Nomery 11:1-35

11  Ary nitaraina tamin’i Jehovah momba izay nanjo azy ny vahoaka.+ Rehefa ren’i Jehovah izany, dia tezitra be izy. Koa nisy afo avy tamin’i Jehovah nandoro azy ireo, ka levona ny sasany teny an-tsisin’ny toby.+  Rehefa nitaraina tamin’i Mosesy ny vahoaka, dia nitalaho tamin’i Jehovah i Mosesy,+ ka maty ny afo.  Dia natao hoe Tabera+ ny anaran’izany toerana izany, satria nisy afo avy tamin’i Jehovah nandoro ny olona.  Nasesiky ny fitiavan-tena+ ireo olona samihafa firenena+ teo anivon’izy ireo, ka naniry mafy hihinana sakafo hafa. Ary nitomany indray ny zanak’Israely hoe: “Iza no hanome hena hohaninay?+  Tsaroanay ny trondro nohaninay maimaim-poana tany Ejipta,+ mbamin’ny kôkômbra, ny pasteky, ny poarô, ny tongolobe, ary ny tongolo lay!  Fa izao kosa maina mihitsy ny ainay. Ary ny masonay tsy mba mahita na inona na inona afa-tsy mana.”+  Tahaka ny voan-kotimila+ ny mana,+ ary toy ny ditin’ny hazo matambelo+ no fahitana azy.  Ary niparitaka naka azy io ny olona,+ ka nitoto azy tamin’ny vato fikosoham-bary na tao anaty laona. Nandrahoin’izy ireo tao anaty vilany izany,+ na nataony mofo boribory. Ary toy ny mofo mamy misy menaka ny tsirony.+  Rehefa nilatsaka teo amin’ny toby ny ando tamin’ny alina, dia nilatsaka teny koa ny mana.+ 10  Ary ren’i Mosesy nitomany isam-pianakaviana ny vahoaka, samy teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy avy. Dia tezitra be mihitsy i Jehovah.+ Ary ratsy teo imason’i Mosesy izany rehetra izany.+ 11  Dia hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Nahoana no dia mampitondra fahoriana ny mpanomponao ianao? Ary inona no nataoko no tsy nahazo sitraka taminao aho ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ireo vahoaka rehetra ireo?+ 12  Naloaky ny kiboko angaha ireo vahoaka rehetra ireo? Ary izaho angaha no niteraka azy no ilazanao hoe: ‘Trotroy eo an-tratranao+ izy, toy ny fanaon’ny mpitaiza zaza rehefa mitrotro zaza mbola minono’,+ ka ento ho any amin’ilay tany nianiananao tamin’ny razany?+ 13  Aiza no hahitako hena homena ireo vahoaka rehetra ireo? Fa mitomany lava eto amiko izy ireo hoe: ‘Omeo hena izahay hohaninay!’ 14  Tsy vitako raha izaho irery no hitondra ireo vahoaka rehetra ireo, satria mavesatra loatra amiko ireo.+ 15  Koa raha izao no ataonao amiko, dia vonoy mihitsy aho+ raha mba mahazo sitraka aminao ihany, ka aza avela hahita ny fahoriako aho.” 16  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Manangòna fitopolo lahy amin’ny anti-panahin’ny Israely,+ dia izay fantatrao fa anti-panahy sady mpiadidy+ eo amin’ny vahoaka. Ento mankeo amin’ny tranolay fihaonana izy ireo, ka hiara-mijoro aminao eo. 17  Dia hidina aho+ ka hiresaka aminao eo.+ Ary hakako ny fanahy+ ao aminao ka hataoko ao amin’izy ireo. Hanampy anao hitondra ny vahoaka izy ireo, mba tsy ho ianao irery no hitondra izany enta-mavesatra izany.+ 18  Ary ilazao ny vahoaka hoe: ‘Hamasino ho amin’ny rahampitso ny tenanareo,+ fa hihinan-kena tokoa ianareo, satria efa nitomany teo an-tsofin’i Jehovah+ hoe: “Iza no hanome anay hena hohaninay? Fa tsara erỳ ny fiainanay tany Ejipta!”+ Ary homen’i Jehovah hena tokoa ianareo, ka hihinan-kena.+ 19  Tsy iray andro no hihinananareo, na roa andro, na dimy andro, na folo andro, na roapolo andro, 20  fa hatramin’ny iray volana maninjitra, mandra-pivoakan’izany eo am-bavoronareo, ka ho rikoriko ianareo.+ Efa nolavinareo mantsy i Jehovah, izay eo aminareo, ary efa nitomany teo anatrehany ianareo hoe: “Nahoana re no nivoaka avy tany Ejipta izahay e?”’”+ 21  Ary hoy i Mosesy: “Ny vahoaka manodidina ahy dia misy lehilahy enina hetsy+ mandeha an-tongotra, nefa ianao nilaza hoe: ‘Homeko hena izy ireo, ka hihinan-kena tokoa mandritra ny iray volana maninjitra’! 22  Ho ampy azy ireo ve raha ondry aman’osy sy omby no hovonoina?+ Ary ho ampy azy ireo ve na halaina daholo aza ny trondro any an-dranomasina?” 23  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Fohy angaha ny tanan’i Jehovah?+ Ho hitanao tokoa raha ho tanteraka ny teniko na tsia.”+ 24  Taorian’izay, dia nivoaka i Mosesy ka nilaza ny tenin’i Jehovah tamin’ny vahoaka. Ary nanangona fitopolo lahy avy tamin’ny anti-panahin’ny vahoaka izy, ka nampijoro azy ireo nanodidina ny tranolay.+ 25  Dia nidina i Jehovah, ary tao anaty rahona+ izy tamin’izay, ka niresaka tamin’i Mosesy.+ Ary nakany ny fanahy+ tao amin’i Mosesy ka nataony tao amin’ny tsirairay tamin’ireo anti-panahy fitopolo. Koa raha vao nitoeran’ny fanahy* izy ireo, dia nanao hoatran’ny mpaminany. Tsy namerina nanao izany intsony anefa izy ireo.+ 26  Nisy roa tamin’izy ireo anefa nijanona tao an-toby. Eldada no anaran’ny iray, ary Medada kosa no anaran’ny iray. Ary nitoeran’ny fanahy izy roa lahy, satria anisan’ireo voasoratra, saingy tsy mba nankany amin’ny tranolay. Koa nanao hoatran’ny mpaminany izy ireo, tao an-toby. 27  Ary nisy tovolahy nihazakazaka nilaza tamin’i Mosesy hoe: “Manao toy ny fanaon’ny mpaminany i Eldada sy Medada, ao an-toby!” 28  Dia hoy i Josoa zanak’i Nona, mpanompon’i+ Mosesy efa hatramin’izy mbola tanora: “Ry Mosesy tompoko ô, rarao izy roa lahy!”+ 29  Fa hoy i Mosesy taminy: “Ny fahefako ve no mahasaro-piaro anao? Tsy mety izany! Satriko aza raha mpaminany daholo ny vahoakan’i Jehovah rehetra, ka homen’i Jehovah ny fanahiny!”+ 30  Niala teo i Mosesy avy eo, ka nankao an-toby izy sy ireo anti-panahin’ny Israely. 31  Ary nisy rivotra+ nitsoka tampoka avy tamin’i Jehovah ka nitondra papelika* avy tany an-dranomasina,+ ary nampilatsaka an’ireny teo ambonin’ny toby. Feno azy ny manodidina ny toby, tokony ho lalana iray andro teo amin’ny andaniny, ary tokony ho lalana iray andro teo amin’ny ankilany, ary tokony ho roa hakiho* miala amin’ny tany. 32  Dia nitsangana ny olona nandritra iny andro iny sy ny alina tontolo ary ny ampitson’iny tontolo, ka tsy nitsahatra nanangona papelika. Nahangona folo homera*+ ireo nanangona kely indrindra. Ary nataony teny rehetra teny nanodidina ny toby ireny, mba hotehiriziny. 33  Raha mbola teo am-bavany ny hena,+ ka mbola tsy voatsako akory, dia nirehitra tamin’ny vahoaka ny fahatezeran’i Jehovah.+ Ary namely ny vahoaka i Jehovah, ka be dia be no maty.+ 34  Koa natao hoe Kibrota-hatava+ ny anaran’izany toerana izany, satria teo no nandevenana ny olona nasesiky ny fitiavan-tena, izay naniry mafy+ hihinana sakafo hafa. 35  Avy teo Kibrota-hatava ny vahoaka no niainga ho any Hazerota. Ary nijanona tao Hazerota+ izy ireo.

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.
Jereo Ek 16:13 f.a.p.
1 hakiho = 44,5 sm.
1 homera = 220 litatra.