Nomery 17:1-13

17  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely, ary makà tehina+ iray isaky ny fianakaviambe, avy amin’ny mpiadidy+ rehetra eo aminy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, dia tehina roa ambin’ny folo. Ary hosoratanao eo amin’ny tehiny avy ny anaran’ny tsirairay.  Ny anaran’i Arona no hosoratanao eo amin’ny tehin’i Levy, satria tehina iray no ho an’ny lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo.  Apetraho ao amin’ny tranolay fihaonana ireo tehina, ka ataovy eo anoloan’ny Vata misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ izay isehoako aminao.+  Dia hitsimoka ny tehin’izay lehilahy hofidiko,+ ka hatsahatro ny fimenomenonan’ny+ zanak’Israely amiko, izany hoe ny fimenomenonany aminareo.”+  Koa niteny tamin’ny zanak’Israely i Mosesy, ka samy nanome azy tehina iray avy ny mpiadidy rehetra, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, dia tehina roa ambin’ny folo.+ Niaraka tamin’ny tehin’izy ireo teo koa ny tehin’i Arona.+  Ary napetrak’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah, tao amin’ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ ireo tehina ireo.  Rehefa nankao amin’ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona i Mosesy ny ampitson’iny, dia io fa efa nitsimoka ny tehin’i Arona, izay an’ny taranak’i Levy. Nitsimoka ilay izy ka nisy voniny sady namoa amandy efa masaka.  Ary navoakan’i Mosesy avy teo anatrehan’i Jehovah daholo ireo tehina, ka nentiny teo amin’ny zanak’Israely rehetra. Dia nijery izy ireo ka samy naka ny tehiny avy. 10  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Avereno eo anoloan’ny Vata misy ny Tenin’ny Vavolombelona ny tehin’i Arona,+ izay hotehirizina ho famantarana+ ho an’ny zanaky ny fikomiana,+ mba tsy himenomenona amiko intsony izy ireo, ka tsy ho faty.” 11  Dia nataon’i Mosesy avy hatrany izany, araka izay nandidian’i Jehovah azy. Izany indrindra no nataony. 12  Ary hoy ny zanak’Israely tamin’i Mosesy: “Ho faty tokoa izahay! Ho ringana tokoa izahay! Ho ringana tokoa izahay rehetra!+ 13  Fa ho faty izay manatona eo akaikin’ny tranolain’i Jehovah!+ Dia ho faty daholo izany izahay?”+

Fanamarihana