Nomery 20:1-29

20  Ary tonga tany an-tany efitr’i Zina+ ny zanak’Israely rehetra, tamin’ny volana voalohany. Dia nitoetra tao Kadesy+ ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama+ sy nandevenana azy.  Ary tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka,+ ka niangona hanohitra an’i Mosesy sy Arona izy ireo.+  Dia nila ady+ tamin’i Mosesy ny vahoaka, ka nanao hoe: “Naleonay ihany maty teo anatrehan’i Jehovah niaraka tamin’ireo rahalahinay!+  Fa nahoana ianareo no nitondra ny fiangonan’i Jehovah ho atỳ amin’ity tany efitra ity, mba hahafaty anay sy ny biby mpitondra entana?+  Ary nahoana ianareo no nitondra anay niakatra avy tany Ejipta, mba hampiditra anay amin’ity toerana ratsy ity?+ Tsy misy voan-javatra na aviavy na voaloboka na ampongabendanitra+ ity toerana ity, sady tsy misy rano hosotroina.”  Ary niala teo anatrehan’ny fiangonana i Mosesy sy Arona ka nankeo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, dia niankohoka.+ Dia niseho tamin’izy ireo ny voninahitr’i Jehovah.+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Alaivo ny tehinao,+ ary aoka ianao sy Arona rahalahinao hamory ny vahoaka. Ary teneno eo imason’ny vahoaka ny vatolampy mba hiboiboika rano. Aoka ianao hamoaka rano ho azy ireo avy amin’ilay vatolampy, ka omeo rano hosotroiny ny vahoaka sy ny biby mpitondra entana.”+  Koa nalain’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ilay tehina,+ araka izay nandidiany azy. 10  Dia novorin’i Mosesy sy Arona teo anoloan’ilay vatolampy ny fiangonana, ka hoy izy tamin’ireo: “Mihainoa, ry mpikomy!+ Tsy maintsy mamoaka rano ho anareo avy amin’ity vatolampy ity angaha izahay?”+ 11  Koa ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ilay vatolampy. Dia nisy rano be niboiboika, ka nisotro ny vahoaka sy ny biby mpitondra entana.+ 12  Avy eo, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: “Noho ianareo tsy naneho finoana ahy ka tsy nanamasina+ ahy teo imason’ny zanak’Israely, dia tsy hitondra an’ity fiangonana ity hiditra ao amin’ilay tany homeko azy ianareo.”+ 13  Io no ranon’i Meriba,+ satria nifanditra tamin’i Jehovah ny zanak’Israely. Koa nohamasinina teo amin’izy ireo Izy. 14  Ary nandefa iraka avy teo Kadesy ho any amin’ny mpanjakan’i Edoma+ i Mosesy, hilaza hoe: “Izao no nolazain’i Israely rahalahinao:+ ‘Fantatrao tsara ny fahoriana rehetra nanjo anay.+ 15  Nidina tany Ejipta ny razanay,+ ka nonina andro maro tany izahay.+ Ary nanisy ratsy anay sy ny razanay ny Ejipsianina.+ 16  Nitaraina tamin’i Jehovah izahay+ tamin’ny farany. Dia nihaino ny feonay izy, ka naniraka anjely+ sy nitondra anay nivoaka avy tany Ejipta. Koa indreto izahay eto Kadesy, tanàna eto an-tsisin’ny taninao. 17  Mba avelao handalo ao amin’ny taninao re izahay e! Tsy handeha eny amin’ny saha na tanimboaloboka izahay, na hisotro ny rano amin’ny lavadrano, fa ny lalan’ny mpanjaka no handehananay.+ Tsy hivily hiankavanana na hiankavia izahay,+ mandra-pivoakanay ny taninao.’” 18  Fa hoy i Edoma taminy: “Aza mandalo amin’ny taniko, sao hivoaka hitsena anao amin’ny sabatra aho.” 19  Ary hoy ny zanak’Israely: “Ny lalambe ange no hiakaranay e! Raha misotro amin’ny ranonao izaho sy ny biby fiompiko, dia haloako ny vidin’izany.+ Ny handalo fotsiny no tadiaviko.”+ 20  Fa hoy ihany i Edoma: “Efa hoe tsy mahazo mandalo ianao!”+ Ary nivoaka hitsena azy i Edoma,+ niaraka tamin’ny vahoaka be sy tafika mahery. 21  Koa tsy navelan’i Edoma handalo tao amin’ny taniny ny Israely,+ ka nivily ho amin’ny lalan-kafa.+ 22  Ary niala tao Kadesy+ ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely, ka tonga teo amin’ny Tendrombohitra Hora.+ 23  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona, teo amin’ny Tendrombohitra Hora, eo amin’ny sisin-tanin’i Edoma: 24  “Hangonina any amin’ny razany+ i Arona, satria tsy hiditra ao amin’ilay tany homeko ny zanak’Israely izy, noho ianareo roa lahy nikomy tsy nanaraka ny didiko, teo amin’ny ranon’i Meriba.+ 25  Alaivo i Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra eo amin’ny Tendrombohitra Hora. 26  Esory amin’i Arona ny akanjo maha mpisorona azy,+ ka ampitafio an’i Eleazara+ zanany. Dia hangonina any amin’ny razany i Arona ka ho faty eo.”+ 27  Koa nanao araka izay nandidian’i Jehovah i Mosesy. Ary niakatra tany amin’ny Tendrombohitra Hora teo imason’ny vahoaka manontolo izy ireo. 28  Ary nesorin’i Mosesy tamin’i Arona ny akanjo maha mpisorona azy, ka nampitafiany an’i Eleazara zanany. Dia maty teo an-tampon’ilay tendrombohitra i Arona.+ Ary nidina avy tany an-tendrombohitra i Mosesy sy Eleazara. 29  Koa fantatry ny vahoaka manontolo fa maty i Arona. Dia nitomany an’i Arona telopolo andro ny taranak’Israely manontolo.+

Fanamarihana