Nomery 28:1-31

28  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Izao didy izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Tandremo tsara mba ho voatolotra amin’ny fotoana voatondro+ ny fanatitra ho ahy, dia ny sakafo omena ahy,+ ho fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony ahy.’+  “Koa lazao aminy hoe: ‘Izao no fanatitra atao anaty afo hatolotrareo ho an’i Jehovah: Ondrilahy kely roa tsy misy kilema izay herintaona avy, ho fanatitra dorana atolotra isan’andro.+  Hatolotrao amin’ny maraina ny ondrilahy kely iray, fa ny iray kosa hatolotrao eo anelanelan’ny takariva roa.+  Ny ondrilahy tsirairay dia hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha, izay lafarinina tsara toto+ ampahafolon’ny efaha,+ nafangaro menaka ampahefatry ny hina avy amin’ny oliva voatoto.+  Fanatitra dorana atolotra tsy tapaka+ izany, araka ny didy nomena teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, mba ho hanitra mampitony, ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+  Hampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro+ ampahefatry ny hina koa ny ondrilahy tsirairay.+ Araraho ho an’i Jehovah eo amin’ny toerana masina ilay fanatitra zava-pisotro mahamamo.+  Ary hatolotrao eo anelanelan’ny takariva roa ny ondrilahy kely iray, miaraka amin’ny fanatitra varimbazaha toy ilay amin’ny maraina, sy ny fanatitra zava-pisotro toy ilay teo aloha, ho fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+  “‘Izao kosa no hatolotra amin’ny andro sabata:+ Ondrilahy kely roa tsy misy kilema izay herintaona avy, sy lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny famarana ho fanatitra varimbazaha nafangaro menaka, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy. 10  Ho fanatitra dorana fanolotra isaky ny sabata izany, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka+ sy ny fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina aminy. 11  “‘Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, isaky ny fiandohan’ny volana: Vantotr’ombilahy roa, sy ondrilahy iray, sy ondrilahy kely fito tsy misy kilema izay herintaona avy.+ 12  Ny vantotr’ombilahy tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto telo ampahafolon’ny famarana, izay fanatitra varimbazaha+ nafangaro menaka. Ilay ondrilahy+ kosa hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny famarana, izay fanatitra varimbazaha nafangaro menaka. 13  Ary ny ondrilahy kely tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto ampahafolon’ny famarana, izay fanatitra varimbazaha nafangaro menaka. Ho fanatitra dorana izany, ho hanitra mampitony,+ ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. 14  Ny fanatitra zava-pisotro hampiarahina amin’ireo, dia divay antsasaky+ ny hina isaky ny ombilahy, ary ampahatelon’ny+ hina no hampiarahina amin’ilay ondrilahy, ary ampahefatry+ ny hina kosa isaky ny ondrilahy kely. Izany no fanatitra dorana fanolotra isam-bolana, amin’ny volana rehetra ao anatin’ny taona.+ 15  Ary zanak’osy+ iray no hatolotra ho an’i Jehovah ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina aminy. 16  “‘Ho Paskan’i Jehovah ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany.+ 17  Ary ho andro fety ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io. Mofo tsy misy lalivay no hohanina mandritra ny fito andro.+ 18  Hisy fivoriambe masina+ amin’ny andro voalohany. Aza manao asa mafy na inona na inona.+ 19  Ireto no atolory ho fanatitra atao anaty afo, ho fanatitra dorana+ ho an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy.+ Tsy tokony hisy kilema ireo.+ 20  Ny fanatitra varimbazaha+ hatolotrareo miaraka amin’ireo dia lafarinina tsara toto nafangaro menaka: Lafarinina telo ampahafolon’ny famarana isaky ny ombilahy, ary roa ampahafolon’ny famarana+ no hampiarahina amin’ilay ondrilahy, 21  ary ampahafolon’ny famarana+ kosa isaky ny ondrilahy kely amin’izy fito. 22  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, handrakofana ny fahotanareo.+ 23  Ireo no hatolotrareo, ankoatra ny fanatitra dorana+ fanao isa-maraina, izay atolotra tsy tapaka.+ 24  Toy ireo ihany no hatolotrareo isan’andro mandritra ny fito andro, ho sakafo,+ ho fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah,+ ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy. 25  Ary manaova fivoriambe masina amin’ny andro fahafito.+ Aza manao asa mafy na inona na inona.+ 26  “‘Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra,+ rehefa manolotra fanatitra varimbazaha vaovao ho an’i Jehovah ianareo, amin’ny fetin’ireo herinandro,+ dia manaova fivoriambe masina. Aza manao asa mafy na inona na inona.+ 27  Dia manolora vantotr’ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy, ho fanatitra dorana, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+ 28  Ny fanatitra varimbazaha hampiarahina amin’ireo dia lafarinina tsara toto nafangaro menaka: Lafarinina telo ampahafolon’ny famarana isaky ny ombilahy, ary roa ampahafolon’ny famarana+ no hampiarahina amin’ilay ondrilahy, 29  ary ampahafolon’ny famarana+ kosa isaky ny ondrilahy kely amin’izy fito. 30  Manolora koa zanak’osy iray handrakofana ny fahotanareo.+ 31  Ireo no hatolotrareo miaraka amin’ny fanatitra zava-pisotro,+ ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy.+ Tsy tokony hisy kilema+ ireo biby ireo.

Fanamarihana