Nomery 25:1-18

25  Ary nonina tao Sitima+ ny Israely. Dia nanomboka nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’i Moaba ny olona.+  Ary tonga ireo vehivavy mba hanasa ny olona ho amin’ny sorona nataony ho an’ny andriamaniny.+ Dia nihinana sy niankohoka teo anoloan’ny andriamanitr’ireny izy ireo.+  Koa nanompo an’i Balan’i Peora ny Israely,+ ka nirehitra taminy ny fahatezeran’i Jehovah.+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Sambory ny lohandohany rehetra eo amin’ny vahoaka ka vonoy ary asehoy miharihary eo anatrehan’i Jehovah,+ tandrifin’ny masoandro, ny fatiny, mba tsy hirehitra amin’ny Israely intsony ny fahatezeran’i Jehovah.”  Ary hoy i Mosesy tamin’ireo mpitsaran’ny Israely:+ “Samia ianareo mamono+ ny olom-peheziny, izay nanompo an’i Balan’i Peora.”  Ary iny fa nisy lehilahy+ iray tamin’ny zanak’Israely, nitondra vehivavy midianita+ nankeo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Mosesy sy ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely, izay mbola nitomany teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.  Raha vao nahita izany i Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia nitsangana avy hatrany avy teo amin’ny vahoaka izy ka naka lefona.  Ary nanaraka an’ilay lehilahy israelita nankao an-tranolay izy. Koa nataony indray nandefona ilay lehilahy israelita sy ilay vehivavy, ka gorobaka hatrany amin’ny taovam-pananahan-dravehivavy. Dia nitsahatra ny loza nanjo ny zanak’Israely.+  Nahatratra efatra arivo sy roa alina ny matin’ilay loza.+ 10  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 11  “Afaka ny fahatezerako+ amin’ny zanak’Israely, noho ny nataon’i Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, satria tsy nilefitra mihitsy izy rehefa nisy nivadika tamiko teo amin’ny fireneny.+ Koa tsy naripako tanteraka ny zanak’Israely, na dia mitaky ny hanompoana ahy irery ihany aza aho.+ 12  Noho izany, dia lazao aminy hoe: ‘Manao fifanekem-pihavanana aminy aho. 13  Eny, manao fifanekena aminy aho fa ho azy sy ny taranany mandimby azy+ ny asa fisoronana, mandritra ny fotoana tsy voafetra. Tsy nilefitra mantsy izy rehefa nisy nivadika tamin’Andriamaniny.+ Nanao fandrakofam-pahotana ho an’ny zanak’Israely izy tamin’izany.’”+ 14  Ary ny anaran’ilay lehilahy israelita novonoina ho faty, izay niara-novonoina tamin’ilay vehivavy midianita, dia Zimry zanak’i Salo, mpiadidy+ teo amin’ny fianakaviamben’ny Simeonita. 15  Ny anaran’ilay vehivavy midianita novonoina ho faty kosa, dia Kosby zanakavavin’i Zora,+ izay lehibem-poko teo amin’ny fianakaviambe iray, tany Midianina.+ 16  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 17  “Anaovy ankasomparana ny Midianita ka tafiho,+ 18  satria nanao ankasomparana anareo izy ireo rehefa nanangoly anareo hanota,+ tamin’ilay zava-nitranga tao Peora.+ I Kosby+ anabavin’izy ireo sady zanakavavin’ny mpiadidy midianita no nampiasain’izy ireo hitaona anareo hanota. Ary novonoina ho faty ravehivavy+ tamin’ilay andro nandefasana loza taminareo, noho ilay zava-nitranga tao Peora.”+

Fanamarihana