Nomery 27:1-23

27  Ary tonga ny zanakavavin’i Zelofada,+ zanakalahin’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase,+ avy tamin’ny fianakaviamben’i Manase zanak’i Josefa. Ireto avy ny anaran’ireo zanany vavy ireo: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.+  Dia nijoro teo anatrehan’i Mosesy sy Eleazara mpisorona+ sy ny mpiadidy ary ny vahoaka manontolo izy ireo, teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ka niteny hoe:  “Maty tany an-tany efitra ny rainay,+ nefa tsy mba anisan’ilay vahoaka nanohitra an’i Jehovah niaraka tamin’ny olon’i Kora.+ Maty noho ny fahotany ihany ny rainay,+ nefa tsy mba nanan-janakalahy.  Koa nahoana ny anarany no hovonoina tsy ho eo amin’ny fianakaviany, noho izy tsy nanan-janakalahy?+ Mba omeo lova eo amin’ny rahalahin-drainay re izahay e!”+  Dia nentin’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ilay raharaha.+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada. Tokony homenao lova eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy ireo. Koa afindrao aminy ny lovan-drainy.+  Ary lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Raha misy lehilahy maty nefa tsy manan-janakalahy, dia afindrao amin’ny zanany vavy ny lovany.  Fa raha tsy manan-janakavavy izy, dia omeo ny rahalahiny izany. 10  Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia omeo ny rahalahin-drainy ny lovany. 11  Raha tsy manan-drahalahy kosa ny rainy, dia omeo an’izay havany+ akaiky indrindra amin’ny fianakaviany ny lovany, ka io no hahazo azy. Ho lalàna ho an’ny zanak’Israely izany didim-pitsarana izany, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.’” 12  Avy eo, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Miakara eo amin’io tendrombohitr’i Abarima+ io, ka tazano ilay tany homeko ny zanak’Israely.+ 13  Rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin’ny razanao tahaka an’i Arona rahalahinao koa ianao.+ 14  Nikomy tsy nanaraka ny didiko mantsy ianareo tany an-tany efitr’i Zina, rehefa nila ady tamiko ny vahoaka.+ Ary tsy nanamasina+ ahy ianareo rehefa nanome rano teo imason’izy ireo. Izany no ranon’i Meriba+ tao Kadesy,+ tany an-tany efitr’i Zina.”+ 15  Ary hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: 16  “Ry Jehovah Andriamanitra mpanome aina+ ny karaza-nofo rehetra+ ô, manendre lehilahy iray hitondra ny vahoaka,+ 17  dia lehilahy hitarika azy amin’ny zava-drehetra sady hitarika azy amin’izay rehetra ataony,+ mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny vahoakan’i Jehovah.”+ 18  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Alaivo i Josoa zanak’i Nona, fa lehilahy manana toetra miavaka+ izy. Ametraho tanana izy,+ 19  ary asaivo mijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny vahoaka manontolo, ka tendreo ho mpitarika, eo imason’izy ireo.+ 20  Dia anomezo amin’ny voninahitrao izy,+ mba hihaino azy ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely.+ 21  Eo anatrehan’i Eleazara mpisorona no hijoroany, ary i Eleazara kosa hanontany+ eo anatrehan’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fitsaran’ny Orima,+ rehefa manam-panontaniana i Josoa. Araka ny baiko azo no hivoahan’izy ireo sy hidirany, dia izy sy ny zanak’Israely rehetra ary ny vahoaka manontolo.” 22  Ary nanao araka izay nandidian’i Jehovah azy i Mosesy. Dia nalainy i Josoa ka nasainy nijoro teo anatrehan’i Eleazara+ mpisorona sy ny vahoaka manontolo. 23  Ary nametra-tanana tamin’i Josoa izy ka nanendry azy,+ araka izay nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.+

Fanamarihana