Nomery 19:1-22

19  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Izao no lalàna nandidian’i Jehovah: ‘Ilazao ny zanak’Israely mba hitondra ombivavy mena iray eo aminao, dia ombivavy tsy misy kilema+ sy tsy manan-takaitra ary mbola tsy nitondra zioga.+  Omeo an’i Eleazara mpisorona ilay ombivavy, dia hoentiny any ivelan’ny toby, ka hovonoina eo anatrehany.  Ary hakan’i Eleazara mpisorona amin’ny rantsantanany iray ny ran’ilay ombivavy, ka iny no hafafiny impito manandrify ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+  Dia hodorana eo imasony ilay ombivavy. Hodorana ny hodiny sy ny nofony sy ny rany ary ny tainy.+  Ary haka rantsankazo sedera+ sy hysopa+ ary kofehy mena midorehitra+ ny mpisorona, ka hanipy izany ao anatin’ilay afo andoroana ilay ombivavy.  Dia hanasa ny akanjony ny mpisorona ka handro amin’ny rano, vao mahazo miditra ao an-toby. Haloto mandra-paharivan’ny andro anefa izy.  “‘Ary hanasa ny akanjony amin’ny rano ilay nandoro an’ilay ombivavy, ka handro amin’ny rano.+ Haloto mandra-paharivan’ny andro anefa izy.  “‘Ary hanangona ny lavenon’ilay+ ombivavy ny lehilahy iray madio, ka hametraka izany eo amin’ny toerana iray madio any ivelan’ny toby. Dia hotehirizina ho an’ny zanak’Israely ny lavenona, mba hampiasaina ho amin’ny rano fanadiovana.+ Fanatitra noho ny ota ilay ombivavy. 10  Ary hanasa ny akanjony ilay nanangona ny lavenon’ilay ombivavy, nefa haloto mandra-paharivan’ny andro izy.+ “‘Ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho an’ny zanak’Israely sy ny mpivahiny monina eo aminy.+ 11  Haloto fito andro+ izay mikasika fatin’olona.+ 12  Hanadio ny tenany amin’ny rano fanadiovana izy amin’ny andro fahatelo,+ ka hadio amin’ny andro fahafito. Tsy hadio kosa izy amin’ny andro fahafito, raha tsy dioviny ny tenany amin’ny andro fahatelo. 13  Izay rehetra mikasika fatin’olona* nefa tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny tranolain’i Jehovah,+ ka haringana tsy ho eo amin’ny Israely.+ Mbola maloto izy, satria tsy nofafazana rano fanadiovana.+ Mbola eo aminy ihany ny fahalotoany.+ 14  “‘Izao no lalàna raha misy olona maty ao an-tranolay: Haloto fito andro izay rehetra miditra ao amin’ilay tranolay sy izay olona rehetra ao. 15  Haloto koa ny fitaovana+ misokatra rehetra, izay tsy misy sarony mifatotra aminy. 16  Haloto fito andro ny olona rehetra eny an-tsaha, izay mikasika olona matin-tsabatra+ na faty na taolam-paty+ na fasana. 17  Ary hakana ho an’ilay olona maloto ny lavenona tamin’ilay fanatitra noho ny ota izay efa nodorana, ka hatao ao anaty vilia, dia handrarahana rano avy amin’ny rano mandeha. 18  Haka hysopa+ ny lehilahy iray madio,+ dia hanatsoboka izany ao amin’ilay rano, ka hamafy ilay rano amin’ny tranolay sy ny fitaovana rehetra ary ny olona* rehetra tao, ary koa amin’ilay nikasika taolam-paty na nikasika olona matin-tsabatra na faty na fasana. 19  Dia hafafin’ilay olona madio amin’ilay olona maloto ilay rano, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, ka hodioviny ho afaka amin’ny ota izy amin’ny andro fahafito.+ Ary hanasa ny akanjony izy ka handro amin’ny rano, dia hadio izy amin’ny hariva. 20  “‘Haringana+ tsy ho eo amin’ny fiangonana kosa izay olona maloto nefa tsy manadio ny tenany, satria ny toerana masin’i Jehovah no nolotoiny. Tsy nofafazana rano fanadiovana izy ka maloto. 21  “‘Ary izao no lalàna ho azy ireo, mandritra ny fotoana tsy voafetra: Hanasa ny akanjony ilay namafy ny rano fanadiovana,+ sy ilay nikasika ny rano fanadiovana. Haloto mandra-paharivan’ny andro anefa izy. 22  Ary haloto izay zavatra kasihin’ilay olona maloto,+ ary haloto mandra-paharivan’ny andro koa ilay olona* mikasika izany.’”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.