Marka 16:1-20

16  Rehefa nifarana ny sabata,+ dia nividy zavamaniry mani-pofona i Maria Magdalena+ sy Maria renin’i Jakoba ary Salome, fa nikasa ho any am-pasana izy ireo mba hanosotra an’izany amin’i Jesosy.+  Koa vao maraina tamin’ny andro voalohany+ amin’ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany am-pasana izy ireo,+  ary nifampiresaka hoe: “Iza re no hasaintsika hanakodia ny vato ho afaka amin’ny varavaram-pasana e?”  Nony nitraka anefa izy ireo, dia hitany fa efa voakodia ilay vato, na dia tena lehibe aza.+  Rehefa niditra tao amin’ilay fasana izy ireo, dia gaga nahita tovolahy nanao akanjo fotsy lava nipetraka teo ankavanana.+  Hoy ilay tovolahy tamin’izy ireo: “Aza gaga. Fantatro fa i Jesosy avy any Nazareta, ilay nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.+ Efa natsangana+ izy, ka tsy ato. Jereo fa teo no nametrahana azy!+  Fa mandehana milaza amin’ny mpianany sy amin’i Petera hoe: ‘Hialoha anareo any Galilia izy.+ Any no hahitanareo azy, araka ny efa nolazainy taminareo.’”+  Koa nandositra niala tao amin’ilay fasana izy ireo nony nivoaka tao, fa nangovitra sy nihetsi-po mafy. Ary tsy nilaza na inona na inona tamin’olona izy, fa natahotra.+ TENY FAMARANANA FOHY Misy sora-tanana sy dikan-teny tatỳ aoriana kokoa mirakitra izao teny famaranana fohy izao, aorian’ny Marka 16:8: Fa ny zava-drehetra nandidiana azy ireo dia notantarainy fohifohy tamin’ireo olona nanodidina an’i Petera. Taorian’izany koa, dia tamin’ny alalan’ny mpianatra no nandefasan’i Jesosy hatrany atsinanana ka hatrany andrefana ny fanambarana masina tsy mety lefy momba ny famonjena mandrakizay. TENY FAMARANANA LAVA Ny teny famaranana lava manaraka eto dia hita ao amin’ny sora-tanana tranainy sasany (Kôdeksa Alexandrinus, Kôdeksa Ephraemi, Kôdeksa Bezae) sy fandikan-teny tranainy sasany (Vulgate latinina, Dikan-teny syriàkan’i Cureton, Peshitta syriàka), fa tsy hita ao amin’ny Kôdeksa Sinaiticus sy ny Kôdeksa Vaticanus sy ny Kôdeksa Sinaitika Syriàka ary ny Fandikan-teny Armenianina:  Ary rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy, vao maraina tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, no nisehoany voalohany. 10  Ary lasa ravehivavy nitantara tamin’ireo efa niaraka tamin’i Jesosy, fa mbola ory sy nitomany ireo. 11  Tsy nino anefa ireo rehefa nandre fa velona indray i Jesosy sady efa hitan-dravehivavy. 12  Taorian’izany koa, dia endrika hafa no nisehoan’i Jesosy tamin’ny roa lahy tamin’izy ireo, raha teny an-dalana ho any ambanivohitra izy roa lahy. 13  Ary niverina ireo ka nitantara tamin’ny apostoly hafa, kanefa na izy roa lahy aza tsy ninoany koa. 14  Tatỳ aoriana anefa i Jesosy dia niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy mihitsy, raha mbola nandry ilika hisakafo ireo. Ary nomeny tsiny ireo noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony. Tsy nino an’izay nahita azy tafatsangana tamin’ny maty mantsy ireo. 15  Koa hoy izy tamin’ireo: “Mandehana eran’izao tontolo izao ka torio amin’ny zavaboary rehetra ny vaovao tsara. 16  Ary hovonjena izay mino sy atao batisa, fa homelohina kosa izay tsy mino. 17  Ankoatra izany, dia ireto no ho famantarana an’ireo mino: Hamoaka demonia amin’ny anarako izy, hiteny amin’ny fiteny samihafa, 18  handray bibilava, ary raha misotro poizina mahafaty izy dia tsy hampaninona azy velively izany. Ary hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.” 19  Rehefa avy niresaka tamin’izy ireo i Jesosy Tompo, dia nakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. 20  Koa lasa nitory hatraiza hatraiza ireo, fa ny Tompo kosa niara-niasa taminy sy nanao famantarana ho fanamafisana ny teny notorina.

Fanamarihana