Mpitoriteny 5:1-20

5  Mahaiza mitondra tena+ rehefa mankao an-tranon’Andriamanitra ianao. Aleo manatona mba hihaino,+ toy izay manao sorona sahala amin’ny fanaon’ny adala.+ Tsy tsapany akory mantsy fa ratsy ny ataony.+  Aza faingam-bava, ary aoka ny fonao+ tsy hanosika anao halaky hiteny eo anatrehan’Andriamanitra.+ Fa any an-danitra izy+ ary ianao kosa etỳ an-tany, ka aoka ho vitsy ny teninao.+  Ny habetsahan’ny zavatra atao no mahatonga nofy,+ ary ny habetsahan’ny teny lazaina no mahatonga olona hirediredy toy ny adala.+  Raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, dia efao izany+ fa aza mangataka andro, satria tsy hahazo sitraka ny adala.+ Koa efao ny voadinao.+  Aleo tsy mivoady,+ toy izay mivoady nefa tsy manefa.+  Aza avela hampanota anao ny vavanao,+ ary aza miteny eo anatrehan’ny anjely+ hoe: “Diso aho tamin’iny.”+ Nahoana no ho tezitra aminao Andriamanitra noho ny teninao, ka handrava ny asan’ny tananao?+  Fa ny habetsahan’ny zavatra atao no mahatonga nofy,+ sady mahamaro ny zava-poana sy ny teny aloaky ny vava. Matahora anefa an’Andriamanitra.+  Aza atao mahagaga anao ny mahita ny fampahoriana ny mahantra sy ny fanitsakitsahana ny rariny+ sy ny hitsiny ao amin’ny faritany,+ fa ilay ambony kokoa noho ny ambony+ dia manara-maso,+ ary mbola misy aza ny ambony noho ireo.  Iombonan’izy rehetra ny tombontsoa azo avy amin’ny tany,+ ary mahazo izay ilainy ny mpanjaka rehefa volena ny saha.+ 10  Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony.+ Zava-poana koa izany.+ 11  Raha mitombo ny harena, dia mitombo koa ny mpihinana azy.+ Ary inona moa no soa azon’ny tompony amin’izany afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny?+ 12  Mamy ny torimason’ny+ mpanompo, na kely na be ny sakafony, fa ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory. 13  Misy zava-doza lehibe hitako etỳ ambanin’ny masoandro, dia ny harena tehirizin’ny tompony nefa mitondra loza ho azy.+ 14  Ary fongana izany harena izany+ satria nampidi-kizo azy ny asa nataony, ary nitera-dahy izy nefa tsy misy na inona na inona intsony eo am-pelatanany.+ 15  Mitanjaka ny olona rehefa mivoaka avy ao an-kibon-dreniny, ary toy izany koa izy rehefa lasa,+ eny, mitanjaka toy ny tamin’izy teraka ihany. Tsy mahatondra na inona na inona+ avy amin’izay nisasarany izy, eny, tsy misy azony entina manaraka azy. 16  Eo koa izao fahavoazana lehibe izao: Toy ny niavian’ny olona ihany no hahalasanany. Koa inona moa no tombony azon’izay miasa mafy ho an’ny rivotra?+ 17  Toy ny hoe mihinan-kanina ao anatin’ny haizina izy mandritra ny androm-piainany, sady sorena+ sy marary ary tezitra. 18  Ny zavatra tsara indrindra hitako, eny, izay tena tsara ho an’ny olona, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly noho ny asa mafy+ nisasarany tetỳ ambanin’ny masoandro, mandritra ny androm-piainana nomen’Andriamanitra azy, fa izany no valisoany. 19  Izay rehetra nomen’Andriamanitra harena sy fananana+ dia nomeny fahafahana hihinana amin’izany+ koa, ka handray ny valisoany sy hifaly amin’ny asa mafy ataony.+ Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.+ 20  Fa mahalana izy vao hahatsiaro ny androm-piainany, satria ataon’Andriamanitra revo amin’ny zavatra mahafaly ny fony izy.+

Fanamarihana