Marka 4:1-41

4  Nampianatra teo amoron-dranomasina+ indray izy. Ary nisy vahoaka be niangona teo akaikiny, ka niakatra tao an-tsambokely izy dia nipetraka ary nihataka kely ny morony, fa ny vahoaka rehetra kosa teo amoron-dranomasina.+  Koa nanomboka nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana+ izy, ka nilaza taminy hoe:+  “Henoy izao: Nivoaka ny mpamafy mba hamafy.+  Ary rehefa namafy izy, dia latsaka teny amoron-dalana ny voa sasany, ka lanin’ny vorona tonga teo.+  Ny voa hafa kosa latsaka teny amin’ny toerana be vato, izay tsy nisy nofon-tany firy. Koa nitsimoka avy hatrany ny voa satria tsy lalina ny nofon-tany.+  Rehefa niposaka anefa ny masoandro, dia may ireo tsimoka ka nalazo satria tsy namaka lalina.+  Nisy voa hafa latsaka teny amin’ny tsilo, ary naniry ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.+  Ny voa hafa kosa latsaka teny amin’ny tany tsara+ ary naniry ka nitombo, dia nanomboka namoa avo telopolo heny sy enimpolo heny ary zato heny.”+  Hoy koa izy: “Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.”+ 10  Nony efa irery izy, dia nanomboka nanontany azy momba ny fanoharana ireo nanodidina azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.+ 11  Ary hoy izy tamin’ireo: “Ianareo no nilazana mazava tsara ny zava-miafina masina+ momba ny fanjakan’Andriamanitra. Fa amin’ny hafa kosa, dia fanoharana no ilazana ny zava-drehetra,+ 12  mba hijery izy fa tsy hahita, ary mba handre fa tsy hahazo ny hevitr’izany, ka tsy hiverina dia tsy hahazo famelan-keloka.”+ 13  Hoy koa izy tamin’ireo: “Iny fanoharana iny aza tsy azonareo ny heviny, koa ahoana no hahazoanareo ny hevitry ny fanoharana hafa rehetra? 14  “Ilay mpamafy dia mamafy ny teny.+ 15  Ireo teny amoron-dalana àry dia izay namafazana ny teny, nefa raha vao mandre izany izy, dia tonga i Satana+ manaisotra ny teny nafafy tao aminy.+ 16  Eo koa ireo nafafy teny amin’ny toerana be vato: Raha vao mandre ny teny izy, dia manaiky izany amim-pifaliana.+ 17  Tsy mamaka ao aminy anefa ny teny, fa maharitra vetivety ihany. Koa mihemotra izy raha vao mipoitra ny fahoriana na ny fanenjehana noho ny teny.+ 18  Mbola misy hafa koa nafafy teny amin’ny tsilo. Ireo dia izay mandre ny teny,+ 19  saingy lasa mibahan-toerana tsikelikely ny fanahiana+ eto amin’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena+ ary ny faniriana+ ny zavatra hafa koa, ka mangeja ny teny, dia manjary tsy mamoa izy.+ 20  Farany, ireo voa nafafy teny amin’ny tany tsara dia ireo mihaino ny teny ka mandray izany tsara ary dia mamoa avo telopolo heny sy enimpolo heny ary zato heny.”+ 21  Ary hoy ihany izy tamin’ireo: “Hapetraka ao ambany sobika famarana na any ambany fandriana ve ny jiro? Tsy hapetraka eo ambony fitoeran-jiro ve izany?+ 22  Izay rehetra afenina dia mbola haseho, ary izay rehetra tsara afina dia mbola haharihary.+ 23  Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.”+ 24  Hoy koa izy tamin’ireo: “Tandremo izay renareo.+ Araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo,+ eny, hahazo fanampiny aza ianareo.+ 25  Fa izay manana dia homena bebe kokoa, fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza, dia halaina aminy.”+ 26  Ary hoy ihany izy: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia tahaka ny olona iray manipy voa amin’ny tany.+ 27  Matory izy amin’ny alina ary mifoha amin’ny maraina. Ary maniry ilay voa ka mitombo, nefa tsy fantany hoe amin’ny fomba ahoana.+ 28  Mamokatra tsikelikely amin’izao fotsiny ny tany: Voalohany, ny raviny toy ny ravin’ahitra, avy eo ny salohy, ary farany dia feno voa ny salohiny. 29  Raha vao masaka anefa ny vokatra, dia jinjainy amin’ny antsy fijinjana satria tonga ny fotoam-pijinjana.” 30  Ary hoy ihany izy: “Ampitahaintsika amin’inona ny fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hilazantsika azy?+ 31  Izany dia tahaka ny voan-tsinapy,* izay bitika indrindra amin’ny voa rehetra eto an-tany, amin’ny fotoana amafazana azy.+ 32  Rehefa voafafy anefa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana hafa rehetra sady misy rantsany vaventy,+ hany ka afaka mitoetra eo ambany alokalony ny voro-manidina.”+ 33  Koa fanoharana+ maro toy izany no nentiny nitoriana ny teny tamin’ny olona, araka izay hain’ireo nohenoina. 34  Tsy niteny taminy tokoa izy raha tsy tamin’ny fanoharana, nefa nohazavainy tamin’ny mpianany ny zava-drehetra rehefa nitokana izy ireo.+ 35  Ary ny androtr’iny ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy izy tamin’ireo: “Andao ho eny ampita.”+ 36  Koa noravan’ireo ny vahoaka, ary nentiny an-tsambokely avy hatrany i Jesosy. Nisy sambokely hafa koa tafaraka taminy.+ 37  Ary nisy tafio-drivotra mahery, ka niantonta tsy an-kijanona tao anaty sambokely ny onja. Dia nila ho feno rano ilay sambokely.+ 38  Teo amin’ny vodisambo anefa i Jesosy, natory niondana. Koa nofohazin’ireo izy ka nilazany hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona anao ve izao isika ho faty izao?”+ 39  Ary niarina izy ka niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: “Mangìna! Mitonia!”+ Dia nitsahatra ny rivotra ka nanjary tony dia tony ny andro.+ 40  Ary hoy izy tamin’ireo: “Nahoana ianareo no saro-tahotra? Mbola tsy manam-pinoana ihany ve ianareo?” 41  Natahotra be anefa izy ireo, ary nifampiresaka hoe: “Fa iza marina àry izy ity, fa hatramin’ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy?”+

Fanamarihana

Jereo Mt 13:31 f.a.p.