Nomery 23:1-30

23  Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: “Anoreno alitara fito eto amin’ity toerana ity aho,+ ary asio ombilahy fito sy ondrilahy fito efa vonona eto.”  Avy hatrany dia nataon’i Balaka izay nolazain’i Balama. Ary nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay izy roa lahy.+  Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: “Mijanòna eto anilan’ny fanatitra dorana natolotrao,+ fa izaho kosa handeha. Angamba hifandray amiko i Jehovah ka hihaona amiko.+ Koa izay hasehony ahy no holazaiko aminao.” Dia nankeo amin’ny havoana iray mangadihady izy.  Ary Andriamanitra nifandray tamin’i Balama,+ ka hoy i Balama taminy: “Efa nataoko nilahadahatra ireo alitara fito, ary nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay aho.”+  Koa nataon’i Jehovah teo am-bavan’i Balama ny teny,+ ka nilazany izy hoe: “Miverena any amin’i Balaka, dia lazao aminy izany.”+  Dia niverina tany amin’i Balaka izy, ary indreo fa teo anilan’ny fanatitra dorana natolony i Balaka sy ny andrianan’i Moaba rehetra.  Ary nanao oha-teny+ i Balama hoe: “Nampanalain’i Balaka mpanjakan’i Moaba avy any Arama+ aho,Avy any amin’ny tendrombohitra any atsinanana, ka hoy izy:‘Tongava ka ozòny i Jakoba.Tongava ka melohy ny Israely.’+   Ataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra?+Ary ataoko ahoana no fanameloka izay tsy nomelohin’i Jehovah?+   Fa avy eto an-tampon’ny harambato no ahitako azy ireo,Ary avy eto amin’ny havoana no ahatazanako azy.Vahoaka monina eo amin’ny toerana mitokana izy,+Ary tsy mihevitra ny tenany ho isan’ireo firenena.+ 10  Iza no mahisa ny vahoakan’i Jakoba, izay maro be toy ny vovoka,+Ary iza no mahisa ny ampahefatry ny Israely?Aoka ho faty toy ny fahafatesan’olo-mahitsy aho,+Ary aoka ho tahaka an’izay hiafarany no hiafarako.”+ 11  Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: “Fa inona izao ataonao amiko izao? Ny hanozona ny fahavaloko no nakako anao, nefa vao mainka mitso-drano azy indray ianao!”+ 12  Dia hoy ny navalin’i Balama: “Tsy izay teny ataon’i Jehovah eo am-bavako ihany ve no holazaiko?”+ 13  Ary hoy i Balaka taminy: “Andao mba hiaraka amiko ho any an-toeran-kafa, izay hahitanao an-dry zareo koa. Ny olona eny an-tsisin’ny tobiny ihany no ho hitanao,+ fa tsy izy rehetra. Ary ozòny ry zareo rehefa any ianao.”+ 14  Koa nentiny nankeo amin’ny sahan’i Zofima teo an-tampon’i Pisga+ i Balama. Ary nanorina alitara fito i Balaka, ka nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.+ 15  Ary hoy i Balama taminy: “Mijanòna eto anilan’ny fanatitra dorana natolotrao, fa izaho kosa hankerỳ hifandray amin’Andriamanitra.” 16  Dia nifandray tamin’i Balama i Jehovah ka nataony teo am-bavany ny teny, ary nilazany izy hoe:+ “Miverena any amin’i Balaka,+ dia lazao aminy izany.” 17  Koa nankeo amin’i Balaka izy, ary indreo fa teo anilan’ny fanatitra dorana natolony i Balaka sy ireo andrianan’i Moaba. Ary hoy i Balaka tamin’i Balama: “Inona no nolazain’i Jehovah?” 18  Dia nanao oha-teny i Balama hoe:+ “Mitsangàna, ry Balaka, ka mihainoa.Mihainoa ahy, ry zanak’i Zipora+ ô! 19  Tsy mba olona Andriamanitra ka handainga,+Na zanak’olombelona ka hanenina.+Efa nilaza ve izy ka tsy hanatanteraka,Ary efa niteny ka tsy hanefa?+ 20  Nampiantsoina aho mba hitso-drano,Ary nitso-drano Izy+ ka tsy hanao mifanohitra amin’izany aho.+ 21  Tsy avelany hisy hampiasa herin’ny maizina+ hamelezana an’i Jakoba,Ary tsy avelany hisy loza hanjo ny Israely.I Jehovah Andriamaniny no momba azy,+Ary manakoako eo aminy ny fihobiana ny mpanjaka. 22  Entin’Andriamanitra mivoaka avy any Ejipta izy ireo,+Ary miriotra mafy toy ny ombidia.+ 23  Fa tsy misy heriny eo amin’i Jakoba ny ozona famosaviana,+Ary tsy misy heriny eo amin’i Israely ny sikidy.+Koa ankehitriny dia azo atao ny milaza momba an’i Jakoba sy Israely hoe:‘Jereo izay nataon’Andriamanitra!’+ 24  Jereo fa hitsangana toy ny liona ny firenena iray,Ary hijoro toy ny liona izy.+Tsy handry izy raha tsy efa nihinana remby,Ary ny ran’ny voavono no hosotroiny.”+ 25  Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: “Raha tsy afaka manozona azy mihitsy àry ianao, dia aza mitso-drano azy koa.” 26  Fa hoy ny navalin’i Balama: “Tsy efa nilaza taminao ve aho hoe: ‘Izay rehetra holazain’i Jehovah ihany no hataoko’?”+ 27  Ary hoy i Balaka: “Andao re hoentiko ho any an-toeran-kafa indray ianao e! Angamba ho tsara eo imason’ilay tena Andriamanitra izany, ka hanozona an-dry zareo tokoa ianao rehefa any.”+ 28  Dia nentin’i Balaka teo an-tampon’i Peora, izay ahatazanana an’i Jesimona,+ izy. 29  Ary hoy i Balama+ tamin’i Balaka: “Anoreno alitara fito eto amin’ity toerana ity aho, ary asio ombilahy fito sy ondrilahy fito efa vonona eto.”+ 30  Dia nanao araka izay nolazain’i Balama i Balaka, ka nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.+

Fanamarihana