Mpitoriteny 2:1-26

2  Hoy aho anakampo:+ “Aoka ny fifaliana no hizahako toetra anao,+ ka aoka ianao ho finaritra+ amin’ny zava-tsoa.” Hitako anefa fa zava-poana koa izany.  Hoy aho tamin’ny fihomehezana: “Hadalana!”,+ ary tamin’ny fifaliana:+ “Tsy mitondra mankaiza!”  Namantatra ny atao hoe hadalana aho, ka namalifaly ny tenako tamin’ny divay,+ nefa mbola ny fahendrena ihany no nitarika ahy.+ Eny, namantatra ny atao hoe hadalana aho mandra-pahitako hoe inona no tsara ho an’ny zanak’olombelona, amin’izay ataony etỳ ambanin’ny lanitra, mandritra ny androm-piainany.+  Nanao asa lehibe maro ho ahy aho:+ Nanorina trano+ maro, nanao tanimboaloboka+ betsaka,  nanao zaridaina sy saha,+ namboly hazo fihinam-boa isan-karazany tao,  ary nanamboatra dobo+ maro mba hanondrahana ireo zana-kazo+ tao an’ala.  Nahazo mpanompo maro lahy sy vavy koa aho,+ ary nahazo mpanompo+ teraka tao an-tranoko. Nanana biby fiompy aho, dia omby sy ondry aman’osy maro dia maro, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.+  Nahangona volafotsy sy volamena aho,+ ary koa zavatra hafa izay tsy ananan’olon-tsotra, fa ny mpanjaka sy ny faritany ihany no manana azy.+ Nahazo mpihira lahy sy vavy+ be dia be aho, ary vehivavy maro,+ izay tena fahafinaretana+ ho an’ny zanak’olombelona.  Nisandratra aho, ary nitombo fananana mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.+ Mbola nanam-pahendrena foana anefa aho.+ 10  Tsy nihafihafy mihitsy aho, fa izay nirin’ny masoko dia tsy maintsy azoko.+ Navelako hanaram-po tamin’izay mety ho fifaliana ny foko, satria nahafaly ny foko ny asa mafy rehetra nataoko.+ Izany no valisoa azoko noho ny asa mafy rehetra nataoko.+ 11  Ary nitodika aho nijery ny asa rehetra nataon’ny tanako sy ny asa mafy rehetra niezahako mafy hotanterahina.+ Dia hitako fa zava-poana ny zava-drehetra sady toy ny misambo-drivotra fotsiny,+ ary tsy misy mahasoa etỳ ambanin’ny masoandro.+ 12  Ary nitodika aho nandinika ny fahendrena+ sy ny fahadalana ary ny fahaverezan-tsaina.+ Koa inona moa no mba ho vitan’izay olona handimby ny mpanjaka? Tsy inona fa izay efa natao teo aloha ihany. 13  Dia hitako fa misy tombony kokoa noho ny fahadalana ny fahendrena.+ Misy tombony toy izany koa ny hazavana raha oharina amin’ny haizina.+ 14  Mahita tsara izay lalan-kizorany ny hendry,*+ fa mandeha ao anaty haizim-pito kosa ny adala.+ Ary fantatro ankehitriny fa mitovy ihany ny iafaran’izy rehetra.+ 15  Dia hoy aho anakampo:+ “Hitovy amin’izay hiafaran’ny adala+ ihany no hiafarako.”+ Koa naninona re aho tamin’izany fotoana izany no niezaka hanana fahendrena be+ e? Dia hoy aho anakampo: “Zava-poana koa izany.” 16  Samy tsy tsaroana mandritra ny fotoana tsy voafetra na ny hendry na ny adala.+ Amin’ny andro ho avy dia samy ho efa hadino tanteraka izy. Ary ahoana no hahafatesan’ny hendry? Toy ny ahafatesan’ny adala ihany.+ 17  Koa halako ny fiainana,+ satria amiko dia mampahory ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro.+ Fa zava-poana sy toy ny misambo-drivotra fotsiny ny zava-drehetra.+ 18  Ary halako koa ny asa mafy rehetra nisasarako tetỳ ambanin’ny masoandro,+ izay avelako ho an’ny olona handimby ahy.+ 19  Ary iza no mahalala raha ho hendry ilay olona na ho adala?+ Nefa dia izy no hanjaka amin’izay rehetra niasako mafy sy nisasarako ary nanehoako fahendrena tetỳ ambanin’ny masoandro.+ Zava-poana koa izany. 20  Dia nanjary namoy fo+ aho noho ny asa mafy rehetra nisasarako tetỳ ambanin’ny masoandro. 21  Fa misy olona miasa mafy ka mampiasa ny fahendreny sy ny fahalalany ary ny fahaizany,+ nefa olona tsy niasa mafy tamin’izany akory no hahazo ny fananany.+ Zava-poana koa izany sady fahavoazana lehibe.+ 22  Fa inona no soa azon’ny olona amin’ny asa mafy rehetra ataony sy ny fikirizan’ny fony amin’ny asa mafy etỳ ambanin’ny masoandro?+ 23  Fa fahoriana sy fahasosorana foana no hitany amin’ny asany, mandritra ny androm-piainany.+ Tsy tony koa ny fony mandritra ny alina.+ Tena zava-poana koa izany. 24  Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana, sy misotro, ary mifaly noho ny asa mafy ataony.+ Hitako koa fa avy amin’Andriamanitra* izany.+ 25  Fa iza no nihinana+ sy nisotro zavatra tsara kokoa noho izaho?+ 26  Ny olona ankasitrahan’Andriamanitra+ no omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana,+ fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba homena an’izay ankasitrahan’Andriamanitra.+ Zava-poana koa izany, sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.+

Fanamarihana

A.b.t.: “Eo amin’ny lohany ny mason’ny hendry.”
Jereo F.F. 1G.