Nomery 24:1-25

24  Rehefa hitan’i Balama fa tsara teo imason’i Jehovah ny hitso-drano ny Israely, dia tsy nandeha nitady fambara ratsy+ intsony izy, toy izay nataony teo aloha,+ fa nitodika tany an-tany efitra kosa.  Dia tonga taminy ny fanahin’Andriamanitra,+ rehefa nanopy ny masony izy ka nahita an’ireo Israelita nitoetra araka ny fokony avy.+  Koa nanao oha-teny+ izy hoe: “Ny tenin’i Balama zanak’i Beora,Ny tenin’ilay lehilahy tomady tsy voatampi-maso,+   Eny, ny tenin’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,+Sy nahazo fahitana avy tamin’ilay Mahery Indrindra,+Tamin’izy nitambotsotra nefa nihiratra ny masony:+   Tsara tarehy erỳ ny tranolainao, ry Jakoba ô, sy ny fonenanao, ry Israely ô!+   Nitatra lavitra tahaka ny lohasaha falehan-driaka ireny,+Ary sahala amin’ny zaridaina eo amoron’ny renirano.+Toy ny hazo aloesy nambolen’i Jehovah ireny,Ary tahaka ny hazo sedera eo amoron-drano.+   Misy rano mikoriana foana avy amin’ny sininy roa,Ary eny amoron’ny rano maro+ ny voa afafiny.Hisandratra avo noho i Agaga+ ny mpanjakany,+Ary hasandratra ny fanjakany.+   Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy,Ary miriotra mafy toy ny ombidia.+Hataony ripaka ireo firenena mampahory azy,+Ka hokepokepohiny ny taolan’ireny,+ ary ny zana-tsipìkany no hamotipotehany an’ireny.+   Niondrika izy, nandry toy ny liona,Toy ny liona izy, ka iza no ho sahy hanaitra azy?+Izay mitso-drano anao no mahazo fitahiana,+Ary izay manozona anao no voaozona.”+ 10  Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka nitehaka+ izy. Ary hoy izy tamin’i Balama: “Ny hanozona+ ny fahavaloko no niantsoako anao, nefa vao mainka nitso-drano azy intelo ianao. 11  Koa mandosira any amin’izay misy anao. Efa niteny anakampo aho fa hanome voninahitra anao,+ nefa efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra i Jehovah.” 12  Dia hoy i Balama: “Izaho efa nilaza tamin’ny olona nirahinao tany amiko hoe: 13  ‘Na homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy ho afaka handika ny baikon’i Jehovah, ka hanao zavatra araka ny nahim-poko, na zavatra tsara izany na ratsy. Izay lazain’i Jehovah ihany no holazaiko.’+ 14  Koa andeha hody any amin’ny fireneko aho izao. Fa avia ianao hilazako+ izay hataon’io firenena io amin’ny firenenao any am-parany any.”+ 15  Koa nanao oha-teny+ izy hoe: “Ny tenin’i Balama zanak’i Beora,Ny tenin’ilay lehilahy tomady tsy voatampi-maso,+ 16  Eny, ny tenin’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,+Sy manana ny fahalalan’ny Avo Indrindra,Ary nahazo fahitana avy tamin’ilay Mahery Indrindra,+Tamin’izy nitambotsotra nefa nihiratra ny masony:+ 17  Hahita azy aho,+ nefa tsy izao ankehitriny izao,Hahatazana azy aho, nefa tsy akaiky.Hisy kintana+ hivoaka avy amin’i Jakoba,Ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin’ny Israely.+Hovakiny ny fihirifan’i Moaba,+Sy ny karandohan’ny zanak’ireo tia ady. 18  Ho lasan’olona i Edoma,+Eny, ho lasan’ny fahavalony i Seira,+Fa ny Israely kosa be herim-po. 19  Avy amin’i Jakoba no hivoahan’ny olona iray ho mpandresy.+Handringana an’izay sisa miangana ao an-tanàna izy.”+ 20  Rehefa nahita an’i Amaleka izy, dia mbola nanao oha-teny ihany hoe:+ “I Amaleka no voalohany tamin’ireo firenena,+Nefa ho ringana no hiafarany.”+ 21  Rehefa nahita ny Kenita+ izy, dia mbola nanao oha-teny indray hoe: “Maharitra ny fonenanao, ary eny amin’ny harambato ny toeram-ponenanao. 22  Hisy olona handoro tanteraka anefa i Kaina.+Rahoviana vao hitondra anao ho babo i Asyria?”+ 23  Ary mbola nanao oha-teny ihany izy hoe:“Loza! Iza no ho tafavoaka velona rehefa hanao izany Andriamanitra?+ 24  Hisy sambo avy any amin’ny morontsirak’i Kitima,+Ka hampahory an’i Asyria+ ireny,Sy hampahory an’i Ebera.Ho ringana koa anefa izy amin’ny farany.” 25  Ary nitsangana i Balama taorian’izany, ka niverina tany amin’izay nisy azy.+ Dia lasa koa i Balaka.

Fanamarihana