Matio 27:1-66

27  Nony maraina ny andro, dia nikaon-doha ny amin’ny fomba hamonoana an’i Jesosy ho faty ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy rehetran’ny vahoaka.+  Ary nafatony izy, dia nentiny ka natolony an’i Pilato governora.+  Ary i Jodasy, ilay namadika azy, dia nahita fa voaheloka i Jesosy. Koa nanenina i Jodasy ka namerina ny farantsa volafotsy telopolo+ tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy,  sady niteny hoe: “Nanota aho fa namadika olo-marina.”*+ Fa hoy ireo: “Ahoanay inona izany? Raharahanao izany!”+  Koa natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly ireo farantsa volafotsy. Ary niala teo izy, dia lasa nananton-tena.+  Naka an’ireo farantsa volafotsy anefa ny lehiben’ny mpisorona, ka nanao hoe: “Vidin-dra ireto, ka tsy azo arotsaka ao amin’ny toerana masina fitehirizan-karena.”  Ary niara-nidinika izy ireo, ka novidiny tamin’ilay vola ny sahan’ny mpanefy tanimanga, mba hatao fandevenam-bahiny.  Koa nantsoina hoe “Sahan-dra”+ io saha io mandraka androany.  Ary tanteraka izay nampilazaina an’i Jeremia mpaminany hoe: “Nalain’ireo ny farantsa volafotsy telopolo,+ izay vidiny nanombanan’ny sasany tamin’ny zanak’Israely azy. 10  Nomen’izy ireo hividianana ny sahan’ny mpanefy tanimanga+ izany, araka izay nandidian’i Jehovah ahy.” 11  Ary nijoro teo anatrehan’ny governora i Jesosy, ka nanontaniany hoe: “Ianao ve no mpanjakan’ny Jiosy?”+ Dia hoy ny navalin’i Jesosy: “Voalazanao.”+ 12  Tsy namaly+ anefa izy rehefa nampangain’ny+ lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy. 13  Ary hoy i Pilato: “Tsy renao ve ny hamaroan’ny fiampangany anao?”+ 14  Gaga be ilay governora fa tsy namaly azy izy na indraim-bava aza.+ 15  Ary fanaon’ny governora isaky ny fety ny nanafaka voafonja iray izay tian’ny vahoaka.+ 16  Ary nisy voafonja iray nalaza ratsy nantsoina hoe Barabasy,+ tamin’izay fotoana izay. 17  Koa rehefa tafangona ny olona, dia hoy i Pilato taminy: “Iza no tianareo hafahako ho anareo: i Barabasy sa i Jesosy ilay antsoina hoe Kristy?”+ 18  Fantany mantsy fa noho ny fialonana+ no nanoloran’ireo an’i Jesosy.+ 19  Ankoatra izany, raha mbola nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana i Pilato, dia nisy olona nirahin’ny vadiny hilaza taminy hoe: “Aza miditra amin’ny raharaha momba an’io olo-marina+ io ianao, fa nijaly be aho androany rehefa nanonofy+ azy.” 20  Nandresy lahatra ny vahoaka anefa ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy mba hangataka an’i Barabasy,+ fa hampamono an’i Jesosy kosa. 21  Koa nanontany azy ireo indray ny governora hoe: “Iza amin’izy roa lahy no tianareo hafahako ho anareo?” Dia hoy ireo: “Barabasy.”+ 22  Ary hoy i Pilato: “Inona àry no hataoko amin’i Jesosy, ilay antsoina hoe Kristy?” Dia hoy izy rehetra: “Aoka hofantsihana amin’ny hazo fijaliana izy!”+ 23  Ary hoy izy: “Fa nahoana? Inona no ratsy nataony?” Vao mainka anefa niantsoantso ireo hoe: “Aoka hofantsihana amin’ny hazo fijaliana izy!”+ 24  Ary hitan’i Pilato fa tsy nisy vokany izay nataony fa vao mainka nisy savorovoro. Koa naka rano izy+ ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady nilaza hoe: “Tsy tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’io* lehilahy io aho, fa raharahanareo izany.” 25  Dia hoy ny navalin’ny olona rehetra: “Izahay sy ny zanakay no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.”*+ 26  Koa nafahan’i Pilato ho an’ny vahoaka i Barabasy, fa nasainy nokaravasina+ kosa i Jesosy ka natolony hofantsihana amin’ny hazo fijaliana.+ 27  Ary nentin’ny miaramilan’ny governora nankao an-dapan’ny governora i Jesosy, ary novorin’izy ireo teo aminy ny miaramila rehetra.+ 28  Dia nesorin’ireo ny fitafian’i Jesosy, ka nampitafiany lamba mena midorehitra izy.+ 29  Nandrandrana fehiloha tsilo koa ireo ka nataony teo amin’ny lohan’i Jesosy, dia nasiany bararata teny an-tanany havanana. Ary nandohalika teo anatrehany izy ireo, ka nanao azy ho fihomehezana+ sady niteny hoe: “Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!”+ 30  Dia nororan’ireo+ izy sady nalainy ilay bararata, ka nokapohiny ny lohany. 31  Tamin’ny farany, rehefa avy nanao azy ho fihomehezana+ ireo, dia nanaisotra an’ilay lamba ka nampanao azy indray ny akanjony ivelany ary nitondra azy hofantsihana amin’ny hazo fijaliana.+ 32  Nony nivoaka izy ireo, dia nahita lehilahy iray nantsoina hoe Simona,+ teratany avy any Kyrena. Notereny hanao fanompoana io lehilahy io mba hibata ny hazo fijalian’i Jesosy. 33  Rehefa tonga teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Golgota,+ izany hoe Ikarandoha, izy ireo, 34  dia nomeny divay niharo zava-mangidy+ i Jesosy hosotroiny. Tsy nety nisotro anefa izy rehefa avy nanandrana izany.+ 35  Nony voafantsik’ireo+ izy, dia nataon’izy ireo antsapaka+ ny fizarana ny akanjony+ ivelany. 36  Ary nipetraka ireo, sady niambina azy teo. 37  Napetany terỳ ambonin’ny lohany koa ny soratra milaza ny fiampangana azy hoe: “Ity no Jesosy Mpanjakan’ny Jiosy.”+ 38  Nisy jiolahy roa koa nampiarahina taminy ka natao teo amin’ny tsato-kazo: Ny iray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany.+ 39  Koa nanomboka nanevateva+ azy ny mpandalo, sady nihivingivin-doha+ 40  no niteny hoe: “Ry ilay nilaza hoe handrodana ny tempoly+ sy hanorina azy ao anatin’ny telo andro, vonjeo ny tenanao! Raha zanak’Andriamanitra ianao, midìna avy eo amin’ny hazo fijaliana!”+ 41  Toy izany koa no nataon’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy izay samy nanao azy ho fihomehezana sady nilaza hoe:+ 42  “Ny hafa novonjeny, fa ny tenany tsy hainy vonjena! Mpanjakan’ny+ Israely izy. Aoka izy izao hidina avy eo amin’ny hazo fijaliana, dia hino azy izahay.+ 43  Nitoky tamin’Andriamanitra izy. Koa raha tia azy Andriamanitra, dia aoka hamonjy+ azy ankehitriny, satria hoy izy: ‘Zanak’Andriamanitra aho.’”+ 44  Na ireo jiolahy nampiarahina taminy teo amin’ny tsato-kazo aza mba nandatsa azy toy izany koa.+ 45  Ary nisy haizina+ nanarona an’ilay faritra manontolo, nanomboka tamin’ny ora fahenina* ka hatramin’ny ora fahasivy.+ 46  Ary tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesosy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?”, izany hoe “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?”+ 47  Rehefa nandre izany ny sasany nijoro teo, dia niteny hoe: “Miantso an’i Elia ilehio.”+ 48  Avy hatrany dia nihazakazaka naka spaonjy ny iray tamin’ireo, ary natsobony tao anaty divay marikivy+ izany ka nataony teo amin’ny bararata iray, dia nomeny hosotroin’i Jesosy.+ 49  Hoy anefa ny hafa rehetra: “Avelao izy! Aoka hojerentsika raha ho avy hamonjy azy i Elia.”+ [[Naka lefona ny lehilahy hafa iray ka nanindrona ny takibany, dia nisy ra sy rano nivoaka.]]+ 50  Ary niantsoantso mafy indray i Jesosy, dia tapitra ny ainy.+ 51  Ary nitriatra roa hatrany ambony ka hatrany ambany ilay ridao+ tao amin’ny toerana masina,+ dia nihovotrovotra ny tany, ary nitresaka ny vatolampy.+ 52  Nisokatra koa ny fasana ka maro ny faty nitsangana, dia ny fatin’ny olona masina izay efa nodimandry,* 53  ka hitan’ny olona maro.—Ary niditra tao amin’ny tanàna masina+ ny olona avy tany am-pasana, taorian’ny nitsanganan’i Jesosy.— 54  Fa rehefa nahita an’ilay horohoron-tany sy izay nitranga ilay manamboninahitra sy ireo niaraka taminy niambina an’i Jesosy, dia natahotra be ka nilaza hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa io.”+ 55  Ankoatra izany, dia nisy vehivavy maro teo, nijery teny lavidavitra teny.+ Efa nanaraka an’i Jesosy nanomboka tany Galilia izy ireo mba hikarakara azy.+ 56  Anisan’ireny i Maria Magdalena, ary koa i Maria renin’i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ny zanak’i Zebedio.+ 57  Rehefa harivariva ny andro, dia nisy lehilahy mpanankarena iray nantsoina hoe Josefa, avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesosy koa,+ 58  nankany amin’i Pilato ka nangataka ny fatin’i Jesosy.+ Ary nandidy ny hanomezana azy izany i Pilato.+ 59  Koa nalain’i Josefa ny faty ka nofonosiny tao anaty lamba madio vita tamin’ny rongony tena tsara,+ 60  dia napetrany tao amin’ny fasany+ vaovao nolavahany teo amin’ny vatolampy. Ary nanakodia vato be teo am-baravaran’ilay fasana izy, dia lasa.+ 61  Fa i Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray kosa nijanona teo ihany, nipetraka teo anoloan’ny fasana.+ 62  Ny ampitson’iny, taorian’ny Andro Fiomanana,+ dia nivory teo anatrehan’i Pilato ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo 63  ka nilaza hoe: “Tompoko, tsaroanay izay nolazain’iny mpisandoka iny fony fahavelony hoe: ‘Hitsangana aho rehefa afaka telo andro.’+ 64  Koa asaivo atao tsara ambina ny fasana hatramin’ny andro fahatelo, sao ho avy ny mpianany ka hangalatra+ azy ary hilaza amin’ny olona hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy!’ Dia ho ratsy noho ny voalohany izany fisandohana farany izany.” 65  Koa hoy i Pilato taminy: “Manana mpiambina+ ianareo. Mandehana ataovy tsara ambina araka izay vitanareo ny fasana.” 66  Koa lasa izy ireo nanisy tombo-kase ny vato+ sy nametraka mpiambina mba hiarovana ny fasana.

Fanamarihana

A.b.t.: “ra marina.”
A.b.t.: “ran’io.”
A.b.t.: “Ho aminay sy ny zanakay ny rany.”
Tamin’ny 12 antoandro teo ho eo.
A.b.t.: “natory.”