Mpitoriteny 9:1-18

9  Izao no noraketiko tato am-poko rehefa nanao fikarohana aho:+ Eo an-tanan’Andriamanitra ny olo-marina sy ny hendry, mbamin’ny asan’izy ireo.+ Samy tsy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana nisy talohany.+  Mitovy ny manjo ny olon-drehetra.+ Mitovy ny iafaran’ny+ marina+ sy ny ratsy fanahy,+ ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny manao sorona sy ny tsy manao. Mitovy ihany ny tsara fanahy sy ny mpanota,+ ary mitovy koa ny manao fianianana sy ny matahotra ny hanao fianianana.+  Izao no zava-mampahory hitako, amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro: Feno faharatsiana ny fon’ny zanak’olombelona+ satria mitovy ihany ny iafaran’izy rehetra.+ Misy hadalana+ ao am-pony mandritra ny androm-piainany, ary avy eo dia lasa any amin’ny maty izy!+  Raha mbola anisan’ny velona ny olona iray dia mbola misy ny fanantenana, satria aleo alika velona+ toy izay liona maty.+  Fa fantatry ny velona fa ho faty izy,+ fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,+ sady tsy mahazo valin-kasasarana intsony, satria hadino izay nahatsiarovana azy.+  Efa foana koa ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany.+ Tsy misy anjarany intsony amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro.+  Mandehana, hano amim-pifaliana ny sakafonao, ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao,+ satria sitrak’Andriamanitra ny asanao.+  Aoka ho fotsy foana ny akanjonao,+ ary aoka hisy menaka foana ny lohanao.+  Ankafizo ny fiainana iarahanao amin’ny vady malalanao,+ mandritra ny fiainana poakaty nomen’Andriamanitra anao etỳ ambanin’ny masoandro, eny, mandritra ny androm-piainanao, izay zava-poana ihany. Izany mantsy no valisoanao eo amin’ny fiainana+ sy valisoanao noho ny asa mafy isasaranao etỳ ambanin’ny masoandro. 10  Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo,+ fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana+ na fahendrena+ ao amin’ny Fasana,*+ izay toerana halehanao.+ 11  Nandinika indray aho ka izao no hitako etỳ ambanin’ny masoandro: Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena,+ ary tsy ny mahery no mandresy,+ ary tsy ny hendry no manan-kanina,+ ary tsy ny mahira-tsaina no mahazo harena,+ ary tsy ny manam-pahalalana no mahazo sitraka,+ satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.+ 12  Fa tsy fantatry ny olombelona+ ny fotoana ahafatesany.+ Toy ny trondro azon’ny harato+ mahafaty sy toy ny vorona azon’ny fandrika+ ny zanak’olombelona, izay voafandrika rehefa tonga tampoka+ aminy ny fotoana ahitan-doza.+ 13  Izao koa no fahendrena hitako tetỳ ambanin’ny masoandro, ary nampiaiky volana ahy izany: 14  Nisy tanàna kely iray, nonenan’ny lehilahy vitsivitsy. Dia nisy mpanjaka lehibe iray tonga ka nanodidina an’ilay tanàna sy nanisy dongona goavana mba hanaovana fahirano azy.+ 15  Ary nisy lehilahy nahantra nefa hendry tao, ary ny fahendreny+ no nahavoavonjy an’ilay tanàna. Tsy mba nisy nahatsiaro anefa io lehilahy nahantra io.+ 16  Dia hoy aho: “Aleo fahendrena toy izay tanjaka.+ Hamavoina anefa ny fahendren’ny mahantra, ary tsy mba henoina ny teniny.”+ 17  Ny teny malefaka avy amin’ny hendry dia misy lanjany kokoa+ noho ny antsoantson’ny mpitondra manjaka eo amin’ny adala.+ 18  Aleo fahendrena toy izay fitaovam-piadiana. Ary afaka manimba zava-tsoa maro na dia mpanota iray monja aza.+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.