Nomery 33:1-56

33  Ireto avy ny lalana nalehan’ny zanak’Israely, rehefa nivoaka avy tany Ejipta+ araka ny tafiny+ avy izy ireo, teo ambany fitarihan’i Mosesy sy Arona.+  Nosoratan’i Mosesy foana ireo toerana niaingana isaky ny lalana vitan’izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah. Ireto avy izany lalana izany, avy teo amin’ny fiaingana anankiray mankamin’ny anankiray:+  Niainga avy tao Ramesesa+ izy ireo tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana voalohany.+ Koa ny ampitson’ny Paska+ avy hatrany, dia nivoaka tamim-pandresena teo imason’ny Ejipsianina rehetra ny zanak’Israely.+  Tamin’izay kosa ny Ejipsianina dia nandevina ny lahimatoa rehetra izay novonoin’i Jehovah teo amin’izy ireo.+ Ary nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany ny andriamanitry ny Ejipsianina.+  Koa niainga avy tao Ramesesa+ ny zanak’Israely, dia nitoby tao Sokota;+  niainga avy tao Sokota, dia nitoby tao Etama+ teo an-tsisin’ny tany efitra;  niainga avy tao Etama, dia niverina ho any Pihahirota,+ izay tandrifin’i Bala-zefona,+ ary nitoby nanandrify an’i Migdola;+  niainga avy tao Pihahirota, dia namakivaky teo afovoan’ny ranomasina+ mba hankany an-tany efitra.+ Nandeha lalana telo andro tany an-tany efitr’i Etama+ izy ireo, dia nitoby tao Mara.+  Ary niainga avy tao Mara izy ireo, dia tonga tao Elima,+ izay nisy loharano roa ambin’ny folo sy hazo palmie fitopolo. Koa nitoby tao izy ireo. 10  Niainga avy tao Elima izy ireo, dia nitoby teo akaikin’ny Ranomasina Mena; 11  niainga avy teo amin’ny Ranomasina Mena, dia nitoby tany an-tany efitr’i Sina;+ 12  niainga avy tany an-tany efitr’i Sina, dia nitoby tao Dopka; 13  niainga avy tao Dopka, dia nitoby tao Alosy; 14  niainga avy tao Alosy, dia nitoby tao Refidima,+ izay tsy nisy rano hosotroin’ny olona; 15  ary niainga avy tao Refidima, dia nitoby tany an-tany efitr’i Sinay.+ 16  Ary niainga avy tany an-tany efitr’i Sinay izy ireo, dia nitoby tao Kibrota-hatava;+ 17  niainga avy tao Kibrota-hatava, dia nitoby tao Hazerota;+ 18  niainga avy tao Hazerota, dia nitoby tao Ritma; 19  niainga avy tao Ritma, dia nitoby tao Rimona-pereza; 20  niainga avy tao Rimona-pereza, dia nitoby tao Libna; 21  niainga avy tao Libna, dia nitoby tao Risa; 22  niainga avy tao Risa, dia nitoby tao Kehelata; 23  ary niainga avy tao Kehelata, dia nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Sapera. 24  Ary niainga avy teo amin’ny Tendrombohitra Sapera, dia nitoby+ tao Harada; 25  niainga avy tao Harada, dia nitoby tao Makelota; 26  niainga+ avy tao Makelota, dia nitoby tao Tahata; 27  niainga avy tao Tahata, dia nitoby tao Tera; 28  niainga avy tao Tera, dia nitoby tao Mitka; 29  niainga avy tao Mitka, dia nitoby tao Hasmona; 30  niainga avy tao Hasmona, dia nitoby tao Moserota; 31  niainga avy tao Moserota, dia nitoby tao Bene-jakana;+ 32  niainga avy tao Bene-jakana, dia nitoby tao Hora-hagidgada; 33  niainga avy tao Hora-hagidgada, dia nitoby tao Jotbata;+ 34  niainga avy tao Jotbata, dia nitoby tao Abrona; 35  niainga avy tao Abrona, dia nitoby tao Eziona-gebera;+ 36  ary niainga avy tao Eziona-gebera, dia nitoby tao an-tany efitr’i Zina,+ izany hoe i Kadesy. 37  Ary niainga avy tao Kadesy izy ireo, dia nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Hora,+ teo amin’ny sisin-tanin’i Edoma. 38  Dia niakatra tao amin’ny Tendrombohitra Hora i Arona mpisorona, araka ny baikon’i Jehovah, ary maty tao izy tamin’ny taona fahefapolo nivoahan’ny zanak’Israely avy tany Ejipta, tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy.+ 39  Telo amby roapolo amby zato taona i Arona tamin’izy maty tao amin’ny Tendrombohitra Hora. 40  Ren’ilay Kananita, mpanjakan’i Arada,+ izay nonina tany Negeba,+ tany Kanana, fa tonga ny zanak’Israely. 41  Ary niainga avy teo amin’ny Tendrombohitra Hora+ ny zanak’Israely, dia nitoby tao Zalmona; 42  niainga avy tao Zalmona, dia nitoby tao Ponona; 43  niainga avy tao Ponona, dia nitoby tao Obota;+ 44  niainga avy tao Obota, dia nitoby tao Ie-abarima, teo amin’ny sisin-tanin’i Moaba;+ 45  niainga avy tao Ima, dia nitoby tao Dibona-gada;+ 46  niainga avy tao Dibona-gada, dia nitoby tao Almona-diblataima; 47  niainga avy tao Almona-diblataima,+ dia nitoby tany amin’ireo tendrombohitr’i Abarima,+ tandrifin’i Nebo;+ 48  ary niainga avy tany amin’ireo tendrombohitr’i Abarima, dia nitoby teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba,+ teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko. 49  Ary mbola nitoby teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana izy ireo, nanomboka tany Beti-jesimota+ ka hatrany Abela-sitima,+ teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba. 50  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko:+ 51  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Hiampita an’i Jordana ianareo izao, ka hiditra ao Kanana.+ 52  Roahy tsy ho eo anatrehanareo ny mponina rehetra ao amin’ilay tany, ary poteho ny sarivongana rehetra nataon’izy ireo tamin’ny vato.+ Poteho+ koa ny sarivongany metaly+ rehetra, sy ny toerana avo masina rehetra eo amin’izy ireo. 53  Ary alaivo ho fanananareo ilay tany, ka aoka ianareo honina ao, satria ianareo no homeko an’ilay tany mba ho fanananareo.+ 54  Dia zarao ho anareo ilay tany araka ny fianakaviana+ eo aminareo, ka antsapaka+ no hizaranareo azy. Ampitomboy ny lovan’izay maro, ary ahenao kosa ny lovan’izay vitsy.+ Izay tany azony amin’ny antsapaka no ho lasany.+ Ary araka ny fokon’ny razanareo no hahazoanareo tany.+ 55  “‘Fa raha tsy roahinareo tsy ho eo anatrehanareo ny mponin’ilay tany,+ dia ho malailay ao anaty masonareo sy ho tsilo eo amin’ny tehezanareo ny olona avelanareo honina ao, ary hampijaly anareo eo amin’ilay tany honenanareo.+ 56  Ary izay nokasaiko hanafaizana azy no hanafaizako anareo.’”+

Fanamarihana