Matio 20:1-34

20  “Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray nanana tanimboaloboka. Ary nivoaka vao maraina izy mba hanakarama olona hiasa ny tanimboalobony.+  Ary karama denaria iray isan’andro no nifanekeny tamin’ny mpiasa,+ dia nalefany nankany an-tanimboalobony izy ireo.  Nivoaka indray ralehilahy tamin’ny ora fahatelo+ teo ho eo, ka nahita olon-kafa nijorojoro fotsiny teny an-tsena.+  Ary hoy izy tamin’ireo: ‘Mandehana any an-tanimboaloboka koa ianareo, dia homeko anareo izay karama ara-drariny tokony ho anareo.’  Ary lasa nandeha ireo. Dia nivoaka indray ralehilahy tamin’ny ora fahenina+ sy fahasivy+ teo ho eo, ary mbola nanao toy izany koa.  Tamin’ny farany, dia nivoaka izy tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo teo ho eo ka nahita olon-kafa nijorojoro, ary hoy izy: ‘Nahoana ianareo no nijorojoro fotsiny teto androany tontolo?’  Dia hoy ireo taminy: ‘Satria tsy nisy nanakarama anay.’ Ary hoy ralehilahy: ‘Mandehana any an-tanimboaloboka+ koa ianareo.’  “Ary nony hariva ny andro,+ dia hoy izy tamin’ny lehiben’ny mpiasany: ‘Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany,+ ka aseseo avy any amin’ny farany mankany amin’ny voalohany.’  Rehefa tonga ireo mpiasa izay nanomboka tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo, dia samy nahazo denaria iray avy. 10  Koa rehefa tonga ireo niasa voalohany, dia nihevitra ny hahazo bebe kokoa. Denaria iray isan’olona koa anefa no azony. 11  Koa nimenomenona tamin’ilay tompon’ny tanimboaloboka+ izy ireo nony nahazo izany, 12  ka nilaza hoe: ‘Tsy niasa afa-tsy adiny iray monja ireo farany ireo, kanefa nampitovinao karama aminay. Izahay anefa nisasatra tontolon’ny andro sy niaritra ny hafanana mandoro!’ 13  Dia hoy izy tamin’ny iray tamin’ireo: ‘Ry sakaiza, tsy manao ny tsy rariny aminao aho. Tsy denaria iray ve no nifanekenao tamiko?+ 14  Raiso ny anao ka mandehana. Tiako homena toy ny anao ireo farany ireo.+ 15  Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny fananako angaha aho? Sa ianao mialona*+ satria tsara fanahy+ tamin’ireo sasany ireo aho?’ 16  Dia toy izany no hahatonga ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”+ 17  Nony efa hiakatra ho any Jerosalema i Jesosy, dia nalainy nitokana ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy,+ ka hoy izy taminy teny an-dalana: 18  “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona, ka homelohiny ho faty,+ 19  dia hatolony amin’ireo hafa firenena ka hataon’ireo ho fihomehezana sy hokaravasiny ary hofantsihany amin’ny hazo fijaliana.+ Ary hatsangana izy amin’ny andro fahatelo.”+ 20  Ary nanatona azy ny renin’izy roa lahy zanak’i Zebedio,+ niaraka tamin’izy mirahalahy. Dia niankohoka ravehivavy mba hangataka zavatra taminy.+ 21  Ary hoy i Jesosy: “Inona no tadiavinao?” Dia hoy ravehivavy taminy: “Aoka re ireto zanako ireto mba hipetraka eo anilanao e, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.”+ 22  Ary hoy ny navalin’i Jesosy: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Hainareo ve ny hisotro amin’ny kaopy+ efa madiva hisotroako?” Dia hoy ireo: “Hainay.” 23  Ary hoy izy tamin’ireo: “Hisotro amin’ny kaopiko tokoa ianareo.+ Fa ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy anjarako ny manome izany. Fa ho an’izay efa nanomanan’ny Raiko azy ihany izany toerana izany.”+ 24  Ary tezitra tamin’izy mirahalahy izy folo lahy nony nandre izay nitranga.+ 25  Niantso azy ireo hankeo aminy anefa i Jesosy ka nilaza hoe: “Fantatrareo fa manjakazaka amin’ny firenena entiny ny mpitondra, ary manampatra ny fahefany ireo lehibe.+ 26  Tsy mba toy izany kosa eo aminareo.+ Fa na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo,+ 27  ary na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo anareo.+ 28  Fa toy izany koa ny Zanak’olona: Tsy tonga mba hotompoina izy fa mba hanompo,+ ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.”+ 29  Rehefa nivoaka avy tao Jeriko+ izy ireo, dia nisy vahoaka be nanaraka azy. 30  Ary nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ka nony reny fa nandalo i Jesosy, dia niantsoantso izy ireo hoe: “Mba iantrao izahay, ry Tompo Zanak’i Davida ô!”+ 31  Ary notenenin’ny vahoaka mafy ireo mba hangina, nefa vao mainka niantsoantso mafy hoe: “Mba iantrao izahay, ry Tompo Zanak’i Davida ô!”+ 32  Koa nijanona i Jesosy, ary niantso azy ka niteny hoe: “Inona no tianareo hataoko aminareo?” 33  Dia hoy ireo taminy: “Mba ataovy mahiratra ny masonay, Tompo ô!”+ 34  Koa nangoraka azy i Jesosy ka nikasika ny masony,+ ary dia nahiratra avy hatrany izy ireo, ka nanaraka azy.+

Fanamarihana

A.b.t.: “ratsy ny masonao.”