Nomery 12:1-16

12  Ary nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy Arona, noho ilay vehivavy kosita nalainy ho vady.+  Dia niteny foana izy mianadahy hoe: “Amin’ny alalan’i Mosesy ihany angaha no itenenan’i Jehovah, fa tsy amin’ny alalanay koa?”+ Ary nihaino i Jehovah.+  Tamin’ny olona teto ambonin’ny tany, dia i Mosesy no lehilahy be fandeferana*+ indrindra.  Tampoka teo dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona ary Miriama: “Mivoaha ho any amin’ny tranolay fihaonana ianareo telo mianadahy.” Dia nivoaka izy telo.  Nidina i Jehovah avy eo, ary tao anatin’ny andry rahona+ izy tamin’izay. Nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana izy, ka niantso an’i Arona sy Miriama. Dia nandroso izy mianadahy.  Ary hoy izy: “Henoy ny teniko, azafady. Raha misy mpaminanin’i Jehovah eo aminareo, dia ao amin’ny fahitana+ no hampahafantarako ny tenako aminy, ary ao amin’ny nofy+ no hitenenako aminy.  Fa tsy mba toy izany ny amin’i Mosesy mpanompoko!+ Izy no anankinana izay rehetra ao an-tranoko.+  Iresahako mivantana izy,+ fa tsy amin’ny alalan’ny teny saro-pantarina,+ ary ny endrik’i Jehovah mihitsy no hitany.+ Koa nahoana ianareo no tsy natahotra ny hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?”+  Koa tezitra be tamin’izy ireo i Jehovah, dia lasa. 10  Ary niala avy teo ambonin’ny tranolay ny rahona, ary io fa boka i Miriama ka lasa fotsy be.*+ Ary nitodika tany amin’i Miriama i Arona, ka hitany fa boka izy.+ 11  Avy hatrany dia hoy i Arona tamin’i Mosesy: “Miala tsiny re, tompoko ô! Aza atao ho helokay re ny fahotana nataonay tamin-kadalana e!+ 12  Azafady re e! Aoka izy mba tsy havela ho toy ny zaza maty+ tao an-kibon-dreniny, izay efa lany ny antsasaky ny nofony, amin’ny fotoana ivoahany avy ao.” 13  Koa nitaraina mafy tamin’i Jehovah i Mosesy hoe: “Mba miangavy re, Andriamanitra ô! Mba sitrano re izy e!”+ 14  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Raha nororan-drainy+ ny tarehiny, tsy ho afa-baraka fito andro ve izy? Aoka hatokan-toerana+ fito andro any ivelan’ny toby+ izy, vao horaisina indray.”+ 15  Koa natokan-toerana fito andro tany ivelan’ny toby i Miriama.+ Ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa noraisina indray ho ao an-toby izy. 16  Taorian’izay vao niala tao Hazerota+ ny vahoaka, ka nitoby tany an-tany efitr’i Parana.+

Fanamarihana

Na: “nalemy fanahy.”
A.b.t.: “fotsy tahaka ny lanezy.”