Matio 7:1-29

7  “Aza mitsara+ intsony mba tsy hotsaraina,  fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo,+ ary araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.+  Koa nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy mba heverinao?+  Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: ‘Aleo hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao’, nefa jereo fa misy vatan-kazo eo amin’ny masonao?+  Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao, dia ho hitanao tsara ny hanesorana ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.  “Aza omena ny alika ny zava-masina,+ ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny perla any aminareo sao hohitsakitsahiny,+ dia hifotitra aminareo izy ka hamiravira anareo.  “Mangataha foana,+ dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana,+ dia hovohana ianareo.  Fa izay mangataka no mahazo,+ ary izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.  Iza tokoa moa aminareo raha angatahan’ny zanany+ mofo no hanome azy vato? 10  Ary raha angatahany trondro no hanome azy bibilava? 11  Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza,+ mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra! Hanome zava-tsoa+ ho an’izay mangataka aminy izy. 12  “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo+ àry, dia mba ataovy aminy koa. Izany, raha ny marina, no tian’ny Lalàna sy ny Mpaminany hambara.+ 13  “Midira amin’ny vavahady tery.+ Fa lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditra any. 14  Tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.+ 15  “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka+ tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak’ondry+ izy ireny nefa ao anatiny ao amboadia+ mpiremby. 16  Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo+ tsara azy ireny. Mioty voaloboka na aviavy eny amin’ny tsilo ve ny olona?+ 17  Toy izany koa fa ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.+ 18  Tsy mety mamoa voa ratsy ny hazo tsara, ary tsy mety mamoa voa tsara ny hazo ratsy. 19  Hokapaina ka hatsipy any anaty afo ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara.+ 20  Koa ny voa izay vokariny àry no hahafantaranareo tsara an’ireny olona ireny.+ 21  “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao+ ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.+ 22  Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô,+ moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’+ 23  Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo!+ Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.+ 24  “Koa izay rehetra mandre izany teniko izany ka mankatò, dia hoharina amin’ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy.+ 25  Ary latsaka ny orana ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany. Tsy nirodana anefa ilay trano, satria naorina teo ambony vatolampy. 26  Fa izay rehetra mandre izany teniko izany ka tsy mankatò+ kosa, dia hoharina amin’ny lehilahy adala+ izay nanorina ny tranony teo ambony fasika. 27  Ary latsaka ny orana ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra namely izany trano+ izany. Dia nirodana ilay trano, ary mafy ny fianjerany.”+ 28  Rehefa vitan’i Jesosy izany teny izany, dia nitolagaga+ ny vahoaka noho ny fomba fampianany. 29  Nampianatra azy toy ny manana fahefana+ mantsy izy, fa tsy toy ny mpanora-dalàna teo aminy.

Fanamarihana