Mpitoriteny 7:1-29

7  Aleo laza tsara* toy izay menaka manitra,+ ary aleo ny andro ahafatesana toy izay ny andro ahaterahana.+  Aleo mankany amin’ny trano misy fisaonana toy izay mankany amin’ny trano misy fanasana,+ satria fahafatesana no iafaran’ny olombelona rehetra, ka hisaintsaina izany ny velona.  Aleo alahelo toy izay fihomehezana,+ satria manatsara fo ny endrika manjombona.+  Ao amin’ny trano misy fisaonana ny fon’ny hendry,+ fa ao amin’ny trano misy fifaliana kosa ny fon’ny adala.+  Aleo mihaino ny anatra mafy omen’olon-kendry+ toy izay mandre ny hiran’ny adala.+  Fa toy ny firefotry ny tsilo ao ambany vilany ny fihomehezan’ny adala.+ Zava-poana koa izany.  Mety hahatonga ny hendry hanao adaladala ny fampahoriana.+ Ary mampiova ny ao am-po+ ny kolikoly.+  Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany.+ Aleo olona manam-paharetana toy izay olona mihevi-tena ho ambony.+  Aoka ianao tsy ho mora tezitra,+ fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.+ 10  Aza manao hoe: “Fa nahoana re no tsara noho ny ankehitriny ny taloha e?”+ Tsy fahendrena+ mantsy ny hametrahanao izany fanontaniana izany. 11  Tsara sady mahasoa an’izay mahita masoandro ny fahendrena sy ny lova.+ 12  Fiarovana ny fahendrena,+ ary fiarovana koa ny vola.+ Izao anefa ny tombony azo amin’ny fahalalana: Rehefa ampiarahina amin’ny fahendrena izy dia miaro ny ain’izay manana azy.+ 13  Diniho ny asan’Andriamanitra,+ fa iza no afaka manitsy an’izay efa nataony mibilaka?+ 14  Amin’ny andro mahafaly dia mifalia,+ ary amin’ny andro mahory dia aoka ho fantatrao fa samy nataon’Andriamanitra na ny andro mahafaly na ny andro mahory,+ mba tsy hahafantaran’ny olombelona izay hitranga any aoriany.+ 15  Efa hitako daholo ny zava-drehetra, nandritra ny fiainana poakaty nananako.+ Misy olo-marina maty nefa nanao ny tsara,+ ary misy ratsy fanahy ela velona nefa manao ratsy.+ 16  Aza marina loatra,+ ary aza miseho ho hendry loatra.+ Fa nahoana no dia hanimba tena ianao?+ 17  Aza ratsy toetra loatra koa,+ ary aza manao adaladala.+ Fa nahoana no ho faty ianao nefa mbola tsy fotoana tokony hahafatesanao?+ 18  Tsara raha fikirinao ny iray, nefa tsy avelanao koa ilay iray.+ Fa tsy hisy hanjo an’izay matahotra an’Andriamanitra izany rehetra izany.+ 19  Ny fahendrena no mahatonga ny hendry hahery kokoa noho ny lehilahy folo mifehy tanàna iray.+ 20  Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.+ 21  Aza raisina am-po daholo ny teny rehetra lazain’ny olona,+ sao handre ny mpanomponao hanozona anao ianao.+ 22  Fantatrao tsara mantsy fa na ianao koa aza mba efa nanozona ny hafa imbetsaka koa.+ 23  Nampiasa fahendrena aho mba hitsapako izany rehetra izany. Hoy aho: “Ho hendry aho.” Lavitra ahy anefa ny fahendrena.+ 24  Tsy takatry ny saina sady lalina dia lalina ny zava-mitranga rehetra. Iza no mahafantatra izany?+ 25  Niezaka tamin’ny foko manontolo aho+ mba hamantatra sy handinika ary hikaroka ny fahendrena+ sy ny anton-javatra,+ ary mba hamantatra ny maha ratsy ny hadalana sy ny maha hadalana ny fahaverezan-tsaina.+ 26  Dia izao no hitako: Mangidy noho ny fahafatesana+ ny vehivavy toy ny fandrika harato, sady manana fo sahala amin’ny harato tarihina ary tanana toy ny gadra vy.+ Ankasitrahan’Andriamanitra ny olona raha afa-miala amin’ny vehivavy toy izany, fa manota kosa izay azony.+ 27  “Ary izao no hitako”, hoy ilay mpamory vahoaka,+ “rehefa nodinihiko tsirairay ny zava-drehetra, mba hahitako izay hamintinako azy,+ 28  eny, nikaroka foana an’izay hamintinako azy aho, nefa tsy nahita. Lehilahy iray tamin’ny arivo no hitako fa marina,+ ary tamin’ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako ho marina na iray aza.+ 29  Izao ihany no hitako: Mahitsy fo no nanaovan’Andriamanitra ny olombelona,+ saingy nitady tetika maro izy ireo.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “anarana.”