Nomery 29:1-40

29  “‘Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito, dia manaova fivoriambe masina.+ Aza manao asa mafy na inona na inona.+ Ho andro fitsofana trompetra izany.+  Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana, ho hanitra mampitony an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy iray, ondrilahy iray, ondrilahy kely fito izay herintaona avy, sady tsy misy kilema.+  Ny fanatitra varimbazaha hampiarahina amin’ireo dia lafarinina tsara toto nafangaro menaka: Lafarinina telo ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ilay omby, roa ampahafolon’ny efaha kosa amin’ilay ondrilahy,+  ary ampahafolon’ny efaha isaky ny ondrilahy kely amin’izy fito.+  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, handrakofana ny fahotanareo.+  Ireo no hatolotrareo, ankoatra ny fanatitra dorana+ fanolotra isam-bolana sy ny fanatitra varimbazaha+ ampiarahina aminy, sy ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka+ sy ny fanatitra varimbazaha+ ampiarahina aminy, izay samy ampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro,+ araka ny efa fanao, mba ho hanitra mampitony, ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+  “‘Amin’ny andro fahafolon’io volana fahafito io, dia manaova fivoriambe masina.+ Aoka ianareo hampahory tena.+ Aza manao asa na inona na inona.+  Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, ho hanitra mampitony: Vantotr’ombilahy iray, ondrilahy iray, ondrilahy kely fito izay herintaona avy.+ Tsy tokony hisy kilema ireo.+  Ny fanatitra varimbazaha hampiarahina amin’ireo dia lafarinina tsara toto nafangaro menaka: Lafarinina telo ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ilay omby, roa ampahafolon’ny efaha kosa amin’ilay ondrilahy,+ 10  ary ampahafolon’ny efaha isaky ny ondrilahy kely amin’izy fito.+ 11  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra noho ny ota ho fandrakofam-pahotana,+ sy ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy, izay samy ampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro.+ 12  “‘Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahafito,+ dia manaova fivoriambe masina.+ Aza manao asa mafy na inona na inona.+ Ary mankalazà fety ho an’i Jehovah mandritra ny fito andro.+ 13  Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana,+ dia fanatitra atao anaty afo ho hanitra mampitony an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy telo ambin’ny folo, ondrilahy roa, ondrilahy kely efatra ambin’ny folo izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema ireo.+ 14  Ny fanatitra varimbazaha hampiarahina amin’ireo, dia lafarinina tsara toto nafangaro menaka: Lafarinina telo ampahafolon’ny efaha isaky ny omby amin’izy telo ambin’ny folo, roa ampahafolon’ny efaha isaky ny ondrilahy amin’izy roa,+ 15  ary ampahafolon’ny efaha isaky ny ondrilahy kely amin’izy efatra ambin’ny folo.+ 16  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.+ 17  “‘Amin’ny andro faharoa dia manolora vantotr’ombilahy roa ambin’ny folo, ondrilahy roa, ondrilahy kely efatra ambin’ny folo izay herintaona avy, sady tsy misy kilema.+ 18  Misy fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina amin’ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.+ 19  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota,+ ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy, izay samy ampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro.+ 20  “‘Amin’ny andro fahatelo dia manolora vantotr’ombilahy iraika ambin’ny folo, ondrilahy roa, ondrilahy kely efatra ambin’ny folo izay herintaona avy, sady tsy misy kilema.+ 21  Misy fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina amin’ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao. 22  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,+ ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy. 23  “‘Amin’ny andro fahefatra dia manolora vantotr’ombilahy folo, ondrilahy roa, ondrilahy kely efatra ambin’ny folo izay herintaona avy, sady tsy misy kilema.+ 24  Misy fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina amin’ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.+ 25  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota,+ ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka,+ mbamin’ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina aminy. 26  “‘Amin’ny andro fahadimy dia manolora vantotr’ombilahy sivy, ondrilahy roa, ondrilahy kely efatra ambin’ny folo izay herintaona avy, sady tsy misy kilema.+ 27  Misy fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina amin’ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.+ 28  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,+ ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina aminy. 29  “‘Amin’ny andro fahenina dia manolora vantotr’ombilahy valo, ondrilahy roa, ondrilahy kely efatra ambin’ny folo izay herintaona avy, sady tsy misy kilema.+ 30  Misy fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina amin’ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.+ 31  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,+ ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina aminy. 32  “‘Amin’ny andro fahafito dia manolora vantotr’ombilahy fito, ondrilahy roa, ondrilahy kely efatra ambin’ny folo izay herintaona avy, sady tsy misy kilema.+ 33  Misy fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina amin’ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.+ 34  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,+ ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina aminy. 35  “‘Amin’ny andro fahavalo dia manaova fivoriambe manetriketrika.+ Ary aza manao asa mafy na inona na inona.+ 36  Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy iray, ondrilahy iray, ondrilahy kely fito izay herintaona avy, sady tsy misy kilema.+ 37  Misy fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina amin’ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.+ 38  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,+ ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina aminy. 39  “‘Ireo no hatolotrareo ho an’i Jehovah amin’ny fety,+ ho fanatitra dorana+ sy fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ary sorona iombonana,+ ankoatra ny fanatitra fanefana voady+ sy ny fanatitra an-tsitrapo+ atolotrareo.’” 40  Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny zanak’Israely izay rehetra nandidian’i Jehovah azy.+

Fanamarihana