Matio 24:1-51
24 Ary niala teo amin’ny tempoly i Jesosy ka lasa nandeha. Nanatona azy anefa ny mpianany mba hampiseho taminy an’ireo trano tao amin’ny tempoly.+
2 Dia hoy izy tamin’ireo: “Tsy hitanareo ve ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy havela hisy vato hifanaingina mihitsy eto ka tsy harodana.”+
3 Raha mbola nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy, dia nanatona azy mitokana ny mpianany, ka niteny hoe: “Lazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao*+ sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”*+
4 Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Mitandrema sao hisy hamitaka anareo.+
5 Maro no ho tonga amin’ny anarako, hilaza hoe: ‘Izaho no Kristy’, ka maro no ho voafitany.+
6 Handre ady sy filazana ady ianareo, nefa aza raiki-tahotra. Tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany.+
7 “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena,+ ary hisy fanjakana hamely fanjakana.+ Ary hisy mosary+ sy horohoron-tany+ any amin’ny toerana samy hafa.
8 Izany rehetra izany no ho fiandohan’ny fahoriana.*
9 “Amin’izany fotoana izany, dia hanolotra anareo ho amin’ny fahoriana+ ny olona ka hamono+ anareo ho faty, ary ho halan’ny+ firenena rehetra ianareo noho ny anarako.+
10 Ary maro koa no hihemotra+ amin’ny finoana sy hamadika ny namany ary hifankahala.+
11 Hisy mpaminany sandoka+ maro hitsangana ka hamitaka olona maro,+
12 ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro,+ noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.+
13 Fa izay miaritra+ hatramin’ny farany no hovonjena.+
14 Ary hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay+ fanjakana+ ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra,+ vao ho tonga ny farany.+
15 “Noho izany, raha vao hitanareo mitsangana ao amin’ny toerana masina ilay zava-maharikoriko+ mahatonga faharavana,+ araka ny nampilazaina an’i Daniela mpaminany—aoka ny mpamaky handinika tsara—,
16 dia aoka izay any Jodia handositra+ any an-tendrombohitra,
17 ary aoka izay eo an-tampon-trano tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony,
18 ary aoka izay any an-tsaha tsy hiverina ao an-trano haka ny akanjony ivelany.
19 Lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany!+
20 Mivavaha hatrany mba tsy ho amin’ny ririnina na amin’ny andro sabata no handosiranareo.
21 Fa amin’izany fotoana izany, dia hisy fahoriana lehibe+ izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny,+ sady tsy hisy intsony.
22 Raha tsy nohafohezina tokoa mantsy izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy,+ dia hohafohezina izany andro izany.+
23 “Ary aza mino+ raha misy milaza aminareo hoe: ‘Atỳ Kristy!’,+ na hoe: ‘Arỳ izy!’
24 Fa hisy Kristy sandoka+ sy mpaminany sandoka+ hitsangana ka hanao famantarana+ lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin’ny olom-boafidy aza, raha azony atao.+
25 Efa mampitandrina anareo mialoha aho.+
26 Koa aza mivoaka ny trano raha misy milaza aminareo hoe: ‘Any an-tany efitra izy’, ary aza mino raha misy milaza hoe: ‘Ao amin’ny efitrano anatiny izy.’+
27 Fa toy ny tselatra+ avy any atsinanana ka mazava hatrany andrefana, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.+
28 Any amin’izay misy ny faty no hiangonan’ny voromahery.+
29 “Aorian’ilay fahoriana amin’izany andro izany avy hatrany, dia ho maizina ny masoandro,+ tsy hanome hazavana ny volana,+ ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny herin’ny lanitra.+
30 Ary hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona.+ Dia hikapo-tratra sy hitomany ny foko rehetra eto an-tany,+ ary ho hitan’izy ireo ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahon’ny lanitra.+
31 Haniraka ny anjeliny amin’ny feon’ny trompetra mafy izy,+ ary ireo dia hanangona ny olom-boafidiny+ avy any amin’ny vazan-tany* efatra,+ avy any amin’ny faravodilanitra rehetra.
32 “Makà lesona avy amin’ny fanoharana momba ny aviavy: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.+
33 Toy izany koa ianareo, rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana.+
34 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka+ ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.
35 Ny lanitra sy ny tany ho levona,+ fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.+
36 “Fa tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora+ izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.+
37 Fa toy ny andron’i Noa,+ dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.+
38 Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa+ tao amin’ny sambofiara.+
39 Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.+ Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.
40 Ary hisy roa lahy any an-tsaha: Ny iray hoentina ary ny iray havela.
41 Hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary:*+ Ny iray hoentina ary ny iray havela.+
42 Koa miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.+
43 “Fantaro anefa izao: Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny fotoam-piambenana fahafiry no hahatongavan’ny mpangalatra,+ dia ho niari-tory niambina izy ka tsy ho namela ny tranony hovakina.
44 Noho izany, dia aoka koa ianareo ho vonona,+ satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.
45 “Iza tokoa moa ilay mpanompo+ mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety?+
46 Sambatra+ izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany!
47 Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra izy.+
48 “Fa raha manao anakampo+ kosa ilay mpanompo ratsy fanahy hoe: ‘Mba ela koa izany tompoko izany!’,+
49 ka manomboka mikapoka ny mpanompo hafa izy ary miara-mihinana sy misotro amin’ny mamo lava,
50 dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora+ tsy fantany ny tompony,
51 ka hanasazy azy faran’izay mafy+ ary handefa azy any amin’ny mpihatsaravelatsihy. Any izy no hitomany sy hitoloko.+
Fanamarihana
^ Jereo F.F. 4B.
^ Jereo F.F. 8.
^ Toy ny fanaintainan’ny vehivavy efa hiteraka.
^ A.b.t.: “rivotra.”
^ Ilay ahodin-tanana.