-po izy ka nankao amin’i Pilato, dia nangataka ny fatin’i+ Jesosy. 44  Gaga anefa i Pilato hoe efa maty sahady i Jesosy, ka nantsoiny ilay manamboninahitra, dia nanontaniany raha efa maty tokoa izy. 45  Koa rehefa avy naka toky tamin’ilay manamboninahitra i Pilato, dia nekeny ny hanomezana ilay faty an’i Josefa.+ 46  Ary nividy lamba rongony tena tsara i Josefa. Dia nampidininy ilay faty ka nofonosiny tao anatin’ilay lamba rongony tena tsara, ary napetrany+ tao amin’ny fasana+ iray nolavahana tao amin’ny vatolampy. Ary nanakodia vato teo am-baravaran’ilay fasana izy.+ 47  Fa i Maria Magdalena sy Maria renin’i Josesy kosa mbola naharitra nijery ny toerana nametrahana an’ilay faty.+

Fanamarihana

Tamin’ny 9 maraina teo ho eo.
Jereo Mt 17:21 f.a.p.
Tamin’ny 12 antoandro teo ho eo.