Mpitoriteny 1:1-18
1 Ny tenin’ilay mpamory vahoaka,+ dia ilay zanak’i Davida, ilay mpanjaka eto Jerosalema.+
2 “Tena zava-poana!”,+ hoy ilay mpamory vahoaka, “tena zava-poana! Zava-poana ny zava-drehetra!”+
3 Inona no tombony azon’ny olona avy amin’ny asa+ mafy rehetra nisasarany etỳ ambanin’ny masoandro?+
4 Lasa ny taranaka iray,+ ary mandimby ny taranaka iray,+ fa ny tany kosa maharitra mandrakizay.+
5 Miposaka ny masoandro, ary milentika,+ sady maika erỳ ho any amin’ny fonenany, ka avy any indray no iposahany.+
6 Mianatsimo ny rivotra, ary mihodina mianavaratra.+ Mihodina izy, eny, mihodinkodina tsy misy farany,+ ary miverina mihodina indray.+
7 Mivarina any an-dranomasina+ ny renirano+ rehetra, nefa tsy tondraka ny ranomasina.+ Any amin’izay niavian’ny renirano ihany no iverenany, ary avy any indray izy no mikoriana.+
8 Mandreraka+ daholo ny zava-drehetra ary tsy ho voatanisa izany. Tsy mety leon’ny mijery ny maso,+ ary tsy mety afa-po koa ny sofina.+
9 Izay efa nitranga ihany no mbola hitranga,+ ary izay efa natao ihany no mbola hatao. Koa tsy misy zava-baovao etỳ ambanin’ny masoandro.+
10 Misy afaka milaza ve hoe: “Jereo fa misy zava-baovao ity”? Tsy zava-baovao anefa izany fa efa nisy hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+ Ary izay misy dia efa nisy talohantsika ihany.+
11 Tsy tsaroana intsony ny olona efa taloha, ary tsy hotsaroana koa ireo mbola ho avy.+ Ary na ireo aza dia tsy hotsaroan’izay ho avy any aoriany koa.+
12 Izaho mpamory vahoaka dia mpanjakan’ny Israely eto Jerosalema.+
13 Niezaka tamin’ny foko manontolo aho mba hitady sy hikaroka fahendrena+ momba izay rehetra atao etỳ ambanin’ny lanitra, dia izay asa mampahory nomen’Andriamanitra hataon’ny zanak’olombelona.+
14 Dia nodinihiko izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro,+ ka hitako fa ny zava-drehetra dia zava-poana sy toy ny misambo-drivotra fotsiny.+
15 Izay mibilaka dia tsy azo ahitsy,+ ary izay tsy eo tsy azo isaina.
16 Hoy aho anakampo:+ “Nanjary nanam-pahendrena be aho, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema,+ ary misy fahendrena sy fahalalana be koa ato am-poko.”+
17 Ary niezaka tamin’ny foko manontolo aho mba hahalala ny atao hoe fahendrena sy ny atao hoe hadalana,+ ka dia fantatro tsara ny atao hoe fahadalana.+ Izany koa anefa dia toy ny misambo-drivotra fotsiny.+
18 Fa rehefa be ny fahendrena dia be koa ny fahasosorana,+ hany ka mitombo ny fahorian’izay mitombo fahalalana.+