Nomery 35:1-34

35  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy, teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba, any akaikin’ny Reniranon’i Jordana+ sady tandrifin’i Jeriko:  “Omeo baiko ny zanak’Israely hanome tanàna avy amin’ny lovan’izy ireo, mba honenan’ny Levita.+ Homen’izy ireo ho an’ny Levita koa ny kijana rehetra manodidina an’ireo tanàna ireo.+  Ary ny tanàna dia honenany, fa ny kijana kosa ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany ary ny bibiny hafa rehetra.  Ho arivo hakiho manodidina ny tanàna, miala avy eo amin’ny manda, ny kijana homenareo ny Levita.  Any ivelan’ny tanàna, dia handrefy roa arivo hakiho amin’ny lafiny atsinanana ianareo, ary roa arivo hakiho amin’ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin’ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin’ny lafiny avaratra, ka ny tanàna dia eo afovoany. Izany no ho kijanan’ny tanànan’izy ireo.  “Ary izao no tanàna homenareo ny Levita: Tanàna fialokalofana enina,+ homenareo handosiran’izay nahafaty olona,+ ary tanàna roa amby efapolo koa ankoatra an’ireo.  Koa tanàna valo amby efapolo miaraka amin’ny kijanany no homenareo ny Levita.+  Avy amin’ny fananan’ny zanak’Israely ireo tanàna homenareo ireo.+ Izay manana betsaka no hakanareo betsaka, ary izay manana kely no hakanareo kely.+ Samy hanome amin’ny tanànany avy ho an’ny Levita ny foko tsirairay, arakaraka ny lovany izay halainy ho fananany.”  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 10  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Hiampita an’i Jordana ianareo izao, ho any Kanana.+ 11  Koa fidio izay tanàna mety aminareo, ho tanàna fialokalofana ho anareo. Ary handositra any izay nahafaty olona* tsy nahy.+ 12  Ho fialokalofana ho anareo ireny tanàna ireny, mba tsy ho azon’ny mpamaly ra+ ianareo. Amin’izay dia tsy ho faty izay nahafaty olona, mandra-pitsaran’ny vahoaka azy.+ 13  Ary ho azonareo ampiasaina ny tanàna fialokalofana enina izay homenareo. 14  Tanàna telo no homenareo etỳ ampitan’i Jordana,+ ary telo kosa any Kanana.+ Ho tanàna fialokalofana ireo. 15  Ho fialokalofana ho an’ny zanak’Israely sy ny mpivahiny+ ary ny mpiavy eo aminy ireo tanàna enina ireo, mba handosiran’izay nahafaty olona* tsy nahy.+ 16  “‘Raha fitaovana vy no namelezany an’ilay olona ka nahafaty azy, dia mpamono olona izy.+ Tsy maintsy vonoina ho faty ilay mpamono olona.+ 17  Raha vato mety hahafaty an’ilay olona no namelezany azy ka nahafaty azy, dia mpamono olona izy. Tsy maintsy vonoina ho faty ilay mpamono olona. 18  Ary raha fitaovana kely vita amin’ny hazo izay mety hahafaty an’ilay olona no namelezany azy ka nahafaty azy, dia mpamono olona izy. Tsy maintsy vonoina ho faty ilay mpamono olona. 19  “‘Ny mpamaly ra+ no hamono ho faty an’ilay mpamono olona. Izy no hamono azy ho faty rehefa sendra azy. 20  Ary raha fankahalana no antony niafenana+ mba hanosehana+ na hitorahana olona hahafaty azy, 21  na fandrafiana no namelezana azy tamin’ny tanana mba hahafaty azy, dia tsy maintsy vonoina ho faty ilay namely. Mpamono olona izy. Hamono azy ho faty ny mpamaly ra, rehefa sendra azy.+ 22  “‘Raha tsy nampoiziny kosa fa voatosiny ilay olona na voatorany zavatra, nefa izy tsy nandrafy azy na niafina mba hanafika azy,+ 23  na koa tsy hitany ilay olona ka voatorany vato mety hahafaty azy, na voazerany taminy ilay vato ka nahafaty azy, nefa izy tsy nandrafy azy na nikasa hanisy ratsy azy, 24  dia hotsarain’ny vahoaka araka ireo didy ireo ny raharaha momba an’ilay namely sy ny mpamaly ra.+ 25  Ary ny vahoaka+ dia hanafaka an’ilay nahafaty olona mba tsy ho azon’ny tanan’ny mpamaly ra, ka hamerina azy any amin’ny tanàna fialokalofana izay efa nalehany tamin’izy nandositra. Hitoetra any izy mandra-pahafatin’ny mpisoronabe izay voahosotra tamin’ny menaka masina.+ 26  “‘Raha toa anefa ilay nahafaty olona ka mivoaka ny faritry ny tanàna fialokalofana izay halehany, 27  ary hitan’ny mpamaly ra+ any ivelan’ny faritr’ilay tanàna izy ka vonoiny, dia tsy ho meloka ho nandatsa-dra ilay mpamaly ra. 28  Tokony hijanona ao amin’ny tanàna fialokalofana mantsy ilay nahafaty olona, mandra-pahafatin’ny mpisoronabe,+ ary rehefa maty ny mpisoronabe vao afaka miverina any amin’ny taniny izy. 29  Ho lalàna iorenan’ny fitsarana ataonareo izany, hatramin’ny taranakareo fara mandimby, any amin’izay rehetra onenanareo. 30  “‘Izay mamely olona* ho faty dia hovonoina ho faty+ noho ny tenin’ny vavolombelona roa,+ fara fahakeliny, satria mpamono olona izy. Tsy afaka miampanga olona* mba hamonoana azy ho faty raha vavolombelona iray monja. 31  Aza mandray ny vidin’ny fanavotana ny ain’ny mpamono olona izay mendrika ny ho faty,+ fa tsy maintsy vonoina ho faty izy.+ 32  Ary aza mandray vidim-panavotana hoenti-manavotra an’izay nandositra tany amin’ny tanàna fialokalofana, mba hodiany any amin’ny taniny alohan’ny hahafatesan’ny mpisoronabe. 33  “‘Aza mandoto ny tany onenanareo. Mandoto ny tany mantsy ny ra.+ Ary tsy misy fandrakofam-pahotana ho an’ny tany raha misy ra nalatsaka teo aminy, afa-tsy ny ran’izay nandatsaka izany ihany.+ 34  Koa aza mandoto ny tany onenanareo izay itoerako. Fa izaho Jehovah dia mitoetra eo anivon’ny zanak’Israely.’”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.