Nomery 30:1-16

30  Dia niresaka tamin’ireo lehibem-pokon’ny+ zanak’Israely i Mosesy, nanao hoe: “Izao no teny nandidian’i Jehovah:  Raha mivoady+ amin’i Jehovah ny olona iray, na mianiana+ ka mivoady fa hifady zavatra,+ ary ny ainy no ataony antoka, dia tsy mahazo mivadika amin’ny teniny izy,+ fa tokony hotanterahiny izay rehetra naloaky ny vavany.+  “Ary raha misy tovovavy mbola mipetraka ao amin’ny rainy ka mivoady amin’i Jehovah,+ na mivoady fa hifady zavatra,  ary henon-drainy ilay voadin-janany na ilay voadiny hoe hifady zavatra, nefa nangina fotsiny ny rainy, dia hanan-kery ny voadiny rehetra, na ilay voadiny hoe hifady zavatra.+  Fa raha nandrara azy tsy hanao izany kosa ny rainy tamin’ny andro nandrenesany ny voady rehetra nataon-janany, na ilay voadiny hoe hifady zavatra, dia tsy hanan-kery izany. Hamela heloka an’ilay tovovavy anefa i Jehovah, satria nandrara azy ny rainy.+  “Raha vehivavy manambady kosa no mivoady+ na manao fampanantenana tsy voahevitra,  ary henon’ny vadiny izany nefa nangina fotsiny ralehilahy tamin’ny andro nandrenesany izany, dia hanan-kery ilay voady nataon-dravehivavy, na ilay voadiny hoe hifady zavatra.+  Fa raha nandrara azy tsy hanao izany kosa ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany izany,+ dia midika izany fa nofoanany ilay voady nataon-dravehivavy, na ilay fampanantenana tsy voahevitra nataony. Ary hamela heloka an-dravehivavy i Jehovah.+  “Raha vehivavy mpitondratena na nisara-bady kosa no mivoady, dia hanan-kery izay rehetra nolazainy, ka ho voafatotry ny teniny izy. 10  “Fa raha ao an-tranom-badiny kosa ny vehivavy no mivoady, na mianiana ka mivoady fa hifady zavatra,+ 11  ary henon’ny vadiny izany nefa nangina fotsiny izy, dia midika izany fa tsy nandrara azy tsy hanao izany izy. Koa hanan-kery daholo ny voady rehetra nataon-dravehivavy, na izay voadiny hoe hifady zavatra. 12  Fa raha nanafoana tanteraka an’izany kosa ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany ny voady nolazain-dravehivavy, na izay voadiny hoe hifady zavatra, dia tsy hanan-kery izany.+ Efa nanafoana izany ny vadiny. Ary hamela heloka an-dravehivavy i Jehovah.+ 13  Izay voady ataon-dravehivavy, na fianianana anaovany voady hoe hifady zavatra mba hampahoriana ny tenany,+ dia ny vadiny no hampanan-kery na hanafoana izany. 14  Fa raha mangina fotsiny ny vadiny rehefa mandeha ny fotoana, dia mampanan-kery ny voady rehetra nataon-dravehivavy izy, na izay voadiny hoe hifady zavatra.+ Mampanan-kery izany ralehilahy, satria nangina fotsiny tamin’ny andro nandrenesany izany. 15  Ary raha manafoana tanteraka izany izy taorian’ny nandrenesany izany, dia izy no hizaka ny fahadisoan-dravehivavy.+ 16  “Ireo no fitsipika nandidian’i Jehovah an’i Mosesy momba ny lehilahy sy ny vadiny,+ ary ny ray sy ny zanany vavy tanora mbola ao an-tranony.”+

Fanamarihana