Nomery 32:1-42

32  Ary nanana biby fiompy maro be ny taranak’i Robena+ sy ny taranak’i Gada.+ Dia hitan’izy ireo fa tsara ho an’ny biby fiompy ny tany tao Jazera+ sy ny tao Gileada.  Koa nanatona an’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny mpiadidy vahoaka, ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena, ka niteny hoe:  “I Atarota+ sy Dibona+ sy Jazera sy Nimra+ sy Hesbona+ sy Elale+ sy Sebama sy Nebo+ ary Beona,+  izay noresen’i Jehovah+ teo anoloan’ny vahoakan’Israely, dia tany tsara ho an’ny biby fiompy. Manana biby fiompy anefa ny mpanomponao.”+  Hoy koa izy ireo: “Raha mahazo sitraka aminao izahay, dia aoka mba homena anay mpanomponao ity tany ity, fa aza asaina miampita an’i Jordana izahay.”+  Dia hoy i Mosesy tamin’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena: “Ny rahalahinareo ve handeha hiady nefa ianareo hipetraka atỳ?+  Nahoana ny zanak’Israely no kivinareo tsy hiampita any amin’ilay tany homen’i Jehovah azy?  Toy izany no nataon’ny razanareo+ rehefa nirahiko avy tany Kadesi-barnea+ izy ireo mba hijery an’ilay tany.  Rehefa niakatra nankany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Eskola+ izy ka nahita an’ilay tany, dia nokiviny ny zanak’Israely tsy hiditra any amin’ilay tany izay tokony ho nomen’i Jehovah azy.+ 10  Koa nirehitra ny fahatezeran’i Jehovah tamin’izay andro izay, ka nianiana+ izy hoe: 11  ‘Tsy hahita an’ilay tany nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba+ ny lehilahy roapolo taona no ho miakatra,+ izay nivoaka avy tany Ejipta. Tsy nisy nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo mantsy izy ireo, 12  afa-tsy i Kaleba+ zanak’i Jefone Kenizita sy Josoa+ zanak’i Nona. Izy roa lahy no nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo.’ 13  Koa nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’i Jehovah ka nataony nirenireny tany an-tany efitra nandritra ny efapolo taona ireny,+ mandra-pahalany ripaka ilay taranaka manontolo izay nanao ratsy teo imason’i Jehovah.+ 14  Tahaka ny nataon’ny razanareo ihany izao ataonareo izao, ry taranaky ny mpanota, mba hampirehitra bebe kokoa ny fahatezeran’i Jehovah+ amin’ny Israely. 15  Raha miala tsy manaraka azy ianareo,+ dia havelany hijanona ela kokoa atỳ an-tany efitra indray ity vahoaka manontolo ity.+ Koa ny ataonareo no hahatonga loza amin’izy ireo.”+ 16  Dia nanatona an’i Mosesy izy ireo, ka niteny hoe: “Avelao izahay hanorina vala* eto ho an’ny biby fiompinay, ary tanàna ho an’ny zanakay madinika. 17  Hivonona amin’ny fiadiana anefa izahay,+ sady haka toerana eo alohan’ny zanak’Israely mba hiady, mandra-pitondranay azy any amin’ny toerany, na rahoviana izany na rahoviana. Fa ny zanakay madinika kosa hitoetra ao amin’ny tanàna misy manda, mba tsy ho hitan’ny mponina eto amin’ity tany ity. 18  Tsy hody any an-tranonay izahay raha tsy efa mahazo tany ny zanak’Israely, ka samy mahazo ny lovany ny tsirairay.+ 19  Fa tsy hanana lova miaraka amin’izy ireo erỳ ampitan’i Jordana sy any ankoatrany izahay, satria ny lovanay efa azonay etỳ ampitan’i Jordana manandrify ny fiposahan’ny masoandro.”+ 20  Dia hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Raha izany no hataonareo, ka hiomana hiady eo anatrehan’i Jehovah ianareo,+ 21  ary hiampita an’i Jordana ny olona rehetra voaomana eo aminareo, eny, hiampita eo anatrehan’i Jehovah mandra-pandroakany ny fahavalony tsy ho eo anatrehany,+ 22  ka rehefa resy eo anoloan’i Jehovah ilay tany,+ vao hiverina ianareo,+ dia tsy ho meloka eo anatrehan’i Jehovah sy ny Israely ianareo. Ary ho lasanareo eo anatrehan’i Jehovah ity tany ity.+ 23  Fa raha tsy izany no hataonareo, dia manota amin’i Jehovah ianareo.+ Raha manota anefa ianareo, dia fantaro fa hahatratra anareo ny fahotanareo.+ 24  Manorena tanàna ho an’ny zanakareo madinika, ary vala ho an’ny ondry aman’osinareo, ka ataovy izay efa naloaky ny vavanareo.”+ 25  Dia hoy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena tamin’i Mosesy: “Araka izay andidian’ny tompoko no hataon’ny mpanomponao.+ 26  Hijanona atỳ amin’ny tanànan’i Gileada ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny biby fiompy rehetra anananay,+ 27  fa izahay mpanomponao rehetra kosa, izay voaomana hiantafika,+ dia hiampita eo anatrehan’i Jehovah mba hiady, araka izay lazain’ny tompoko.” 28  Dia nomen’i Mosesy didy mikasika azy ireo i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ny lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny zanak’Israely. 29  Koa hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Raha miampita an’i Jordana miaraka aminareo eo anatrehan’i Jehovah ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena, eny, izay rehetra voaomana hiady,+ ary resy eo anoloanareo ilay tany, dia omeo ho azy ireo+ i Gileada. 30  Fa raha tsy miampita miaraka aminareo kosa izy ireo ary tsy voaomana hiady, dia tsy maintsy mipetraka ao amin’ny tany Kanana miaraka aminareo izy.”+ 31  Dia hoy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena: “Izay nolazain’i Jehovah taminay mpanomponao no hataonay.+ 32  Hiomana hiady izahay ka hiampita eo anatrehan’i Jehovah ho any Kanana.+ Ary ny etỳ aminay etỳ ampitan’i Jordana+ no ho lovanay.” 33  Koa nomen’i Mosesy ho an’ny taranak’i Gada+ sy ny taranak’i Robena+ ary ny antsasaky ny fokon’i Manase+ zanak’i Josefa ny fanjakan’i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita sy ny fanjakan’i Oga+ mpanjakan’i Basana, dia ny tany ao amin’ireo tanàna izay ao amin’ireo faritra ireo, ary ny tanàna any amin’ireo faritra manodidina. 34  Ary ny taranak’i Gada dia nanorina an’i Dibona+ sy Atarota+ sy Aroera,+ 35  sy Atrota-sofana sy Jazera+ sy Jogbeha,+ 36  sy Beti-nimra+ ary Beti-harana,+ izay tanàna misy manda+ avokoa. Nanorina vala ho an’ny ondry aman’osy koa izy ireo.+ 37  Ny taranak’i Robena kosa nanorina an’i Hesbona+ sy Elale+ sy Kiriataima,+ 38  sy Nebo+ sy Bala-meona+ izay samy novana anarana, ary Sibma. Ary nampitondrain’izy ireo ny anarany ireo tanàna naoriny. 39  Ary nandeha nankany Gileada ny taranak’i Makira+ zanak’i Manase, mba hamabo azy sy handroaka ny Amorita nonina tao. 40  Koa nomen’i Mosesy an’i Makira zanak’i Manase i Gileada, ary nanorim-ponenana tao izy.+ 41  I Jaira zanak’i Manase kosa nandeha namabo an’ireo tanàna tranolay. Koa nantsoiny hoe Havota-jaira+ ireny. 42  Ary nandeha namabo an’i Kenata+ mbamin’ireo tanàna miankina aminy, i Noba. Dia nantsoiny hoe Noba araka ny anarany ihany izy io.

Fanamarihana

Vala mafy orina vita amin’ny vato.