Nomery 14:1-45

14  Dia nidradradradra ny vahoaka manontolo. Ary nikiakiaka mafy nitomany ny olona,+ nandritra iny alina iny.  Koa nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny zanak’Israely rehetra,+ ary nanohitra azy roa lahy ny vahoaka manontolo, nanao hoe: “Naleonay ihany maty tany Ejipta na tatỳ an-tany efitra!  Fa nahoana isika no entin’i Jehovah ho amin’izany tany izany mba ho lavon-tsabatra?+ Ho azo babo ny vadintsika sy ny zanatsika madinika.+ Tsy aleontsika ve miverina any Ejipta e?”+  Nifampiresaka mihitsy aza izy ireo hoe: “Andao isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!”+  Dia niankohoka teo anatrehan’ny fiangonan’ny zanak’Israely manontolo i Mosesy sy Arona.+  Ary i Josoa zanak’i Nona,+ sy Kaleba zanak’i Jefone,+ izay anisan’ireo nijery taratra an’ilay tany, dia nandrovitra ny akanjony,+  ka nilaza tamin’ny zanak’Israely rehetra hoe: “Tany soa tokoa ilay tany notetezinay sy nojerenay taratra.+  Raha mankasitraka antsika i Jehovah,+ dia tena hitondra antsika hiditra ao amin’io tany io izy, ka hanome antsika an’io tany tondra-dronono sy tantely+ io.  Fa aza mikomy amin’i Jehovah fotsiny!+ Ary aza atahorana ny olona ao amin’io tany io,+ fa sakafontsika ireo. Efa tsy manam-piarovana intsony izy,+ ary i Jehovah no momba antsika,+ ka aza matahotra azy.”+ 10  Niresaka ny hitora-bato+ azy roa lahy anefa ny vahoaka manontolo. Dia niseho teo ambonin’ny tranolay fihaonana, teo imason’ny zanak’Israely rehetra, ny voninahitr’i Jehovah.+ 11  Farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandra-pahoviana+ ity vahoaka ity no tsy hanaja ahy+ sy tsy hino ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra nataoko teo aminy?+ 12  Aoka hasiako amin’ny areti-mandringana izy ka haripako, fa ianao kosa hataoko firenena lehibe sy matanjaka noho izy.”+ 13  Fa hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Dia tsy maintsy ho ren’ny Ejipsianina izany, nefa tamin’ny herinao no nitondranao ity vahoaka ity niala teo amin’izy ireo.+ 14  Koa tsy maintsy hilaza izany amin’ny mponin’io tany io ry zareo. Efa ren-dry zareo fa ianao, Jehovah ô, no eto amin’ity vahoaka ity+ sady mifanatri-tava aminy.+ Ianao no Jehovah, ary eo ambonin’ny vahoakanao ny rahonao, ary ianao no mandeha eo alohan’izy ireo ao anatin’ny andry rahona rehefa antoandro, ary ao anatin’ny andry afo rehefa alina.+ 15  Koa raha aripakao toy ny olona iray+ ity vahoaka ity, dia izao no holazain’ireo firenena efa nandre ny lazanao: 16  ‘Tsy vitan’i Jehovah ny nitondra io vahoaka io ho any amin’ilay tany nianianany taminy, ka novonoiny tany an-tany efitra izy ireo.’+ 17  Koa ankehitriny re, aoka hiseho ny halehiben’ny herinao,+ Jehovah ô, araka ny teninao hoe: 18  ‘Tsy mora tezitra+ i Jehovah sady be hatsaram-panahy feno fitiavana,+ mamela fahadisoana sy heloka,+ kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina,+ fa hosaziny noho ny fahadisoan’ny ray ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.’+ 19  Avelao re ny helok’ity vahoaka ity e, araka ny haben’ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, toy ny namelanao ny helony nanomboka tany Ejipta ka mandraka ankehitriny.”+ 20  Dia hoy i Jehovah: “Avelako tokoa ny helony, araka ny teninao.+ 21  Raha mbola velona koa anefa aho, dia ho feno ny voninahitr’i Jehovah ny tany manontolo.+ 22  Fa ny lehilahy rehetra izay nahita ny voninahitro+ sy ny famantarana nataoko+ tany Ejipta sy tatỳ an-tany efitra, nefa mbola mitsapa toetra+ ahy ihany efa impolo izay, ka tsy nihaino ny feoko,+ 23  dia tsy hahita mihitsy an’ilay tany nianianako tamin’ny razany. Tsy hahita izany mihitsy izay rehetra tsy manaja ahy.+ 24  Fa i Kaleba+ mpanompoko kosa hampidiriko ao amin’ilay tany nalehany, ary ny taranany no haka izany ho fananany.+ Toe-tsaina* hafa mantsy no tao aminy, ka nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo izy.+ 25  Monina eny amin’ny lemaka iva ny Amalekita sy ny Kananita,+ ka mivilia lalana rahampitso, ary miaingà ho any an-tany efitra, any amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena.”+ 26  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: 27  “Mandra-pahoviana ity vahoaka ratsy fanahy ity no himenomenona foana amiko toy izao?+ Efa reko ny fimenomenonan’ny zanak’Israely izay imenomenonany amiko.+ 28  Koa lazao aminy hoe: ‘“Raha mbola velona koa aho”, hoy i Jehovah, “dia araka izay nolazainareo tamiko tokoa no hataoko aminareo!+ 29  Atỳ amin’ity tany efitra ity no hiampatramparan’ny fatinareo.+ Ho faty tokoa ianareo rehetra voasoratra anarana, izay roapolo taona no ho miakatra, dia ianareo izay nimenomenona tamiko.+ 30  Na dia efa nanangan-tanana+ aza aho ka nianiana fa hanome anareo an’ilay tany nampanantenaiko, dia tsy hisy hiditra ao ianareo, afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone, sy Josoa zanak’i Nona.+ 31  “‘“Hampidiriko ao koa ny zanakareo madinika izay nolazainareo fa ho azo babo,+ ka izy ireo no hahalala ilay tany nolavinareo.+ 32  Fa ny fatinareo kosa hiampatrampatra atỳ amin’ity tany efitra ity.+ 33  Ary ny zanakareo ho mpiandry ondry atỳ an-tany efitra+ mandritra ny efapolo taona, ka izy ireo no hizaka ny vokatry ny fijangajanganareo,+ mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-tany efitra.+ 34  Efapolo andro+ no nijerenareo taratra an’ilay tany, nefa efapolo taona kosa no hizakanareo ny vokatry ny fahadisoanareo,+ satria ny andro iray hosoloana taona iray.+ Dia ho fantatrareo izany atao hoe tafasaraka amiko izany.+ 35  “‘“Izaho Jehovah no miteny hoe: Izao no hataoko amin’ity vahoaka ratsy fanahy ity,+ izay mivondrona hanohitra ahy: Atỳ amin’ity tany efitra ity no haharipaka tanteraka azy ireo, ary atỳ no hahafatesany.+ 36  Ary ireo lehilahy nirahin’i Mosesy hijery taratra an’ilay tany, nefa nilaza zavatra ratsy momba azy io+ rehefa tafaverina, ka nanao izay himenomenonan’ny vahoaka tamin’i Mosesy, 37  eny, ireo lehilahy ireo, izay nilaza zavatra ratsy momba ilay tany, dia ho fatin’ny loza avy amin’i Jehovah.+ 38  Fa amin’ireo lehilahy nandeha nijery taratra an’ilay tany kosa, dia i Josoa zanak’i Nona, sy Kaleba zanak’i Jefone, no ho velona.”’”+ 39  Dia nalahelo mafy+ ny vahoaka rehefa nilazan’i Mosesy izany teny izany ny zanak’Israely rehetra. 40  Ary nifoha maraina izy ireo ka nitady hiakatra teo an-tampon-tendrombohitra, sady nilaza hoe: “Indreto izahay fa vonona hiakatra any amin’ilay toerana nolazain’i Jehovah, satria efa nanota izahay.”+ 41  Fa hoy i Mosesy: “Nahoana ianareo no mandika ny didin’i Jehovah?+ Tsy hahomby ianareo amin’izany. 42  Aza miakatra any fa tsy eo aminareo i Jehovah, sao ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo.+ 43  Fa eo anoloanareo ny Amalekita sy ny Kananita,+ ka ho lavon-tsabatra ianareo, satria niala tsy nanaraka an’i Jehovah, ka tsy homba anareo intsony i Jehovah.”+ 44  Mbola sahisahy ratsy niakatra teo an-tampon-tendrombohitra ihany anefa izy ireo,+ na dia tsy niala teo an-toby aza i Mosesy sy ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah.+ 45  Koa nidina ny Amalekita+ sy ny Kananita izay nonina teo amin’izany tendrombohitra izany, ka namely sy nanaparitaka azy ireo hatrany Horma.+

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.