Nomery 31:1-54

31  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Valio+ ny Midianita noho ny ratsy nataony tamin’ny zanak’Israely.+ Aorian’izany dia hangonina any amin’ny razanao ianao.”+  Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: “Omany hiantafika ny lehilahy sasany eo aminareo, mba hiady amin’ny Midianina ka hampihatra ny famalian’i Jehovah aminy.+  Arivo lahy isaky ny fokon’ny Israely no halefanareo hiantafika.”  Koa tamin’ny Israelita arivoarivo,+ dia arivo isam-poko no notendrena, ka niisa roa arivo sy iray alina ireo vonona hiantafika.+  Dia nirahin’i Mosesy hiantafika ireo arivo lahy isam-poko ireo, niaraka tamin’i Finehasa+ zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fitaovana masina sy ny trompetra+ fanairana.  Dia nandeha niady tamin’ny Midianina izy ireo, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy, ka naripany ny lehilahy rehetra.+  Novonoiny niaraka tamin’ireo ny mpanjaka dimy tany Midianina, dia i Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba.+ Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balama+ zanak’i Beora.  Fa nentin’ny zanak’Israely ho babo kosa ireo vehivavy midianita sy ny zanany madinika.+ Norobain’ny zanak’Israely koa ny biby fiompiny rehetra sy ny fananany rehetra. 10  Ary nodorany ny tanàna rehetra nonenan’izy ireo, sy ny tobiny rehetra misy manda.+ 11  Dia nalain’izy ireo daholo izay rehetra nobaboiny,+ na zavatra na olona na biby fiompy, 12  ka nentin’izy ireo tao an-toby, tany amin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny vahoakan’Israely, tany amin’ny lemaka karakaina any Moaba,+ any akaikin’ny Reniranon’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko. 13  Dia nivoaka hitsena azy teny ivelan’ny toby i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny mpiadidy rehetra teo amin’ny vahoaka. 14  Ary nahatezitra an’i Mosesy ireo lehilahy voatendry ho isan’ny tafika,+ dia ireo lehiben’ny arivo sy lehiben’ny zato, izay tonga avy tany an’ady, 15  ka hoy izy tamin’ireo: “Ary toa tsy nisy novonoinareo ny vehivavy?+ 16  Ireo ihany anefa no nampirisihin’i Balama hitaona ny zanak’Israely hivadika+ tamin’i Jehovah, tamin’ilay zava-nitranga tao Peora,+ ka namely ny vahoakan’i Jehovah ny loza.+ 17  Koa aringano daholo ny zazalahikely rehetra, mbamin’ny vehivavy rehetra efa nanao firaisana tamin-dehilahy.+ 18  Aza vonoina kosa ny zazavavy rehetra mbola tsy nanao firaisana tamin-dehilahy, fa alaivo ho anareo.+ 19  Ary mitobia fito andro atỳ ivelan’ny toby. Aoka ianareo rehetra nahafaty olona*+ sy nikasika faty+ mba hanadio+ ny tenanareo amin’ny andro fahatelo sy fahafito, ary aoka hanadio ny tenany koa ireo olona nobaboinareo. 20  Diovy ho afaka amin’ny ota koa ny fitafiana rehetra sy ny zavatra rehetra vita amin’ny hoditra, na vita amin’ny volon’osy, na vita amin’ny hazo.”+ 21  Dia hoy i Eleazara mpisorona tamin’ireo mpiantafika nandeha tany an’ady: “Izao no lalàna nandidian’i Jehovah an’i Mosesy: 22  ‘Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny firapotsy ary ny firamainty ihany, 23  izany hoe, izay rehetra mahatanty afo,+ no ataovy ao anaty afo mba hadio. Hodiovina amin’ny rano fanadiovana+ izany avy eo. Fa izay rehetra tsy mahatanty afo kosa sasao amin’ny rano.+ 24  Ary sasao ny fitafianareo amin’ny andro fahafito, dia hadio ianareo, ka mahazo miditra ao an-toby.’”+ 25  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 26  “Isao izay rehetra azo babo, na olona na biby fiompy, ka ianao sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ireo fianakaviambe eo amin’ny vahoaka no hanisa izany. 27  Dia zarao izay rehetra azo babo, ka ny antsasany ho an’izay tany an’ady, ary ny antsasany ho an’ny vahoaka sisa rehetra.+ 28  Ary akao hetra+ ho an’i Jehovah ny anjaran’ny lehilahy mpiady nandeha tany an’ady, ka iray* isaky ny dimanjato no halainao, na amin’ny olona na amin’ny omby na amin’ny ampondra na amin’ny ondry aman’osy. 29  Ilay antsasany izay anjaran’izy ireo no akanao izany, ka omeo an’i Eleazara mpisorona ho fanomezana ho an’i Jehovah.+ 30  Ilay antsasany izay anjaran’ny zanak’Israely kosa no akanao iray isaky ny dimampolo, na amin’ny olona na amin’ny omby, na amin’ny ampondra, na amin’ny ondry aman’osy, na amin’ny karazana biby fiompy rehetra, ka omeo ny Levita,+ izay manana andraikitra ao amin’ny tranolain’i Jehovah.”+ 31  Dia nataon’i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 32  Ary ny ambin’ny zavatra azo babo izay norobain’ireo tany an’ady, dia ondry aman’osy dimy arivo sy fito alina sy enina hetsy, 33  sy omby roa arivo sy fito alina, 34  ary ampondra arivo sy enina alina. 35  Ary roa arivo sy telo alina ny zazavavy rehetra mbola tsy nanao firaisana tamin-dehilahy.+ 36  Ny antsasany, izay anjaran’ireo tany an’ady, dia ondry aman’osy dimanjato sy fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, 37  ka dimy amby fitopolo sy eninjato ny hetra+ ho an’i Jehovah nalaina tamin’ireo; 38  sy omby enina arivo sy telo alina, ka roa amby fitopolo ny hetra ho an’i Jehovah; 39  sy ampondra dimanjato sy telo alina, ka iraika amby enimpolo ny hetra ho an’i Jehovah; 40  ary olona enina arivo sy iray alina, ka olona* roa amby telopolo ny hetra ho an’i Jehovah. 41  Dia nomen’i Mosesy an’i Eleazara mpisorona izany hetra fanomezana ho an’i Jehovah izany,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ 42  Ny antsasany izay anjaran’ny zanak’Israely kosa dia navahan’i Mosesy tamin’ny anjaran’ireo lehilahy nandeha niady. 43  Ireto avy izany anjaran’ny fiangonana izany: Ondry aman’osy dimanjato sy fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, 44  sy omby enina arivo sy telo alina, 45  sy ampondra dimanjato sy telo alina, 46  ary olona enina arivo sy iray alina. 47  Ary io antsasany an’ny zanak’Israely io no nakan’i Mosesy iray isaky ny dimampolo, na tamin’ny olona na tamin’ny biby fiompy, ka nomeny ho an’ny Levita,+ izay manana andraikitra+ ao amin’ny tranolain’i Jehovah, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 48  Dia nanatona an’i Mosesy ny lehilahy voatendry izay anisan’ny vondron-tafika,*+ izany hoe ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato,+ 49  ka niteny taminy hoe: “Efa nisain’ny mpanomponao ny tontalin’ny lehilahy mpiady eo ambany fiandraiketanay, ka voalaza fa tsy misy tsy ao na iray aza ny olonay.+ 50  Koa aoka izahay samy hanolotra ny zavatra hitanay mba ho fanatitra ho an’i Jehovah,+ dia zavatra vita amin’ny volamena sy rojokely haingon-tongotra sy brasele sy peratra fanombohan-kase+ sy kavina ary firava-behivavy,+ mba hanaovana fandrakofam-pahotana ho anay eo anatrehan’i Jehovah.” 51  Dia noraisin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena, dia ny firavaka rehetra nomen’izy ireo.+ 52  Koa sekely dimampolo sy fitonjato sy enina arivo sy iray alina ny volamena rehetra natao fanomezana ho an’i Jehovah, avy tamin’ireo lehiben’ny arivo sy lehiben’ny zato. 53  Samy nahazo anjara tamin’ireo zavatra norobaina mantsy ireo lehilahy mpiady.+ 54  Koa noraisin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ireo lehiben’ny arivo sy lehiben’ny zato, ka nentiny tao amin’ny tranolay fihaonana, ho fahatsiarovana+ ho an’ny zanak’Israely eo anatrehan’i Jehovah.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Misy arivo lahy ao anatin’ny vondrona iray.