Nomery 36:1-13

36  Ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ny fianakavian’ny taranak’i Gileada, zanak’i Makira,+ zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakaviamben’ny taranak’i Josefa, dia nanatona an’i Mosesy sy ireo mpiadidy izay lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny zanak’Israely, ka niteny teo anatrehan’izy ireo,  nanao hoe: “Nodidian’i Jehovah ny tompoko mba hanome ny tany ho lovan’ny zanak’Israely amin’ny alalan’ny antsapaka.+ Nodidian’i Jehovah koa ny tompoko mba hanome ny lovan’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy.+  Raha misy zanaky ny foko hafa amin’ny zanak’Israely anefa maka an’ireo vehivavy ireo ho vady, dia hesorina amin’ny lovan’ny razanay ny lovan’izy ireo, ka hitambatra amin’ny lovan’ny fokon’izay olona ho vadiny. Koa hesorina amin’ny lova nomena anay tamin’ny antsapaka izany.+  Ary raha tonga ny Jobily+ ho an’ny zanak’Israely, dia hitambatra amin’ny lovan’ny fokon’izay olona ho vadiny ny lovan’izy ireo, ka hesorina amin’ny lovan’ny fokon’ny razanay.”  Dia nandidy ny zanak’Israely i Mosesy, araka ny baikon’i Jehovah, ka nanao hoe: “Marina ny tenin’ny fokon’ny taranak’i Josefa.  Koa izao no teny nandidian’i Jehovah ho an’ny zanakavavin’i Zelofada:+ ‘Afaka manambady izay tiany izy ireo, nefa ao amin’ny fianakavian’ny fokon’ireo razany ihany.+  Tsy misy lova tokony hafindrafindra foko eo amin’ny zanak’Israely. Samy tokony hihazona ny lovan’ny fokon’ny razany mantsy ny zanak’Israely.  Izay anisan’ny fianakavian’ny fokon’ny rainy ihany no tokony ho vadin’ny zanakavavy+ rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny zanak’Israely. Amin’izay dia samy hanana ny lovan’ny razany ny zanak’Israely.  Koa tsy misy lova tokony hafindrafindra foko eo amin’ny zanak’Israely. Samy tokony hihazona ny lovany avy mantsy ny fokon’ny zanak’Israely.’” 10  Dia araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ireo zanakavavin’i Zelofada.+ 11  Koa lasa vadin’ny zanaky ny rahalahin-drainy i Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin’i Zelofada.+ 12  Lasa vadin’ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’ny taranak’i Manase, zanak’i Josefa, izy ireo, mba hijanonan’ny lovany ao amin’ny fokon’ny fianakavian-drainy ihany. 13  Ireo no didy+ sy didim-pitsarana nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy ho an’ny zanak’Israely, teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba, any akaikin’ny Reniranon’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko.+

Fanamarihana