Matio 2:1-23

2  Taorian’ny nahaterahan’i Jesosy tao Betlehema+ any Jodia, tamin’ny andron’i Heroda+ Mpanjaka, dia nisy mpanandro+ avy any atsinanana tonga tao Jerosalema,  nilaza hoe: “Aiza ilay nateraka ho mpanjakan’ny+ Jiosy? Fa hitanay ny kintany+ fony izahay tany atsinanana, ka tonga hiankohoka eo anatrehany izahay.”  Rehefa ren’i Heroda Mpanjaka izany, dia nitebiteby izy sy ny olona rehetra tao Jerosalema.  Koa novoriny avokoa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna rehetra teo amin’ny vahoaka, ka nanontaniany hoe aiza ny toerana hahaterahan’i Kristy.  Dia hoy ireo taminy: “Ao Betlehema+ any Jodia. Fa izao no voasoratra tamin’ny alalan’ny mpaminany:  ‘Ary ianao, ry Betlehema+ ao amin’ny tanin’i Joda, tsy ianao velively no tanàna kely indrindra eo imason’ireo governoran’i Joda, satria avy aminao no hivoahan’ny mpitondra+ iray hiandry+ ny Israely oloko.’”  Ary nampiantso mangingina an’ireo mpanandro i Heroda, ka namotopototra azy tsara momba ny fotoana nisehoan’ilay kintana.  Rehefa nirahiny nankany Betlehema ireo, dia nilazany hoe: “Mandehana, karohy tsara ilay zaza, ary rehefa hitanareo izy, dia ilazao aho mba handehanako hiankohoka eo anatrehany koa.”+  Dia lasa ireo rehefa avy nandre ny tenin’ny mpanjaka. Ary iny fa nialoha azy ireo ilay kintana efa hitany tany atsinanana,+ ka tsy nijanona raha tsy teo ambonin’ilay trano nisy ilay zaza. 10  Ravoravo tokoa izy ireo nahita ilay kintana. 11  Rehefa niditra tao amin’ilay trano izy ireo, dia nahita an’ilay zaza sy Maria reniny, ka niankohoka tamim-panajana teo anatrehan’ilay zaza. Navoakan’izy ireo koa ny fanomezana sarobidy nentiny, dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora, ka natolony azy. 12  Nampitandreman’Andriamanitra+ tamin’ny nofy anefa izy ireo mba tsy hiverina tany amin’i Heroda, ka lalan-kafa no nandehanany nody tany amin’ny taniny. 13  Rehefa lasa nody izy ireo, dia nisy anjelin’i Jehovah+ niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy, ka nilaza hoe: “Mitsangàna! Ento mandositra any Ejipta ny zaza sy ny reniny, ka aza miala any raha tsy efa milaza aminao aho. Efa hikaroka an’ilay zaza mantsy i Heroda mba hamonoany azy.” 14  Koa nitsangana izy, ary nitondra an’ilay zaza sy ny reniny tamin’ny alina ka lasa nankany Ejipta. 15  Nijanona tany izy mandra-pahafatin’i Heroda, mba hahatanteraka+ izay nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny hoe: “Nantsoiko hiala avy tany Ejipta+ ny zanako.” 16  Romotry ny hatezerana i Heroda rehefa hitany fa voafitaky ny mpanandro izy. Koa naniraka olona izy hamono ny zazalahikely rehetra tany Betlehema sy ny faritra rehetra manodidina azy, dia ireo zaza roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotorany tsara tamin’ireo mpanandro.+ 17  Dia tanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany hoe: 18  “Nisy feo re tany Rama,+ dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy: I Rahely+ no nitomany an’ireo zanany, ka tsy nety nampiononina izy, satria tsy eo intsony ireny.” 19  Rehefa maty i Heroda, dia nisy anjelin’i Jehovah niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy,+ tany Ejipta, 20  ka nilaza hoe: “Mitsangàna! Ento ho any amin’ny tanin’ny Israely ny zaza sy ny reniny, fa efa maty ireo nifofo ny ain’ilay* zaza.” 21  Koa nitsangana izy, ary nitondra an’ilay zaza sy ny reniny nankany amin’ny tanin’ny Israely. 22  Ren’i Josefa anefa fa i Arkelaosy no mpanjakan’i Jodia nandimby an’i Heroda rainy, ka natahotra ny ho any izy. Nampitandreman’Andriamanitra tao amin’ny nofy+ koa i Josefa, ka nankany amin’ny faritr’i Galilia.+ 23  Ary tonga tao amin’ny tanàna nantsoina hoe Nazareta+ izy, ka nanorim-ponenana tao, mba ho tanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: “Hantsoina hoe Nazareanina+ izy.”

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.