Nomery 1:1-54

1  Ary izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy tany an-tany efitr’i Sinay,+ tao amin’ny tranolay fihaonana,+ tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa nivoahan’izy ireo avy tany Ejipta:+  “Isao+ ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, araka ny lisitry ny anaran’ny lahy rehetra, dia ny vatan-dehilahy tsirairay,  izay roapolo taona no ho miakatra,+ eny, izay rehetra azo alefa ao amin’ny tafika eo amin’ny Israely.+ Hanoratra ny anaran’izy ireo araka ny tafiny avy ianao sy Arona.  “Ary tokony hisy lehilahy iray isam-poko hiaraka aminareo. Samy lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy,+ izy ireo.  Ireto avy ny anaran’ireo lehilahy hanampy anareo: Elizora+ zanak’i Sedeora no avy amin’i Robena;+  Selomiela+ zanak’i Zorisaday no avy amin’i Simeona;+  Nasona,+ zanak’i Aminadaba no avy amin’i Joda;+  Netanela+ zanak’i Zoara no avy amin’i Isakara;+  Eliaba+ zanak’i Helona no avy amin’i Zebolona;+ 10  Elisama zanak’i Amihoda no avy amin’i Efraima,+ ary Gamaliela zanak’i Pedazora no avy amin’i Manase,+ ka samy avy amin’ny taranak’i Josefa+ ireo; 11  Abidana+ zanak’i Gideony no avy amin’i Benjamina;+ 12  Ahiezera+ zanak’i Amisaday no avy amin’i Dana;+ 13  Pagiela+ zanak’i Okrana no avy amin’i Asera;+ 14  Eliasafa+ zanak’i Doela+ no avy amin’i Gada;+ 15  ary Ahira+ zanak’i Enana no avy amin’i Naftaly.+ 16  Ireo no voantso avy amin’ny vahoaka, dia ny mpiadidy+ teo amin’ny fokon’ireo rainy. Ireo no mpifehy ny arivo eo amin’ny Israely.”+ 17  Koa nalain’i Mosesy sy Arona ireo lehilahy voatonona anarana ireo. 18  Ary novorin’izy ireo ny vahoaka manontolo tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, mba ho fantatra mazava tsara ny razana nipoirany,+ eny, ny fianakaviany, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra,+ dia ny vatan-dehilahy tsirairay, 19  araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Dia nanoratra ny anaran’izy ireo+ tany an-tany efitr’i Sinay izy. 20  Ary ny taranak’i Robena lahimatoan’i Israely,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ny vatan-dehilahy tsirairay, dia ny lahy rehetra roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 21  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Robena, dia dimanjato sy enina arivo sy efatra alina.+ 22  Ary tamin’ny taranak’i Simeona,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, dia ireo voasoratra anarana tamin’ny taranany, araka ny lisitry ny anaran’ny vatan-dehilahy tsirairay, dia ny lahy rehetra roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 23  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Simeona, dia telonjato sy sivy arivo sy dimy alina.+ 24  Ary tamin’ny taranak’i Gada,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 25  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Gada,+ dia dimampolo sy eninjato sy dimy arivo sy efatra alina.+ 26  Ary tamin’ny taranak’i Joda,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 27  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Joda, dia eninjato sy efatra arivo sy fito alina.+ 28  Ary tamin’ny taranak’i Isakara,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 29  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Isakara, dia efajato sy efatra arivo sy dimy alina.+ 30  Ary tamin’ny taranak’i Zebolona,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 31  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Zebolona, dia efajato sy fito arivo sy dimy alina.+ 32  Ary izao no tamin’ny taranak’i Josefa: Tamin’ny taranak’i Efraima,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 33  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Efraima,+ dia dimanjato sy efatra alina.+ 34  Ary tamin’ny taranak’i Manase,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 35  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Manase, dia roanjato sy roa arivo sy telo alina.+ 36  Ary tamin’ny taranak’i Benjamina,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 37  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Benjamina, dia efajato sy dimy arivo sy telo alina.+ 38  Ary tamin’ny taranak’i Dana,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 39  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Dana, dia fitonjato sy roa arivo sy enina alina.+ 40  Ary tamin’ny taranak’i Asera,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 41  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Asera, dia dimanjato sy arivo sy efatra alina.+ 42  Ary tamin’ny taranak’i Naftaly,+ izany hoe ireo terany, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny lisitry ny anaran’ireo roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika, 43  eny, izay voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Naftaly, dia efajato sy telo arivo sy dimy alina.+ 44  Ireo no voasoratra anarana, ary i Mosesy sy Arona mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy mpiadidy teo amin’ny Israely no nanoratra ny anarany. Samy nisolo tena ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy avy izy ireo. 45  Ary izay rehetra voasoratra anarana tamin’ny zanak’Israely, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, izany hoe izay roapolo taona no ho miakatra azo nalefa tao amin’ny tafika teo amin’ny Israely, 46  eny, izay rehetra voasoratra anarana, dia dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.+ 47  Fa ny Levita+ araka ny fokon’ireo rainy kosa, tsy mba nosoratana anarana niaraka tamin’izy ireo.+ 48  Ary niteny tamin’i Mosesy i Jehovah hoe: 49  “Ny fokon’i Levy ihany no aza soratana anarana, ary aza isaina miaraka amin’ny zanak’Israely izy ireo.+ 50  Tendreo ny Levita mba hiandraikitra ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ mbamin’ny fitaovana rehetra sy ny zava-drehetra miaraka amin’izy io.+ Izy ireo no hitondra ny tranolay sy ny fitaovana rehetra ao,+ ary izy ireo no hanompo+ ao. Ary manodidina ny tranolay no hitobiany.+ 51  Isaky ny hifindra ny tranolay, dia handrava azy ny Levita.+ Isaky ny hitoby ny tranolay, dia hanangana azy ny Levita. Hovonoina ho faty izay olon-kafa manatona eo.+ 52  “Ary hitoby araka ny tobiny avy ny zanak’Israely, ka ny lehilahy tsirairay dia hitoby ao amin’ny fizarana* misy azy,+ araka ny tafiny avy. 53  Ny Levita kosa hitoby manodidina ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana+ hihatra amin’ny vahoaka, dia ny zanak’Israely. Ary hanao ny fanompoana tokony hatao ao amin’ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona, ny Levita.”+ 54  Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ny zanak’Israely. Izany indrindra no nataon’izy ireo.+

Fanamarihana

Misy foko telo ny fizarana iray.