Nomery 15:1-41

15  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Rehefa tafiditra ao amin’ilay tany omeko ho fonenanareo ianareo,+  ka hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah+ mba ho hanitra mampitony an’i Jehovah,+ na fanatitra dorana+ izany, na sorona hanefana voady manokana, na fanatitra an-tsitrapo,+ na fanatitra mandritra ny fety,+ ary alaina avy amin’ny omby izany na avy amin’ny ondry aman’osy,  dia hanome fanatitra varimbazaha ho an’i Jehovah koa ilay manolotra fanatitra. Lafarinina tsara toto+ ampahafolon’ny efaha, sady nafangaro menaka ampahefatry ny hina,* ilay fanatitra varimbazaha.  Ary hanolotra divay ampahefatry ny hina ho fanatitra zava-pisotro+ ianao, miaraka amin’ny ondrilahy kely atao fanatitra dorana na atao sorona.  Raha ondrilahy efa lehibe kosa no hoentinao, dia ampiarahinao amin’ny fanatitra varimbazaha, izany hoe lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha sady nafangaro menaka ampahatelon’ny hina.  Ary manolora divay ampahatelon’ny hina ho fanatitra zava-pisotro, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.  “‘Raha ombilahy kosa no atolotrao ho fanatitra dorana+ na ho sorona hanefana voady manokana+ na ho sorona iombonana ho an’i Jehovah,+  dia fanatitra varimbazaha+ no hatolotra miaraka aminy. Lafarinina tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, sady nafangaro menaka antsasaky ny hina, ilay fanatitra varimbazaha. 10  Ary manolora divay antsasaky ny hina ho fanatitra zava-pisotro,+ ho fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah. 11  Izany no tokony hatao isaky ny manolotra ombilahy na ondrilahy efa lehibe na ondrilahy kely na osy. 12  Na firy na firy no hatolotrareo, dia izany no tokony hataonareo isaky ny biby tsirairay, arakaraka ny isany. 13  Izany no hataon’ny teratany rehetra, rehefa manolotra fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+ 14  “‘Ary raha misy mpivahiny monina eo aminareo na olona efa teo aminareo hatramin’ny taranakareo maromaro, ka manolotra fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah, dia ho toy ny hataonareo ihany no hataony.+ 15  Lalàna iray ihany no ho anareo izay anisan’ny fiangonana sy ho an’ny mpivahiny monina eo aminareo.+ Ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho an’ny taranakareo. Ho toa anareo ihany ny mpivahiny, eo anatrehan’i Jehovah.+ 16  Lalàna iray sy didim-pitsarana iray ihany no ho anareo sy ny mpivahiny monina eo aminareo.’”+ 17  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 18  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Rehefa tafiditra ao amin’ilay tany itondrako anareo ianareo,+ 19  ka mihinana ny mofo avy amin’ny vokatr’ilay tany,+ dia tokony hanao fanomezana ho an’i Jehovah. 20  Mofo boribory* avy amin’ny santatry+ ny varimbazahanareo tsy nototoina malemy no ataovy fanomezana. Toy ny fanomezana vokatra avy eny am-pamoloana ihany no hanomezanareo azy. 21  Ny ampahany amin’ny santatry ny varimbazahanareo tsy nototoina malemy no hataonareo fanomezana ho an’i Jehovah, hatramin’ny taranakareo fara mandimby. 22  “‘Ary raha manao fahadisoana ianareo, ka tsy manaraka ireo didy rehetra+ nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy ireo, 23  eny, izay rehetra nandidian’i Jehovah anareo tamin’ny alalan’i Mosesy, nanomboka tamin’ny andro nanomezan’i Jehovah izany didy izany ka hatramin’ny taranakareo fara mandimby, 24  ka sady tsy fantatry ny vahoaka ilay fahadisoana no natao tsy nahy, dia hanolotra vantotr’ombilahy iray ho fanatitra dorana ny vahoaka manontolo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah, ary hampiarahiny amin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro izany, araka ny efa fanao.+ Hanolotra zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota+ koa izy ireo. 25  Ary handrakotra ny fahotan’ny+ zanak’Israely rehetra ny mpisorona, ka havela ny helok’izy ireo. Fahadisoana tsy nahy+ mantsy izany, ary izy ireo koa efa nitondra ny fanatiny, dia fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah sy fanatitra noho ny ota eo anatrehan’i Jehovah noho ilay fahadisoany. 26  Koa havela+ ny heloky ny zanak’Israely rehetra sy ny mpivahiny monina eo aminy, satria fahadisoana tsy nahy no nataon’ny vahoaka manontolo. 27  “‘Ary raha misy olona* manota tsy nahy,+ dia hanolotra osivavy tsy mihoatra ny herintaona izy, ho fanatitra noho ny ota.+ 28  Ny mpisorona kosa handrakotra ny fahotan’ilay olona* nanao fahadisoana, izay nanota tsy nahy teo anatrehan’i Jehovah, mba handrakofana ny fahotany. Dia havela ny helony.+ 29  Lalàna iray ihany no ho an’ny teratany eo amin’ny zanak’Israely sy ny mpivahiny monina eo aminy, rehefa misy manota tsy nahy.+ 30  “‘Raha misy olona* minia+ manota kosa, na teratany izy na vahiny, ka manevateva an’i Jehovah,+ dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izy.+ 31  Tsy maintsy haringana izy,+ satria ny tenin’i Jehovah no nataony tsinontsinona+ ary ny didiny no nodikainy.+ Hampamoahina noho ny fahadisoany izy.’”+ 32  Raha mbola tany an-tany efitra ny zanak’Israely, dia nahita lehilahy naka kitay tamin’ny andro sabata+ izy ireo, indray mandeha. 33  Koa nitondra azy teo amin’i Mosesy sy Arona ary ny vahoaka manontolo, ireo nahita azy naka kitay. 34  Dia nambenana tsara izy,+ satria mbola tsy voalaza mazava izay tokony hatao aminy. 35  Taorian’izay, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Tsy maintsy vonoina ho faty ralehilahy,+ ka hitora-bato azy eny ivelan’ny toby ny vahoaka manontolo.”+ 36  Koa nitondra azy teny ivelan’ny toby ny vahoaka manontolo ka nitora-bato azy, dia maty izy, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 37  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 38  “Mitenena amin’ny zanak’Israely fa tokony hanisy mikiramborambo eo amin’ny morontongotr’akanjony izy ireo, hatramin’ny taranany fara mandimby. Ary tokony hasiany kofehy manga eo ambonin’ilay mikiramborambo.+ 39  ‘Ho kiramborambo amin’ny akanjonareo izany. Rehefa hahita izany ianareo, dia hahatsiaro ny didin’i+ Jehovah rehetra ka hankatò an’ireny. Aza mandeha araka izay tian’ny fonareo sy ny masonareo,+ fa ny fanaovanareo izany no mampijangajanga+ anareo. 40  Amin’izay dia hitadidy sy hankatò ny didiko rehetra ianareo, ka ho masina eo anatrehan’Andriamanitrareo.+ 41  Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta mba hampisehoako fa izaho no Andriamanitrareo.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’”+

Fanamarihana

1 hina = 3,67 litatra.
Misy lavaka eo afovoany.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.