Mpitsara 2:1-23
2 Ary niakatra avy tany Gilgala+ ilay anjelin’i Jehovah+ ka nankany Bokima,+ ary nilaza hoe: “Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta aho ka nampiditra anareo ho eto amin’ity tany nianianako tamin’ny razanareo ity.+ Niteny koa aho hoe: ‘Tsy hivadika amin’ny fifanekena nataoko taminareo mihitsy aho.+
2 Koa aza manao fifanekena amin’ny mponin’ity tany ity,+ fa arodano kosa ny alitarany.’+ Tsy nihaino ny feoko anefa ianareo.+ Fa maninona ianareo no nanao an’izany?+
3 Koa izao kosa no nolazaiko: ‘Tsy horoahiko hiala eo anatrehanareo ireny, fa ho fandrika ho anareo.+ Ary ny andriamaniny ho fakam-panahy ho anareo.’”+
4 Raha vao avy nolazain’ilay anjelin’i Jehovah tamin’ny zanak’Israely rehetra izany teny izany, dia nidradradradra nitomany ny vahoaka.+
5 Koa nantsoin’izy ireo hoe Bokima izany toerana izany, ary nanao sorona ho an’i Jehovah teo izy ireo.
6 Rehefa nalefan’i Josoa ny vahoaka, dia samy nankany amin’ny lovany avy ny zanak’Israely mba haka an’ilay tany.+
7 Ary nanompo an’i Jehovah ny vahoaka tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa, sy tamin’ny andro rehetra niainan’ireo anti-panahy, izay mbola velona taorian’i Josoa sady efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny Israely.+
8 Dia maty i Josoa zanak’i Nona, mpanompon’i Jehovah, rehefa folo amby zato taona.+
9 Koa nalevina tao amin’ny faritry ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa,+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, any avaratry ny Tendrombohitra Gasa.+
10 Ary nangonina any amin’ny razany koa izany taranaka rehetra izany,+ ka taranaka hafa tsy nahalala an’i Jehovah sy tsy nahalala ny asa nataony ho an’ny Israely+ no nitsangana nandimby azy.
11 Ary nanjary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny zanak’Israely,+ sady nanompo an’ireo Bala.+
12 Koa nahafoy an’i Jehovah Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta,+ izy ireo ka lasa nanaraka andriamani-kafa, dia ireo andriamanitry ny firenena manodidina.+ Niankohoka teo anatrehan’ireny koa izy ireo, ka nampahatezitra an’i Jehovah.+
13 Nahafoy an’i Jehovah izy ireo, ka nanompo an’i Bala sy ireo sarin’i Astarta.+
14 Koa nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’i Jehovah,+ dia natolony teo an-tanan’ny mpandroba izy ireo ka voaroba.+ Ary namidin’Andriamanitra ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina izy ireo,+ ka tsy nahatohitra an’ireny intsony.+
15 Namely azy ireo ny tanan’i Jehovah na taiza na taiza nalehany, ka nisy loza nanjo azy,+ araka izay efa nolazain’i Jehovah sy efa nianianan’i Jehovah taminy.+ Dia ory indrindra izy ireo.+
16 Koa nanendry mpitsara i Jehovah,+ ary ireny no namonjy azy ireo teo an-tanan’ny mpandroba azy.+
17 Kanefa na ireo mpitsarany aza tsy nohenoiny. Nanana fifandraisana mamoafady+ tamin’ny andriamani-kafa+ kosa izy ireo, ary niankohoka teo anatrehan’ireny. Efa nivily sahady niala tamin’ny lalana nalehan’ny razany izy ireo. Nankatò ny didin’i Jehovah mantsy ny razany,+ fa tsy mba toy izany kosa izy ireo.
18 Rehefa nanendry mpitsara ho azy ireo i Jehovah,+ dia nomba an’izany mpitsara izany i Jehovah ka namonjy azy ireo teo an-tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’ilay mpitsara. Nanenina mantsy i Jehovah,+ satria nitaraina izy ireo noho ny nataon’ireo nampahory azy+ sy ireo nanositosika azy tetsy sy teroa.
19 Ary rehefa maty ilay mpitsara, dia niverina tamin’ny ratsy fanaony izy ireo ary nanao mihoatra noho ny razany aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany.+ Tsy niala tamin’ny fanaony sy ny di-dohany izy ireo.+
20 Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’i Jehovah+ tamin’ny farany, ka hoy izy: “Noho ity firenena ity tsy nanaja ny fifanekena+ nandidiako ny razany, sy noho izy tsy nihaino ny feoko,+
21 dia tsy hisy horoahiko hiala eo anatrehany, na iray aza, ireo firenena mbola navelan’i Josoa ho eo, fony izy maty.+
22 Ireo no hitsapako+ ny Israely raha hanaraka ny lalan’i Jehovah izy, na tsia, ka handeha amin’izany, toy ny nataon’ny razany.”
23 Koa navelan’i Jehovah teo ireo firenena ireo, fa tsy noroahiny avy hatrany+ ary tsy natolony teo an-tanan’i Josoa.