Nomery 26:1-65

26  Taorian’ilay loza,+ dia hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy sy Eleazara zanak’i Arona mpisorona:  “Isao ny zanak’Israely rehetra, dia izay roapolo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, dia izay rehetra azo alefa ao amin’ny tafika eo amin’ny Israely.”+  Ary hoy i Mosesy sy Eleazara+ mpisorona tamin’izy ireo, tany amin’ny lemaka karakaina any Moaba,+ any akaikin’ny Reniranon’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko:+  “Isao ny roapolo taona no ho miakatra, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.”+ Koa ireto avy ny zanak’Israely nivoaka avy tany Ejipta:  Ireto avy ny taranak’i Robena lahimatoan’i Israely:+ Avy tamin’i Hanoka+ ny fianakavian’ny Hanokita, avy tamin’i Palo+ ny fianakavian’ny Paloita,  avy tamin’i Hezrona+ ny fianakavian’ny Hezronita, avy tamin’i Karmy+ ny fianakavian’ny Karmita.  Ireo no fianakavian’ny Robenita, ary telopolo sy fitonjato sy telo arivo sy efatra alina no voasoratra anarana.+  Ary ny zanakalahin’i Palo dia i Eliaba.  Ireto avy ny zanakalahin’i Eliaba: Nemoela sy Datana+ ary Abirama.+ Anisan’ireo nantsoina avy teo amin’ny vahoaka i Datana sy Abirama. Niady tamin’i Mosesy sy Arona anefa izy roa lahy, niaraka tamin’ny olon’i Kora,+ rehefa niady tamin’i Jehovah izy ireo. 10  Ary nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo.+ Fa i Kora kosa niara-maty tamin’ny olony, rehefa nolevonin’ny afo ireo dimampolo sy roanjato lahy.+ Koa nanjary fampitandremana ho an’ny hafa izy ireo.+ 11  Tsy maty kosa anefa ireo zanakalahin’i Kora.+ 12  Ary ireto avy ny taranak’i Simeona,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Nemoela+ ny fianakavian’ny Nemoelita, avy tamin’i Jamina+ ny fianakavian’ny Jaminita, avy tamin’i Jakina+ ny fianakavian’ny Jakinita, 13  avy tamin’i Zera ny fianakavian’ny Zerita, avy tamin’i Saoly+ ny fianakavian’ny Saolita. 14  Ireo no fianakavian’ny Simeonita, dia roanjato sy roa arivo sy roa alina.+ 15  Ary ireto avy ny taranak’i Gada,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Zefona ny fianakavian’ny Zefonita, avy tamin’i Hagy ny fianakavian’ny Hagita, avy tamin’i Sony ny fianakavian’ny Sonita, 16  avy tamin’i Ozny ny fianakavian’ny Oznita, avy tamin’i Ery ny fianakavian’ny Erita, 17  avy tamin’i Aroda ny fianakavian’ny Arodita, avy tamin’i Arely+ ny fianakavian’ny Arelita. 18  Ireo no fianakavian’ny taranak’i Gada, araka izay voasoratra anarana, dia dimanjato sy efatra alina.+ 19  Ary ny zanakalahin’i Joda+ dia i Era+ sy Onana.+ Maty tany Kanana anefa i Era sy Onana.+ 20  Ireto avy ny taranak’i Joda, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Sela+ ny fianakavian’ny Selita, avy tamin’i Pereza+ ny fianakavian’ny Perezita, avy tamin’i Zera+ ny fianakavian’ny Zerita. 21  Ireto avy ny taranak’i Pereza: Avy tamin’i Hezrona+ ny fianakavian’ny Hezronita, avy tamin’i Hamola+ ny fianakavian’ny Hamolita. 22  Ireo no fianakavian’i Joda,+ araka izay voasoratra anarana, dia dimanjato sy enina arivo sy fito alina.+ 23  Ary ireto avy ny taranak’i Isakara,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Tola+ ny fianakavian’ny Tolita, avy tamin’i Pova ny fianakavian’ny Povita, 24  avy tamin’i Jasoba ny fianakavian’ny Jasobita, avy tamin’i Simrona+ ny fianakavian’ny Simronita. 25  Ireo no fianakavian’i Isakara, araka izay voasoratra anarana, dia telonjato sy efatra arivo sy enina alina.+ 26  Ary ireto avy ny taranak’i Zebolona,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Sereda ny fianakavian’ny Seredita, avy tamin’i Elona ny fianakavian’ny Elonita, avy tamin’i Jahalela+ ny fianakavian’ny Jahalelita. 27  Ireo no fianakavian’ny Zebolonita, araka izay voasoratra anarana, dia dimanjato sy enina alina.+ 28  Ary ny taranak’i Josefa,+ araka ny fianakaviany avy, dia avy tamin’i Manase sy Efraima.+ 29  Izao no taranak’i Manase:+ Avy tamin’i Makira+ ny fianakavian’ny Makirita. I Makira kosa niteraka an’i Gileada.+ Ary avy tamin’i Gileada ny fianakavian’ny Gileadita. 30  Ireto avy ny taranak’i Gileada: Avy tamin’i Jezera+ ny fianakavian’ny Jezerita, avy tamin’i Heleka ny fianakavian’ny Helekita, 31  avy tamin’i Asriela ny fianakavian’ny Asrielita, avy tamin’i Sekema ny fianakavian’ny Sekemita, 32  avy tamin’i Semida+ ny fianakavian’ny Semidita, avy tamin’i Hefera+ ny fianakavian’ny Heferita. 33  Ary i Zelofada zanak’i Hefera tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy+ ihany. Ny anaran’ny zanakavavin’i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.+ 34  Ireo no fianakavian’i Manase, ary fitonjato sy roa arivo sy dimy alina no voasoratra anarana.+ 35  Ary ireto avy ny taranak’i Efraima,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Sotela+ ny fianakavian’ny Sotelita, avy tamin’i Bekera ny fianakavian’ny Bekerita, avy tamin’i Tahana+ ny fianakavian’ny Tahanita. 36  Izao no taranak’i Sotela: Avy tamin’i Erana ny fianakavian’ny Eranita. 37  Ireo no fianakavian’ny taranak’i Efraima,+ araka izay voasoratra anarana, dia dimanjato sy roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’i Josefa, araka ny fianakaviany avy.+ 38  Ary ireto avy ny taranak’i Benjamina,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Bela+ ny fianakavian’ny Belita, avy tamin’i Asbela+ ny fianakavian’ny Asbelita, avy tamin’i Ahirama ny fianakavian’ny Ahiramita, 39  avy tamin’i Sefofama ny fianakavian’ny Sefofamita, avy tamin’i Hofama+ ny fianakavian’ny Hofamita. 40  Ny zanakalahin’i Bela dia i Arda sy Namàna:+ Avy tamin’i Arda ny fianakavian’ny Ardita, avy tamin’i Namàna ny fianakavian’ny Namanita. 41  Ireo no taranak’i Benjamina,+ araka ny fianakaviany avy, ary eninjato sy dimy arivo sy efatra alina no voasoratra anarana.+ 42  Ary izao no taranak’i Dana,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Sohama ny fianakavian’ny Sohamita. Ireo no fianakavian’i Dana,+ araka ny fianakaviany avy. 43  Efajato sy efatra arivo sy enina alina no voasoratra anarana tamin’ny fianakaviana rehetran’ny Sohamita.+ 44  Ary ireto avy ny taranak’i Asera,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Jimna+ ny fianakavian’ny Jimnita, avy tamin’i Jisvy+ ny fianakavian’ny Jisvita, avy tamin’i Beria ny fianakavian’ny Berita. 45  Ireto no taranak’i Beria: Avy tamin’i Hebera ny fianakavian’ny Heberita, avy tamin’i Malkiela+ ny fianakavian’ny Malkielita. 46  Ary Sera+ no anaran’ny zanakavavin’i Asera. 47  Ireo no fianakavian’ny taranak’i Asera,+ araka izay voasoratra anarana, dia efajato sy telo arivo sy dimy alina.+ 48  Ary ireto avy ny taranak’i Naftaly,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Jazila+ ny fianakavian’ny Jazilita, avy tamin’i Gony+ ny fianakavian’ny Gonita, 49  avy tamin’i Jezera+ ny fianakavian’ny Jezerita, avy tamin’i Silema+ ny fianakavian’ny Silemita. 50  Ireo no fianakavian’i Naftaly,+ araka ny fianakaviany avy, ary efajato sy dimy arivo sy efatra alina no voasoratra anarana.+ 51  Ireo no voasoratra anarana tamin’ny zanak’Israely, dia telopolo sy fitonjato sy arivo sy enina hetsy.+ 52  Taorian’izany, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 53  “Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny lisitry ny anarany.+ 54  Arakaraka ny hamaroany no hampitomboanao ny lovany, ary arakaraka ny havitsiany no hampihenanao ny lovany.+ Tokony homena araka ny isan’ny voasoratra anarana ny lovan’ny tsirairay. 55  Antsapaka+ ihany no hizarana ny tany. Araka ny anaran’ny fokon’ireo rainy no hahazoany lova. 56  Araka izay hita amin’ny antsapaka no hizarana ny lovany, na izay ho an’ny maro na izay ho an’ny vitsy.” 57  Ary ireto avy no voasoratra anarana tamin’ny Levita,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Gersona+ ny fianakavian’ny Gersonita, avy tamin’i Kehata+ ny fianakavian’ny Kehatita, avy tamin’i Merary+ ny fianakavian’ny Merarita. 58  Ireto avy ny fianakavian’ny Levita: Ny fianakavian’ny Libnita,+ ny fianakavian’ny Hebronita,+ ny fianakavian’ny Malita,+ ny fianakavian’ny Mosita,+ ny fianakavian’ny Korahita.+ Ary i Kehata+ niteraka an’i Amrama.+ 59  Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda,+ zanakavavin’i Levy izay naterany tany Ejipta. I Jokebeda kosa niteraka an’i Arona sy Mosesy ary Miriama+ anabaviny, izay samy naterany tamin’i Amrama. 60  Ary i Arona niteraka an’i Nadaba sy Abiho,+ ary Eleazara sy Itamara.+ 61  Maty anefa i Nadaba sy Abiho, satria nanolotra afo tsy ara-dalàna teo anatrehan’i Jehovah.+ 62  Ary telo arivo sy roa alina no voasoratra anarana tamin’izy ireo, dia ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra.+ Fa tsy nosoratana anarana niaraka tamin’ny zanak’Israely izy ireo,+ satria tsy tokony homena lova teo amin’ny zanak’Israely.+ 63  Ireo no voasoratra anarana, araka izay nosoratan’i Mosesy sy Eleazara mpisorona, fony izy ireo nanoratra ny anaran’ny zanak’Israely tany amin’ny lemaka karakaina any Moaba, any akaikin’ny Reniranon’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko.+ 64  Tsy nisy tamin’ireo anefa anisan’izay voasoratra anarana, rehefa nanoratra ny anaran’ny zanak’Israely tany an-tany efitr’i Sinay i Mosesy sy Arona mpisorona.+ 65  Fa hoy i Jehovah momba azy ireny: “Ho faty tokoa atỳ an-tany efitra ireo.”+ Koa tsy nisy niangana ireny, afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone sy Josoa zanak’i Nona.+

Fanamarihana