Matio 26:1-75

26  Rehefa avy nilaza izany rehetra izany i Jesosy, dia hoy izy tamin’ny mpianany:  “Fantatrareo fa rehefa afaka roa andro dia ho tonga ny Paska,+ ary hatolotra hofantsihana amin’ny hazo fijaliana ny Zanak’olona.”+  Ary nivory teo an-tokotanin’ilay mpisoronabe nantsoina hoe Kaiafa, ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka.+  Nikaon-doha+ izy ireo mba hisamborana an’i Jesosy amin-kafetsena, sy mba hamonoana azy ho faty.  Ary hoy ireo: “Tsy amin’ny fety anefa sao hisavorovoro ny vahoaka.”+  Fony i Jesosy tany Betania,+ tao an-tranon’i Simona boka,+  dia nisy vehivavy iray nanatona azy, nitondra tavoahangy vatosanga nisy menaka manitra lafo vidy.+ Ary naidin-dravehivavy teo an-dohan’i Jesosy ilay izy raha mbola nandry ilika nisakafo izy.  Tezitra ny mpianatra nony nahita izany, ka nilaza hoe: “Nahoana no mandanilany foana toy izao?+  Fa azo namidy lafo be iny ka nomena ny mahantra.”+ 10  Fantatr’i Jesosy izany,+ ka hoy izy tamin’ireo: “Nahoana ianareo no mitady hanorisory an-dravehivavy? Tsara ny nataony tamiko.+ 11  Fa eo aminareo foana ny mahantra,+ fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.+ 12  Nanisy an’iny menaka manitra iny tamin’ny vatako izy, mba hanomanana ny fandevenana ahy.+ 13  Lazaiko aminareo marina tokoa fa na aiza na aiza itoriana ity vaovao tsara ity eran’izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy, ho fahatsiarovana azy.”+ 14  Ary nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona ny iray tamin’izy roa ambin’ny folo lahy, ilay antsoina hoe Jodasy Iskariota,+ 15  ka niteny hoe: “Homenareo inona aho hamadihako azy ka hanolorako azy aminareo?”+ Nifanaraka taminy àry ireo fa hanome azy farantsa volafotsy telopolo.+ 16  Koa tsy nitsahatra nitady izay fotoana mety tsara hamadihana an’i Jesosy izy nanomboka tamin’izay.+ 17  Tamin’ny andro voalohan’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay,+ dia nanatona an’i Jesosy ny mpianatra ka nilaza hoe: “Aiza no tianao hikarakaranay ny Paska mba hihinananao azy?”+ 18  Dia hoy izy: “Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dRanona,+ ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: ‘Efa akaiky ny fotoana voatondro ho ahy. Hankalaza ny Paska miaraka amin’ny mpianatro ao an-tranonao aho.’”+ 19  Koa nataon’ny mpianatra izay nandidian’i Jesosy azy, ary nataony vonona ho amin’ny Paska ny zava-drehetra.+ 20  Tamin’ny takariva,+ dia nandry ilika nisakafo izy sy ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy.+ 21  Ary hoy izy teo am-pihinanana: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa hamadika ahy ny iray aminareo.”+ 22  Nalahelo be izy ireo noho izany, ka samy nanomboka nanontany azy hoe: “Izaho ve izany, Tompo ô?”+ 23  Dia hoy ny navaliny: “Izay miara-manatsoboka ny tanany amiko ao anaty vilia no hamadika ahy.+ 24  Marina fa handeha ny Zanak’olona, araka ny voasoratra+ momba azy, nefa lozan’izay+ olona nampiasaina hamadihana ny Zanak’olona!+ Tsara kokoa ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory.” 25  Ary hoy ny navalin’i Jodasy, ilay efa hamadika azy: “Izaho ve izany, Raby ô?” Dia hoy izy taminy: “Voalazanao.” 26  Raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo+ i Jesosy. Rehefa avy nivavaka* izy, dia notapahiny ilay mofo+ ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: “Raiso ity, ka hano. Ity no* vatako.”+ 27  Nandray kaopy+ koa izy, ka rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: “Misotroa amin’ity ianareo rehetra.+ 28  Fa ity no*+ rako, dia ‘ny ran’ny+ fifanekena’+ izay halatsaka ho an’ny maro+ ho famelan-keloka.+ 29  Lazaiko aminareo anefa fa tsy hisotro intsony amin’itony vokatry ny voaloboka itony aho, mandra-pahatongan’ny andro hisotroako divay vaovao miaraka aminareo, ao amin’ny fanjakan’ny Raiko.”+ 30  Tamin’ny farany, dia nivoaka nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva+ izy ireo, rehefa avy nanao hira fiderana.+ 31  Ary hoy i Jesosy: “Hahafoy ahy daholo ianareo anio alina, noho izay hanjo ahy. Fa voasoratra hoe: ‘Hamely ny mpiandry aho, dia hiparitaka ny andian’ondry.’+ 32  Rehefa hatsangana anefa aho, dia hialoha anareo any Galilia.”+ 33  Hoy anefa ny navalin’i Petera azy: “Na hahafoy anao daholo aza ny rehetra noho izay hanjo anao, izaho kosa tsy mba hahafoy anao mihitsy!”+ 34  Dia hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha mbola tsy maneno ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.”+ 35  Hoy anefa i Petera taminy: “Na hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handa anao mihitsy.” Niteny toy izany koa ny mpianatra hafa rehetra.+ 36  Ary tonga tao amin’ilay toerana+ antsoina hoe Getsemane i Jesosy sy ny mpianatra. Dia hoy izy tamin’ny mpianatra: “Mipetraha eto fa izaho hankerỳ hivavaka.”+ 37  Nentiny niaraka taminy i Petera sy izy roa lahy zanak’i+ Zebedio. Ary nanomboka nalahelo sy nitebiteby mafy izy,+ 38  ka niteny tamin’ireo hoe: “Vonton’alahelo aho,* toy ny efa ho faty.+ Mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.”+ 39  Ary nandroso kelikely izy, dia niankohoka nivavaka+ hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia esory amiko ity kaopy*+ ity. Aoka tsy ny sitrapoko anefa no hatao,+ fa ny anao.”+ 40  Ary nankeo amin’ny mpianatra izy ka nahita azy ireo natory, dia hoy izy tamin’i Petera: “Tsy afaka niara-niari-tory tamiko adiny iray akory ve ianareo?+ 41  Miambena+ sy mivavaha+ foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.+ Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”+ 42  Ary lasa fanindroany+ izy ka nivavaka hoe: “Raiko ô, raha tsy azo atao ny manaisotra azy ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka hatao ny sitraponao.”+ 43  Niverina izy ary nahita azy ireo natory, fa efa navesatra ny masony.+ 44  Koa nandao azy ireo indray izy ka nandeha nivavaka fanintelony,+ ary izay nolazainy teo aloha ihany no naveriny. 45  Tonga teo amin’ny mpianatra izy nony avy eo ka niteny tamin’ireo hoe: “Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo amin’ny fotoana toy izao? Efa manakaiky anefa ny ora hamadihana ny Zanak’olona sy hanolorana azy eo an-tanan’ny mpanota.+ 46  Mitsangàna, andao isika handeha, fa efa manatona ilay mpamadika ahy.”+ 47  Raha mbola niteny izy, dia iny fa tonga i Jodasy,+ izay anisan’ny roa ambin’ny folo lahy. Ary nisy vahoaka be niaraka taminy nitondra sabatra+ sy kibay. Nirahin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka izy ireo.+ 48  Ary nanome famantarana azy ireo ilay mpamadika hoe: “Izay horohako no izy, ka sambory.”+ 49  Tonga dia nanitsy teo amin’i Jesosy izy sady niteny hoe: “Manahoana, Raby ô!”+ Ary nanoroka+ azy izy. 50  Fa hoy i Jesosy+ taminy: “Ry sakaiza, haninona eto ianao?” Dia nanatona ny vahoaka ka nisambotra an’i Jesosy ary nitana azy.+ 51  Nanatsotra ny tanany anefa ny iray tamin’ireo niaraka tamin’i Jesosy ka nanatsoaka ny sabany, ary namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe, ka nahafaka ny sofiny.+ 52  Fa hoy i Jesosy taminy: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao,+ fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.+ 53  Sa heverinao fa tsy azoko atao ny miangavy ny Raiko, ka izao ankehitriny izao ihany aho dia handefasany anjely maro be mihoatra noho ny andian-tafika roa ambin’ny folo?+ 54  Raha izany, ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho toy izao no hahatanterahan’izany?” 55  Tamin’izay ora izay, dia hoy i Jesosy tamin’ny vahoaka: “Mivoaka mitondra sabatra sy kibay toy ny hisambotra mpangalatra ve ianareo?+ Nipetraka nampianatra tao amin’ny tempoly+ isan’andro aho, nefa tsy nosamborinareo. 56  Mitranga anefa izao zavatra rehetra izao mba hahatanterahan’izay voasoratry ny mpaminany.”+ Ary nandao azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.+ 57  Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’i Kaiafa+ mpisoronabe ireo nisambotra azy. Efa tafavory tany ny mpanora-dalàna sy ny anti-panahy.+ 58  Fa i Petera kosa nanaraka teny lavidavitra teny, hatrany an-tokotanin’ny+ mpisoronabe. Ary niditra izy, ka nipetraka niaraka tamin’ny mpiasa an-trano mba hahita izay hiafaran’ny raharaha.+ 59  Ary nitady izay ho afaka hiampanga an’i Jesosy ny lehiben’ny mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, mba hamonoana azy ho faty.+ 60  Tsy nahita izay hiampangana azy anefa izy ireo, na maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo.+ Avy eo dia nisy vavolombelona roa tonga 61  ka niteny hoe: “Nilaza io lehilahy io hoe: ‘Vitako ny mandrodana ny tempolin’Andriamanitra sy ny manangana azy ao anatin’ny telo andro.’”+ 62  Ary nitsangana ny mpisoronabe ka nilaza taminy hoe: “Tsy mamaly akory ve ianao? Ahoana hoy ianao amin’izany iampangany anao izany?”+ 63  Tsy niteny anefa i Jesosy.+ Koa hoy ny mpisoronabe taminy: “Mampianiana+ anao amin’Andriamanitra velona aho hilaza aminay raha ianao no Kristy+ Zanak’Andriamanitra!” 64  Dia hoy i Jesosy+ taminy: “Voalazanao.+ Lazaiko aminareo anefa fa manomboka izao,+ dia ho hitanareo ny Zanak’olona+ hipetraka eo ankavanan’Ilay+ Mahery ary ho hitanareo ho avy izy, eny amin’ny rahon’ny lanitra.”+ 65  Dia nandrovitra ny akanjony ivelany ny mpisoronabe sady niteny hoe: “Nanevateva an’Andriamanitra izy!+ Inona indray no mbola ilantsika vavolombelona?+ Efa renareo ilay fanevatevana an’Andriamanitra teo.+ 66  Ahoana ny hevitrareo?” Dia hoy ny navalin’ireo: “Mendrika ny ho faty izy.”+ 67  Ary nororan’ireo ny tarehiny,+ dia nasiany+ totohondry izy. Ny hafa namely tehamaina azy+ 68  sady niteny hoe: “Maminania aminay, ry Kristy!+ Iza ilay namely anao teo?”+ 69  Nipetraka tany ivelany, tany an-tokotany, i Petera tamin’izay. Ary nisy mpanompovavy nanatona azy sady niteny hoe: “Ianao koa niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Galilia!”+ 70  Nanda teo anatrehan’ny rehetra anefa i Petera hoe: “Tsy fantatro izay lazainao.” 71  Nony nivoaka nankeo akaikin’ny vavahady izy, dia nisy zazavavy hafa nahamarika azy ka niteny tamin’izay teo hoe: “Niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Nazareta, io lehilahy io.”+ 72  Ary nanda indray izy sady nianiana hoe: “Marina raha mba fantatro izany lehilahy izany!”+ 73  Nony afaka kelikely, dia nanatona ireo nijoro teo ka nilaza tamin’i Petera hoe: “Tena naman-dry zareo ianao, satria na ny fitenim-paritra ampiasainao aza dia efa ahalalana an’izany.”+ 74  Ary nanomboka niozona sy nianiana izy hoe: “Tena tsy fantatro mihitsy izany lehilahy izany!” Ary teo no ho eo dia nisy akoho naneno.+ 75  Dia tsaroan’i Petera izay nolazain’i Jesosy hoe: “Raha mbola tsy maneno ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.”+ Koa nivoaka tany ivelany izy ka nitomany tamin’alahelo be.+

Fanamarihana

Na: “nisaotra na nangata-pitahiana.”
Gr.: estin, izany hoe “midika ho.”
Jereo 26:26 f.a.p.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
Ny “kaopy” eto dia ny sitrapon’Andriamanitra momba an’i Jesosy, izay navelany ho faty rehefa nampangaina ho nanevateva an’Andriamanitra.