Matio 6:1-34
6 “Mitandrema sao ny mba ho hitan’ny olona fotsiny no antony anaovanareo ny marina+ eo anatrehany. Raha izany mantsy, dia tsy hahazo valisoa avy amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
2 Koa rehefa manome zavatra ianao ho fiantrana ny mahantra,+ dia aza mitsoka trompetra+ eo alohanao, toy ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny synagoga sy eny an-dalana mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany rehetra.
3 Fa ianao kosa raha manome zavatra ho fiantrana ny mahantra, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havanana,
4 mba hatao ao amin’ny miafina ny fiantranao. Ary hamaly soa anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina.+
5 “Rehefa mivavaka koa ianareo, dia aza manao toy ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana+ ao amin’ny synagoga sy eny an-joron-dalambe mba ho hitan’ny olona.+ Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany rehetra.
6 Fa ianao kosa rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao,+ ary rehefa voakatonao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny miafina.+ Ary hamaly soa anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina.
7 Rehefa mivavaka anefa ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana,+ toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.
8 Koa aza manahaka azy ianareo, fa fantatr’Andriamanitra Rainareo izay ilainareo,+ raha mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.
9 “Koa mivavaha toy izao ianareo:+
“‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina+ anie ny anaranao!+
10 Ho tonga anie ny fanjakanao!+ Hatao etỳ an-tany+ anie ny sitraponao,+ tahaka ny any an-danitra!
11 Omeo anay anio izay hanina* sahaza anay anio,+
12 ary mamelà ny helokay,* tahaka ny namelanay izay meloka* taminay.+
13 Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy,+ fa manafaha anay amin’ilay ratsy.’+
14 “Raha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra.+
15 Fa raha tsy mamela ny heloky ny olona kosa ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.+
16 “Rehefa mifady hanina+ ianareo, dia aza malahelo tarehy intsony toy ny mpihatsaravelatsihy, fa tsy karakarainy ny tarehiny mba hahitan’ny olona fa mifady hanina izy.+ Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany rehetra.
17 Fa ianao kosa rehefa mifady hanina, dia hosory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao,+
18 mba ho ny Rainao izay ao amin’ny miafina,+ fa tsy ny olona, no hahita fa mifady hanina ianao. Ary hamaly soa anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina.
19 “Aza manangona harena+ ho anareo intsony etỳ an-tany, izay misy bibikely* sy harafesina manimba, ary misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.
20 Manangòna kosa harena ho anareo any an-danitra,+ izay tsy misy bibikely na harafesina manimba,+ sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.
21 Fa any amin’izay misy ny harenanao, dia ho any koa ny fonao.
22 “Ny maso+ no jiron’ny vatana. Koa raha tsotra* ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo,
23 fa raha mifantoka amin’ny zava-dratsy kosa ny masonao,*+ dia ho maizina ny tenanao manontolo. Ary raha haizina ny hazavana ao aminao, dia ho haizim-pito tokoa izany!+
24 “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany,+ na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena+ ianareo.
25 “Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy intsony+ ny amin’ny ainareo,* dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.+ Tsy mihoatra noho ny sakafo ve ny aina, ary ny vatana noho ny fitafiana?+
26 Jereo tsara ny voro-manidina:+ Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny, nefa ny Rainareo izay any an-danitra manome sakafo azy. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?+
27 Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely* monja aza, rehefa manahy?+
28 Nahoana koa ianareo no manahy ny amin’ny fitafiana? Diniho tsara ny fanirin’ny lisy+ any an-tsaha. Tsy misasatra na manao kofehy ireny,
29 nefa lazaiko aminareo fa na i Solomona+ tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny iray amin’ireny.
30 Raha ny zavamaniry any an-tsaha, izay any ihany anio ary hatsipy ao anaty afo* rahampitso, no ampitafian’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana?+
31 Koa aza manahy mihitsy+ ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’
32 Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.+
33 “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany,+ dia homena anareo koa izany rehetra izany.+
34 Koa aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso,+ fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.
Fanamarihana
^ A.b.t.: “mofo.”
^ A.b.t.: “trosanay.”
^ A.b.t.: “nitrosa.”
^ A.b.t.: “koroka.”
^ Na: “madio; mifantoka amin-javatra iray.”
^ A.b.t.: “ratsy ny masonao.”
^ Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
^ A.b.t.: “iray hakiho.”
^ A.b.t.: “lafaoro.”