Matio 12:1-50

12  Tamin’izany fotoana izany dia nandeha teny amin’ny saha nisy voly varimbazaha i Jesosy. Sabata ny andro tamin’izay.+ Ary noana ny mpianany ka nanomboka nioty salohim-barimbazaha, dia nihinana.+  Hoy ny Fariseo nony nahita izany:+ “Jereo fa manao izay tsy azo atao amin’ny sabata ny mpianatrao.”+  Dia hoy izy tamin’ireo: “Mbola tsy novakinareo ve izay nataon’i Davida rehefa noana izy sy izay niaraka taminy?+  Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ary nihinana ny mofo atolotra+ izy ireo. Tsy nahazo+ nihinana izany anefa izy na izay niaraka taminy, fa ny mpisorona ihany no nahazo nihinana.+  Sa, mbola tsy novakinareo tao amin’ny Lalàna+ fa miasa amin’ny andro sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly nefa tsy meloka?+  Lazaiko aminareo anefa fa misy lehibe noho ny tempoly+ eto.  Raha mba azonareo mantsy ny hevitry ny hoe: ‘Famindram-po+ no sitrako fa tsy sorona’,+ dia tsy ho nomelohinareo izay tsy meloka.  Fa Tompon’ny sabata+ ny Zanak’olona.”+  Ary niditra tao amin’ny synagoga izy nony niala teo. 10  Ary nisy lehilahy maty tanana tao.+ Koa mba hiampangana an’i Jesosy, dia nanontany azy ny olona hoe: “Azo atao ve ny manasitrana amin’ny sabata?”+ 11  Dia hoy izy tamin’ireo: “Iza aminareo raha manana ondry iray latsaka any anaty lavaka+ amin’ny sabata, no tsy haka azy sy hampiakatra azy?+ 12  Rehefa dinihina anefa, dia sarobidy lavitra noho ny ondry ny olona!+ Koa azo atao ny manao soa amin’ny sabata.” 13  Ary hoy izy tamin-dralehilahy: “Atsory ny tananao.” Dia natsotrany ny tanany, ka sitrana ary tonga tahaka ilay ilany.+ 14  Fa ny Fariseo kosa nivoaka ka nikaon-doha ny amin’ny fomba hamonoana azy.+ 15  Nony fantatr’i Jesosy izany, dia niala teo izy. Maro koa no nanaraka azy, ka nositraniny daholo.+ 16  Norarany mafy anefa ireo tsy hilazalaza ny momba azy,+ 17  mba ho tanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany hoe: 18  “Io ny mpanompoko+ izay nofidiko, ny malalako+ izay sitrako! Hampitoeriko ao aminy ny fanahiko,+ ary hasehony mazava amin’ireo firenena ny atao hoe rariny. 19  Tsy hifanditra amin’olona izy,+ na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalambe. 20  Tsy hotorotoroiny ny bararata folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetroka,+ mandra-pamoakany ny rariny+ ho mpandresy. 21  Ny anarany tokoa no hantenain’ny firenena.”+ 22  Ary nentin’ny olona teo aminy ny lehilahy iray nisy demonia. Sady jamba no moana ralehilahy, ka nositraniny, dia niteny sy nahita. 23  Koa zendana ny vahoaka rehetra ka niteny hoe:+ “Sao mba io àry no Zanak’i Davida?”+ 24  Hoy ny Fariseo nony nandre izany: “Tsy misy amoahan’ilehio demonia, afa-tsy amin’ny alalan’i Belzeboba, lehiben’ny demonia.”+ 25  Fantatr’i Jesosy anefa ny eritreritr’ireo,+ ka hoy izy taminy: “Ho foana izay fanjakana miady an-trano,+ ary tsy haharitra izay tanàna na ankohonana miady an-trano. 26  Toy izany koa fa raha i Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy, koa ahoana no haharetan’ny fanjakany? 27  Ambonin’izany, raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako demonia,+ amin’ny alalan’iza kosa no amoahan’ny zanakareo azy? Noho izany, dia ny zanakareo no hitsara anareo. 28  Fa raha amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako demonia, dia efa eo aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantatrareo.+ 29  Ary ahoana no hidiran’ny olona ao an-tranon’ny lehilahy matanjaka iray ka hakany an-keriny ny entany, raha tsy fatorany aloha ralehilahy? Amin’izay izy vao handroba ny ao an-tranony.+ 30  Koa izay tsy momba ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko, dia manaparitaka.+ 31  “Noho izany no ilazako aminareo hoe: Hahazoan’ny olona famelan-keloka ny karazana fahotana rehetra sy izay rehetra mety ho fanevatevana zava-masina,* fa tsy hahazoana famelan-keloka kosa ny fanevatevana ny fanahy masina.+ 32  Hahazo famelan-keloka, ohatra, izay miteny manohitra ny Zanak’olona.+ Fa izay miteny manohitra ny fanahy masina kosa tsy hahazo famelan-keloka, na eto amin’ity tontolo ity na any amin’ilay ho avy.+ 33  “Izay iray ambolenareo: na hazo tsara mamoa voa tsara, na hazo ratsy mamoa voa ratsy, fa ny voany no ahafantarana ny hazo.+ 34  Ry taranaky ny menarana,+ ahoana moa no ahaizanareo milaza zavatra tsara nefa ianareo ratsy fanahy?+ Fa izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.+ 35  Ny olona tsara dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny tahiry tsara ananany,+ fa ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka zavatra ratsy avy amin’ny tahiry ratsy ananany.+ 36  Lazaiko aminareo fa izay teny tsy mahasoa rehetra lazain’ny olona, dia hampamoahana+ azy amin’ny Andro Fitsarana. 37  Fa ny teninao no hanambarana anao ho marina, ary ny teninao no hanamelohana anao.”+ 38  Ary namaly azy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo sasany hoe: “Mpampianatra ô, te hahita famantarana avy aminao izahay.”+ 39  Hoy ny navaliny azy ireo: “Mitady famantarana foana ny taranaka ratsy fanahy sy mpanitsakitsa-bady,+ nefa tsy hisy famantarana homena azy afa-tsy ilay famantarana ny amin’i Jona mpaminany.+ 40  Fa tahaka ny nitoeran’i Jona+ telo andro sy telo alina tao an-kibon’ilay trondro goavana, no hitoeran’ny Zanak’olona+ telo andro sy telo alina+ ao an-kibon’ny tany+ koa. 41  Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity mandritra ny fitsarana ny mponin’i Ninive+ ka hanameloka+ azy, satria nibebaka izy ireo rehefa nitory taminy i Jona.+ Misy lehibe noho i Jona anefa eto. 42  Hiaraka hatsangana amin’ity taranaka ity mandritra ny fitsarana ny mpanjakavavin’ny atsimo+ ka hanameloka azy, satria avy any amin’ny faran’ny tany izy no tonga mba hihaino ny fahendren’i Solomona. Misy lehibe noho i Solomona anefa eto.+ 43  “Rehefa mivoaka avy amin’ny olona iray ny fanahy maloto, dia mamakivaky toerana karakaina izy mitady toeram-pialan-tsasatra, fa tsy mahita.+ 44  Ary hoy izy: ‘Hiverina any amin’ilay trano nialako aho.’ Nony tonga izy, dia hitany fa tsy misy mipetraka ilay trano, fa voafafa madio sady voaravaka. 45  Dia lasa izy maka fanahy fito hafa ratsy noho izy.+ Rehefa tafiditra ireo, dia mijanona ao. Koa ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny hiafaran’izany olona izany.+ Ho toy izany koa ny amin’ity taranaka ratsy fanahy ity.”+ 46  Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka izy, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny+ tonga tao ivelany, nitady hiresaka taminy. 47  Koa nisy nilaza taminy hoe: “Mijoro ao ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao, mitady hiresaka aminao.” 48  Hoy ny navaliny an’ilay nilaza izany taminy: “Iza moa no reniko, ary iza moa no rahalahiko?”+ 49  Ary natsotrany nanondro ny mpianany ny tanany, ka hoy izy: “Ireo no reniko sy rahalahiko!+ 50  Fa na iza na iza manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

Fanamarihana

Mety ho teny fanevatevana an’Andriamanitra na zava-masina izany.