Mpitoriteny 6:1-12

6  Misy zava-mampahory hitako etỳ ambanin’ny masoandro, ary fahita eo amin’ny olombelona izany:  Misy olona omen’Andriamanitra harena sy fananana ary voninahitra,+ sady tsy misy mahory azy fa azony daholo izay iriny,+ nefa tsy avelan’Andriamanitra hihinana amin’izany izy,+ fa olon-kafa+ indray no mihinana amin’izany. Zava-poana izany sady tena mampahory.  Na dia miteraka zato+ aza ny lehilahy iray, ary velona taona maro ka lava andro iainana,+ nefa tsy afa-po amin-java-tsoa+ ary tsy mety tonga ao am-pasana,+ dia hoy aho hoe ny zaza maty teo am-piterahana aza tsara kokoa noho izy.+  Fa zava-poana ny nahatongavan’izany zaza izany, ary ao anaty haizina no ahalasanany, ary ho rakotry ny haizina ny anarany.+  Tsy nahita masoandro izy sady tsy nahalala ny atao hoe masoandro.+ Miadana noho ralehilahy anefa izy.+  Ary na dia atao hoe velona roa arivo taona aza ralehilahy, nefa tsy finaritra amin’ny zava-tsoa,+ angaha moa tsy toerana iray ihany no alehan’ny olon-drehetra?+  Ny asa mafy rehetra ataon’ny olona dia ho an’ny vavany,+ nefa mbola tsy afa-po ihany izy.  Inona no tombony ananan’ny hendry raha oharina amin’ny adala?+ Ary inona no tombony azon’ny mahantra raha hainy ny mitondra tena eo anatrehan’ny velona?  Aleo mifaly amin’izay hitan’ny maso toy izay avezivezin’ny faniriana.+ Zava-poana koa izany, sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.+ 10  Izay misy dia ny efa voatonona anarana ihany, ary fantatra koa ny maha izy ny olombelona.+ Tsy afaka mifandahatra amin’izay mahery noho ny tenany izy.+ 11  Betsaka ny zavatra mahatonga ny zava-poana ho maro,+ koa inona no tombony ananan’ny olona amin’izany? 12  Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona mandritra ny androm-piainany,+ eo amin’izao fiainana poakaty sy mandalo toy ny aloka izao?+ Fa iza no hilaza amin’ny olona izay hitranga etỳ ambanin’ny masoandro aorian’ny ahalasanany?+

Fanamarihana