Nomery 21:1-35

21  Ary ren’ilay Kananita mpanjakan’i Arada,+ izay nonina tany Negeba,+ fa tonga ny Israely rehefa avy nihazo ny lalana mankany Atarima. Dia niady tamin’ny Israely izy ka nitondra ny sasany ho babo.  Koa nivoady tamin’i Jehovah ny Israely hoe:+ “Raha atolotrao eo an-tanako tokoa io firenena io, dia haringako ny tanànany.”+  Koa nohenoin’i Jehovah ny Israely ka natolony azy ny Kananita. Dia naringan’izy ireo ny Kananita sy ny tanànany. Ary nataon’izy ireo hoe Horma+ ny anaran’ilay toerana.  Ary niala teo amin’ny Tendrombohitra Hora+ izy ireo, ka nizotra ho amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena mba hanodidina ny tanin’i Edoma.+ Ary reraka noho ny lalana ny vahoaka.  Dia tsy nitsahatra nanome tsiny an’Andriamanitra+ sy Mosesy+ ny vahoaka hoe: “Nahoana ianareo no nitondra anay niakatra avy tany Ejipta mba ho faty atỳ an-tany efitra?+ Fa tsy misy mofo na rano+ atỳ, ary efa maharikoriko anay itony mofo tsisy ilana azy itony.”+  Koa nandefa bibilava misy poizina+ teo amin’ny vahoaka i Jehovah. Dia nokekerin’ireny ny olona, ka maro tamin’ny Israely no maty.+  Farany, dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka ka niteny hoe: “Efa nanota izahay,+ satria nanome tsiny anao sy Jehovah. Aoka ianao hifona amin’i Jehovah ho anay mba hanesorany ny bibilava tsy ho aminay.”+ Ary nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Manamboara sarina bibilava misy poizina ka ataovy eo amin’ny tsato-kazo famantarana. Ary izay voakaikitra dia tokony hijery an’io bibilava io mba tsy ho faty.”+  Avy hatrany dia nanamboatra bibilava varahina i Mosesy,+ ka nataony teo amin’ny tsato-kazo famantarana ilay izy.+ Koa raha nisy olona voakaikitra ka nijery+ an’ilay bibilava varahina, dia tsy maty.+ 10  Ary niainga ny zanak’Israely ka nitoby tao Obota.+ 11  Niala tao Obota indray izy ireo ka nitoby tao Ie-abarima,+ tany an-tany efitra tandrifin’i Moaba, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro. 12  Ary niala teo izy ireo ka nitoby teo akaikin’ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda.+ 13  Dia niala teo indray izy ireo ka nitoby tao amin’ny faritr’i Arnona,+ izay tany an-tany efitra. Nanomboka teo amin’ny sisin-tanin’ny Amorita io tany efitra io. Fa i Arnona no sisin-tanin’i Moaba, teo anelanelan’ny Moabita sy ny Amorita. 14  Izany no antony ilazana ao amin’ny bokin’ny Adin’i Jehovah hoe: “Vaheba any Sofa, sy ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona. 15  Mipaka hatrany Ara+ ilay lohasaha falehan-driaka, sady manamorona ny sisin-tanin’i Moaba.” 16  Ary niala teo izy ireo ka nankany Bera.+ Teo amin’io lavadrano io no nilazan’i Jehovah tamin’i Mosesy hoe: “Vorio ny vahoaka fa homeko rano.”+ 17  Dia nihira+ toy izao ny Israely tamin’izany fotoana izany:“Aoka hiboiboika ny ranonao, ry lavadrano! Valio izy, rey olona e! 18  Lavadrano nohadin’ny andriana io. Ny olona ambony tamin’ny vahoaka no nandavaka azy,Tamin’ny tehim-pahefana,+ eny, tamin’ny tehiny ihany.” Ary niala tany an-tany efitra izy ireo ka nankany Matana. 19  Avy tao Matana izy ireo, dia nankany Nahaliela, ary avy tao Nahaliela dia nankany Bamota.+ 20  Avy tao Bamota dia nankany amin’ilay lohasaha teo amin’ny sahan’i Moaba,+ teo an-tampon’i Pisga,+ izay nitatao teo ambonin’i Jesimona.+ 21  Ary nandefa iraka ho any amin’i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita ny Israely, hilaza hoe: 22  “Avelao aho handalo ao amin’ny taninao. Tsy hivily ho amin’ny saha na tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro rano amin’ny lavadrano. Ny lalan’ny mpanjaka no handehananay, mandra-pivoakanay ny taninao.”+ 23  Tsy namela ny Israely handalo ao amin’ny taniny anefa i Sihona,+ fa nanangona ny olony rehetra kosa ka nivoaka hifanandrina taminy tany an-tany efitra. Ary tonga tao Jahaza+ izy ka niady tamin’ny Israely. 24  Dia namely azy tamin’ny lelan-tsabatra+ ny Israely, ka naka ny taniny+ hatrany Arnona+ ka hatrany Jaboka,+ teo akaikin’ny taranak’i Amona. Fa i Jazera+ no sisin-tanin’ny taranak’i Amona.+ 25  Koa nalain’ny Israely ireny tanàna rehetra ireny. Ary nonenan’ny Israely ny tanàna rehetran’ny Amorita,+ dia i Hesbona+ sy ny tanàna rehetra niankina taminy. 26  Fa i Hesbona no tanànan’i Sihona,+ mpanjakan’ny Amorita.+ Izy no niady tamin’ny mpanjakan’i Moaba, tamin’ny andro fahiny. Koa nalainy teo an-tanan’io mpanjaka io daholo ny taniny, hatrany Arnona.+ 27  Izany no antony nilazan’ireo mpanao tononkalo fanesoana hoe: “Tongava any Hesbona.Aoka hamboarina ny tanànan’i Sihona ka hatao mafy orina. 28  Fa nisy afo avy tao Hesbona,+ nisy lelafo avy tao an-tanànan’i Sihona,Ka nandevona an’i Aran’i+ Moaba, dia ireo tompon’ny toerana avo any Arnona. 29  Lozanao, ry Moaba! Ho ripaka ianao, ry olon’i Kemosy!+Hafoiny ny zanany lahy ka lasa mpandositra, ary ny zanany vavy ho babon’i Sihona mpanjakan’ny Amorita. 30  Koa andeha isika hanafika azy ireo.Ho rava hatrany Dibona+ i Hesbona,Ka ny vehivavy ho ripaka hatrany Nofa, ary ny lehilahy hatrany Medeba.”+ 31  Dia nonina tao amin’ny tanin’ny Amorita ny Israely.+ 32  Ary nandefa mpitsikilo tany Jazera+ i Mosesy. Koa azon’izy ireo ny tanàna niankina tamin’i Jazera, ka noroahiny ny Amorita tao.+ 33  Ary nivily lalana izy ireo avy eo, ka niakatra nanaraka ny lalana mankany Basana.+ Dia nivoaka hiady tamin’izy ireo tao Edrehy+ i Oga+ mpanjakan’i Basana sy ny olony rehetra. 34  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Aza matahotra azy+ fa hatolotro eo an-tananao tokoa izy sy ny olony rehetra ary ny taniny.+ Toy ny nataonao tamin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona,+ no ataovy aminy.” 35  Koa namely azy sy ny zanany lahy ary ny olony rehetra izy ireo, ka nataony tsy nisy niangana na iray aza.+ Dia nalain’izy ireo ny taniny.+

Fanamarihana