Mpitoriteny 8:1-17

8  Iza no tahaka ny olon-kendry?+ Iza no mahay manazava ny hevitry ny zava-mitranga?+ Ny fahendren’ny olona no mahatonga ny tarehiny hamiratra, ary na ny endriny manjombona aza dia lasa miramirana.+  Hoy aho: “Ankatoavy ny didin’ny mpanjaka,+ noho ny fianianana natao tamin’Andriamanitra.+  Aza maika hiala eo anatrehan’ny mpanjaka.+ Ary aza mikiry manao ratsy,+ fa azony atao daholo ange izay tiany hatao e!+  Manan-kery mantsy ny tenin’ny mpanjaka,+ ka iza no afaka hilaza aminy hoe: ‘Inona ity ataonao?’”  Tsy hisy loza hanjo an’izay mankatò ny didy.+ Ary ho fantatry ny olona manana fo hendry fa mbola ho avy ny fotoana sy ny fitsarana.+  Fa misy fotoanany avy ny zava-drehetra ary ny raharaha rehetra dia hotsaraina avokoa,+ satria be dia be ny fahoriana mahazo ny olombelona.+  Tsy misy mahalala izay ho avy,+ ary iza tokoa moa no afaka hilaza aminy izay ho avy?  Tsy misy manana fahefana amin’ny aina ka hoe hahatana ny ainy,+ ary tsy ananan’ny olona fahefana koa ny andro ahafatesany,+ sady tsy misy afa-miala amin’ny ady.+ Ary tsy havelan’ny faharatsiana ho afa-maina izay manaram-po amin’ny ratsy.+  Efa hitako daholo izany rehetra izany, ary niezaka tamin’ny foko manontolo aho mba handinika ny asa rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro. Nandritra izany fotoana izany, dia nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.+ 10  Na izany aza anefa, dia hitako ny nandevenana ny ratsy fanahy,+ ary ny nahatongavany sy ny nahalasanany tsy ho eo amin’ny toerana masina.+ Tsy tsaroana intsony izy ireny, tao amin’ny tanàna nanaovany ny asa ratsiny.+ Zava-poana koa izany. 11  Koa satria tsy tanterahina haingana ny fanamelohana noho ny ratsy natao,+ dia mikiry manao ratsy ny fon’ny zanak’olombelona.+ 12  Na dia manao ratsy injato aza ny mpanota,+ sady ela velona ka manao izay tiany, dia fantatro kosa fa ho tsara fiafara ireo matahotra an’Andriamanitra,+ satria natahotra Azy.+ 13  Ho ratsy fiafara kosa ny ratsy fanahy,+ sady tsy ho afaka hanalava ny androm-piainany, izay toy ny aloka,+ satria tsy natahotra an’Andriamanitra izy.+ 14  Izao koa ny zava-poana mitranga eto ambonin’ny tany: Misy olo-marina iharan’ny valin’asan’ny ratsy fanahy,+ ary misy ratsy fanahy mioty ny vokatry ny asan’ny olo-marina.+ Hoy aho: “Zava-poana koa izany.” 15  Ary noderaiko ny fifaliana,+ satria etỳ ambanin’ny masoandro dia tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary mifaly. Ary tokony hahatsapa fifaliana foana izy amin’ny asa mafy ataony, mandritra ny androm-piainana+ nomen’Andriamanitra azy etỳ ambanin’ny masoandro.+ 16  Koa niezaka tamin’ny foko+ manontolo aho mba hahalala ny atao hoe fahendrena sy handinika ny asa atao etỳ ambonin’ny tany.+ Misy olona tsy mandry andro tsy mandry alina+ mantsy noho izany asa izany. 17  Ary hitako ny asa rehetra nataon’Andriamanitra.+ Hitako koa fa tsy ho vitan’ny olombelona ny hamantatra ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro.+ Na miezaka mafy toy inona aza izy mba hitady izany, dia tsy hahita.+ Ary na dia hilaza aza izy fa manana ny fahendrena ilaina mba hahalalana izany,+ dia mbola tsy hahafantatra ihany.+

Fanamarihana