Matio 17:1-27

17  Enina andro taorian’izay, dia nentin’i Jesosy niaraka taminy i Petera, mbamin’i Jakoba sy Jaona rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.+  Ary niova tarehy teo anatrehan’ireo izy, ka namirapiratra toy ny masoandro ny tavany,+ ary nanjary nanjelanjelatra toy ny hazavana ny akanjony ivelany.+  Ary indreo, niseho tamin’ireo i Mosesy sy Elia, izay samy niresaka tamin’i Jesosy.+  Koa hoy i Petera tamin’i Jesosy: “Tompoko, tsara ho antsika eto. Raha tianao, dia hanangana tranolay telo eto aho, ka ny iray ho anao, ny iray ho an’i Mosesy, ary ny iray ho an’i Elia.”+  Raha mbola niteny izy, dia nisy rahona namirapiratra nanaloka azy ireo. Ary injay nisy feo avy tao amin’ilay rahona nanao hoe: “Io no Zanako malalako izay sitrako.+ Henoy izy.”+  Dia niankohoka tamin’ny tany ireo mpianatra ireo nony nandre izany, ary nanjary natahotra+ mafy.  Ary nanatona i Jesosy ka nikasika azy sady nilaza hoe: “Mitsangàna fa aza matahotra.”+  Nony niandrandra ireo, dia tsy nahita afa-tsy i Jesosy irery ihany.+  Raha mbola nidina ny tendrombohitra izy ireo, dia nandidy azy i Jesosy hoe: “Aza lazaina na amin’iza na amin’iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.”+ 10  Nanontany azy anefa ireo mpianany ireo hoe: “Nahoana àry no milaza ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?”+ 11  Dia hoy ny navaliny: “Ho avy tokoa i Elia, ka hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra.+ 12  Lazaiko aminareo anefa fa efa tonga i Elia, nefa tsy fantatry ny olona ka nataony taminy izay tiany hanaovana azy. Voatendry hijaly eo an-tanan’izy ireo toy izany koa ny Zanak’olona.”+ 13  Dia takatry ny mpianatra fa i Jaona Mpanao Batisa+ no noresahiny taminy. 14  Ary rehefa nankeo amin’ny vahoaka izy ireo,+ dia nisy lehilahy nanatona azy ka nandohalika teo anatrehany sady niteny hoe: 15  “Tompo ô, mba iantrao ny zanako lahy fa voan’ny androbe ka marary. Fa matetika izy no mianjera ao anaty afo, ary matetika ao anaty rano.+ 16  Nentiko tany amin’ny mpianatrao izy, saingy tsy vitan’izy ireo ny nanasitrana azy.”+ 17  Hoy ny navalin’i Jesosy: “Ry taranaka+ tsy manam-pinoana sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no tsy maintsy mbola hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no tsy maintsy handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.” 18  Ary notenenin’i Jesosy mafy ny demonia ka nivoaka tamin’ilay zazalahy.+ Dia sitrana ilay zazalahy tamin’izay ora izay.+ 19  Ary nanatona an’i Jesosy nitokana ny mpianatra ka niteny hoe: “Nahoana no tsy vitanay ny namoaka an’iny?”+ 20  Hoy izy tamin’ireo: “Noho ny hakelin’ny finoanareo. Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa raha manam-pinoana ianareo, na bitika toy ny voan-tsinapy* aza, ary hilaza amin’irỳ tendrombohitra irỳ hoe: ‘Mifindrà erỳ’, dia hifindra izy ary tsy hisy tsy ho vitanareo.”+ 21 * —— 22  Nony tafangona tao Galilia izy ireo, dia hoy i Jesosy taminy: “Efa voatendry hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona,+ 23  ka hovonoiny ho faty, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.”+ Nalahelo be izy ireo noho izany.+ 24  Nony tonga tao Kapernaomy izy ireo, dia nanatona an’i Petera ireo lehilahy namory ny hetra drakma* roa, ka niteny hoe: “Tsy mba mandoa hetra+ angaha ny mpampianatra anareo?” 25  Dia hoy izy: “Mandoa izy.” Nony niditra tao an-trano anefa i Petera, dia notsenain’i Jesosy avy hatrany tamin’ny fanontaniana hoe: “Ahoana ny hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza no ahazoan’ny mpanjaka etỳ an-tany ny haba na ny hetra isan-dahy? Avy amin’ny zanany sa avy amin’ny olon-kafa?” 26  Ary hoy izy: “Avy amin’ny olon-kafa.” Hoy i Jesosy taminy: “Koa afaka amin’ny fandoavan-ketra àry ny zanaka. 27  Fa mba tsy hanafintohinantsika+ azy, dia mankanesa any an-dranomasina ary manipaza lelam-pintana, ka raiso izay trondro azonao voalohany. Ary rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita statera* iray ianao. Alao izany ka omeo azy, ho avy amiko sy avy aminao.”+

Fanamarihana

Jereo Mt 13:31 f.a.p.
Hita ao amin’ny fandikan-teny sasany io andininy io, fa tsy hita kosa ao amin’ireo sora-tanana grika tranainy malaza.
Jereo F.F. 6A.
Anaram-bola. Jereo F.F. 6A.