Nomery 34:1-29

34  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Izao didy izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Hiditra ao amin’ny tany Kanana ianareo.+ Io ilay tany homena ho lovanareo,+ dia ny tany Kanana araka ny sisin-tany mamaritra azy.+  “‘Ny ilany atsimo amin’ny taninareo dia hanomboka any amin’ny tany efitr’i Zina mifanila amin’i Edoma.+ Ary ny sisiny atsimo dia hanomboka any amin’ny faran’ny Ranomasin-tsira+ eo atsinanana,  ka hivily eo atsimon’ilay fiakarana Akrabima,+ dia hiampita mankany Zina, ary hivoaka any atsimon’i Kadesi-barnea,+ dia hivily mankany Hazara-adara+ ka hitohy hatrany Azmona.  Dia hivily indray izany eo Azmona, ka hipaka amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta,+ ary hifarana any amin’ny Ranomasina.+  “‘Ary ho sisiny andrefana amin’ny taninareo+ ny Ranomasina Lehibe sy ny morontsiraka. Io no ho sisiny andrefana amin’ny taninareo.  “‘Izao kosa no ho sisiny avaratra amin’ny taninareo ka hosoritanareo ho sisin-taninareo: Manomboka eo amin’ny Ranomasina Lehibe ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Hora,+  ary eo amin’ny Tendrombohitra Hora ka hatreo amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata,+ ary hitohy mankany Zedada,+  dia hivoaka any Zifrona ka hifarana any Hazara-enana.+ Izany no ho sisiny avaratra amin’ny taninareo. 10  “‘Ary sorito ny sisin-taninareo any atsinanana, manomboka eo Hazara-enana ka hatrany Sefama, 11  dia hidina avy eo Sefama ka hitohy any Ribla, any atsinanan’i Aina, ary hidina ihany ka hipaka amin’ilay tehezan-kavoana amin’ny ilany atsinanan’ny ranomasin’i Kinereta,+ 12  dia mbola hidina ihany hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana, ka hifarana any amin’ny Ranomasin-tsira.+ Izany no ho taninareo,+ araka ny sisin-taniny manodidina.’” 13  Koa nodidian’i Mosesy ny zanak’Israely hoe: “Io ilay tany hozarainareo ho fanananareo, ka hatao antsapaka no fizara azy,+ araka izay nandidian’i Jehovah homena ny foko sivy sy sasany.+ 14  Efa naka ny lovany mantsy ny fokon’ny taranaky ny Robenita araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, sy ny fokon’ny taranaky ny Gadita araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.+ 15  Ireo foko roa sy sasany ireo dia efa naka ny lovany tetỳ amin’ny faritr’i Jordana, tandrifin’i Jeriko amin’ny ilany atsinanana manandrify ny fiposahan’ny masoandro.”+ 16  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 17  “Ireto no anaran’ny lehilahy hizara ny tany ho fanananareo: Eleazara+ mpisorona sy Josoa zanak’i Nona.+ 18  Ary haka mpiadidy iray isam-poko ianareo mba hizara ilay tany ho lova.+ 19  Koa ireto no anaran’ireo lehilahy ireo: Kaleba zanak’i Jefone+ no avy amin’ny fokon’i Joda;+ 20  Semoela zanak’i Amihoda no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Simeona;+ 21  Elidada zanak’i Kislona no avy amin’ny fokon’i Benjamina;+ 22  Boky mpiadidy zanak’i Jogly no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Dana;+ 23  Haniela mpiadidy zanak’i Efoda no avy amin’ny taranak’i Josefa,+ eny, avy amin’ny fokon’ny taranak’i Manase;+ 24  Kemoela mpiadidy zanak’i Siftana no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Efraima;+ 25  Elizafana mpiadidy zanak’i Parnaka no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Zebolona;+ 26  Paltiela mpiadidy zanak’i Azana no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Isakara;+ 27  Ahihoda mpiadidy zanak’i Selomy no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Asera;+ 28  ary Pedahela mpiadidy zanak’i Amihoda no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Naftaly.”+ 29  Ireo no nodidian’i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an’ny zanak’Israely.+

Fanamarihana