Matio 19:1-30

19  Taorian’ny nilazan’i Jesosy an’izany, dia niala tao Galilia izy ka nankany amin’ny sisin-tanin’i Jodia rehefa avy niampita ny Reniranon’i Jordana.+  Nisy vahoaka be nanaraka azy tany, ka nositraniny.+  Ary nisy Fariseo nanatona azy mba hamandrika azy, ka nilaza hoe: “Azon’ny lehilahy atao ve ny misaraka amin’ny vadiny na inona na inona antony?”+  Dia hoy ny navaliny: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy,+ tany am-piandohana,  ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny+ ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’?+  Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”+  Ary hoy ireo taminy: “Nahoana àry i Mosesy no nandidy ny lehilahy mba hanome taratasy fisaraham-panambadiana rehefa misaraka amin’ny vadiny?”+  Dia hoy izy tamin’ireo: “Noho ny hamafin’ny fonareo+ no namelan’i Mosesy anareo lehilahy hisara-panambadiana, fa tsy mba toy izany tany am-piandohana.+  Lazaiko aminareo fa izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.”+ 10  Ary hoy ny mpianatra taminy: “Aleo tsy manambady raha izany no mahazo ny lehilahy manambady.”+ 11  Hoy anefa izy: “Tsy ny rehetra no afaka manao izao lazaiko izao, fa izay nahazo izany fanomezana izany ihany.+ 12  Fa misy tsy manambady satria manan-takaitra hatrany an-kibon-dreniny,+ ary misy tsy manambady satria novosirin’olona, fa misy kosa minia tsy manambady noho ny fanjakan’ny lanitra. Izay afaka mitoetra ho tsy manambady, dia aoka izy hanao izany.”+ 13  Ary nisy zaza nentina teo aminy mba hametrahany tanana sy hanaovany vavaka, nefa nibedy an’ireny ny mpianatra.+ 14  Hoy anefa i Jesosy: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza sakanana intsony, fa an’izay toa azy ny fanjakan’ny lanitra.”+ 15  Ary nametra-tanana taminy izy dia niala teo.+ 16  Ary iny nisy olona nanatona azy, ka niteny hoe: “Mpampianatra ô, inona no tsara tsy maintsy ataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay?”+ 17  Koa hoy i Jesosy taminy: “Nahoana aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Tsy misy afa-tsy Iray ihany no tsara.+ Raha te hiditra any amin’ny fiainana anefa ianao, dia tandremo hatrany ny didy.”+ 18  Dia hoy ilay tovolahy taminy: “Inona avy izany?”+ Ary hoy i Jesosy: “Ny hoe: Aza mamono olona.+ Aza manitsakitsa-bady.+ Aza mangalatra.+ Aza mijoro ho vavolombelona mandainga.+ 19  Hajao ny rainao sy ny reninao.+ Ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”+ 20  Dia hoy izy taminy: “Efa notandremako avokoa izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?” 21  Ary hoy i Jesosy taminy: “Raha te ho lavorary ianao, dia mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra+ ianao, ary andao hanara-dia ahy.”+ 22  Lasa tamin’alahelo ilay tovolahy nony nandre izany, satria maro ny fananany.+ 23  Ary niteny tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho sarotra ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.+ 24  Ary hamafisiko ihany fa mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”+ 25  Ary tena gaga ny mpianatra nony nandre izany, ka niteny hoe: “Koa hisy ho voavonjy ve raha izany?”+ 26  Nibanjina azy ireo i Jesosy sady niteny taminy hoe: “Tsy hain’olombelona izany, fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.”+ 27  Ary hoy ny navalin’i Petera azy: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao, koa inona no ho azonay?”+ 28  Dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’ny fotoanan’ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambony seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona. Amin’izay fotoana izay dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana roa ambin’ny folo koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.+ 29  Ary izay rehetra efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na ray na reny na zanaka na tany noho ny anarako, dia hahazo be lavitra raha oharina amin’izay nafoiny, ary handova fiainana mandrakizay.+ 30  “Maro anefa ny voalohany no ho farany, ary ny farany ho voalohany.+

Fanamarihana