Mpitoriteny 4:1-16

4  Ary nandinika indray aho mba hahitako ny fampahoriana+ rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro, ka hitako ny ranomason’ny ampahorina,+ nefa izy tsy nisy nampionona.+ Teo am-pelatanan’izay nampahory azy mantsy ny fahefana, ka tsy mba nisy nampionona izy.  Amiko dia sambatra ny olona efa maty, raha oharina amin’izay mbola velona.+  Mbola sambatra noho izy roa tonta anefa izay mbola tsy ary,+ eny, sambatra izy satria tsy mahita ny asa mampahory atao etỳ ambanin’ny masoandro.+  Ary hitako fa fifandrafiana+ no mahatonga ny asa mafy rehetra sy ny fahaiza-miasa rehetra.+ Zava-poana koa izany, sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.  Kamo miasa+ ny adala, ka toy ny mihinana ny tenany ihany.+  Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.+  Ary nandinika indray aho mba hahitako ny zava-poana etỳ ambanin’ny masoandro:  Misy olona irery sady tsy mba mana-namana,+ na zanaka na rahalahy,+ nefa tsy misy farany ny asa mafy ataony. Tsy afa-po amin’ny harena koa ny masony.+ Ary hoy izy: “Ho an’iza no iasako mafy sy ihafiako tsy hankafy zava-tsoa?”+ Zava-poana koa izany sady asa mampahory.+  Tsara ny roa noho ny iray,+ satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony.+ 10  Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany.+ Fa hanao ahoana kosa ilay lavo, raha tsy misy olon-kafa hanarina azy?+ 11  Raha miara-matory ny roa dia hafana, fa ahoana kosa no hampahafana ny olona iray monja?+ 12  Ny olon-tokana mety ho resin’ny olona iray, fa raha olon-droa kosa hahatohitra azy.+ Ary ny tady randran-telo tsy mora tapahina. 13  Aleo ankizy mahantra nefa hendry,+ toy izay mpanjaka antitra nefa adala,+ izay tsy mahatsapa intsony hoe mila fampitandremana.+ 14  Avy tao am-ponja izy no lasa mpanjaka,+ na dia teraka mahantra aza izy tao amin’io fanjakana io.+ 15  Hitako ny velona rehetra izay mandehandeha etỳ ambanin’ny masoandro, ary hitako koa ny nanjo an’ilay ankizy, izay nandimby toerana an’ilay mpanjaka.+ 16  Toa tsy misy farany ny vahoaka mpomba azy, dia ireo rehetra anjakany.+ Atỳ aoriana anefa, dia tsy ho faly aminy intsony ny vahoaka.+ Zava-poana koa izany, sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.+

Fanamarihana