Nomery 4:1-49

4  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Isao ny taranak’i Kehata,+ izay anisan’ny taranak’i Levy, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo,  dia ny telopolo taona+ ka hatramin’ny dimampolo taona,+ izany hoe izay rehetra ho anisan’ny antoko-mpanompo,+ mba hanao ny asa ao amin’ny tranolay fihaonana.  “Izao no fanompoan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana,+ ary zavatra masina indrindra izany:  Hiditra i Arona sy ireo zanany lahy rehefa hiainga ny toby, ka hampidina ny ridao fanakonana,+ ary iny no hanaronany ny Vata+ misy ny tenin’ny vavolombelona.  Horakofany hoditra faoky*+ eo amboniny, ary hamelarany lamba manga eo ambonin’io. Dia hatsofony ireo bao filanjana+ ny Vata.  “Ary hamelatra lamba manga eo ambonin’ny latabatry+ ny mofo aseho izy ireo, ka hataony eo ambonin’io ny vilia+ sy ny kaopy sy ny vilia baolina+ ary ny zingan’ny fanatitra zava-pisotro. Tokony ho eo ambonin’ilay latabatra foana ny mofo, izay fanatitra atolotra mandrakariva.+  Ary hamelatra lamba mena midorehitra+ eo ambonin’ireo izy. Dia horakofany hoditra faoky+ ilay latabatra, ary hatsofony ireo bao filanjana+ azy.  Ary haka lamba manga izy ireo hanaronany ny fitoeran-jiro,+ mbamin’ny jirony,+ sy ny fihazonana lahin-jiro,+ sy ny fitondrana afo,+ ary ny fitoera-menaka rehetra ampiasain’izy ireo hikarakarana tsy tapaka ny jiro.+ 10  Hataony ao anaty rakotra vita amin’ny hoditra faoky+ ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ka hataony eo ambonin’ny bao filanjana. 11  Ary hamelatra lamba manga eo ambonin’ny alitara volamena+ izy ireo. Dia horakofany hoditra faoky+ ilay izy, ary hatsofony ny bao filanjana+ azy. 12  Halain’izy ireo ny fitaovam-panompoana rehetra,+ izay ampiasainy hanompoana tsy tapaka ao amin’ny toerana masina, ka hataony ao anaty lamba manga. Dia hosaronany hoditra faoky+ ireo, ka hataony eo ambonin’ny bao filanjana. 13  “Ary hanala ny lavenona feno menaka eo amin’ny alitara+ izy ireo, dia hamelatra lamba volonondry nolokoana volomparasy somary mena, eo amboniny. 14  Hataony eo ambonin’ny alitara ny fitaovana rehetra ampiasainy hanompoana tsy tapaka eo, dia ny fitondrana afo sy ny fitrebika sy ny lapelina ary ny vilia baolina, eny, ny fitaovana rehetran’ny alitara.+ Dia hamelatra hoditra faoky handrakofana ny alitara izy ireo, ary hanatsofoka ny bao filanjana+ azy. 15  “Ary rehefa hiainga ny toby, dia tokony ho efa vitan’i Arona sy ny zanany lahy ny fandrakofana ny toerana masina+ mbamin’ny fitaovany rehetra.+ Aorian’izay vao hiditra ny taranak’i Kehata mba hilanja an’ireo,+ nefa tsy hikasika+ ny toerana masina izy ireo sao ho faty. Ireo zavatra ireo no anjara entan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana.+ 16  “Ary ny andraikitr’i+ Eleazara zanak’i Arona mpisorona dia ny menaky+ ny jiro sy ny emboka manitra+ sy ny fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka+ ary ny menaka masina fanosorana,+ eny, andraikiny ny tranolay manontolo sy ny ao anatiny rehetra, izany hoe ny toerana masina sy ny fitaovany.” 17  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: 18  “Tandremo sao ho ripaka tsy hisy eo amin’ny Levita ny fokon’ireo fianakavian’ny Kehatita.+ 19  Fa izao no ataovy mba ho velona foana izy ka tsy ho faty raha manatona an’ireo zavatra masina indrindra:+ Hiditra i Arona sy ny zanany lahy, ka hanendry azy tsirairay ho amin’ny fanompoany sy ny anjara entany avy. 20  Tsy tokony hiditra hijery ireo zava-masina anefa izy ireo na dia indray mipy maso aza, sao ho faty.”+ 21  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 22  “Isao ny taranak’i Gersona,+ araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny fianakaviany avy. 23  Ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona no hosoratanao anarana,+ dia izay rehetra ho anisan’ny antoko-mpanompo, mba hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana. 24  Izao no fanompoan’ireo fianakavian’ny Gersonita, dia ny anjara fanompoany sy ny entana hoentiny:+ 25  Izy ireo no hitondra ny lamban’ny+ tranolay, sy ny tranolay fihaonana,+ sy ny rakotra,+ sy ilay rakotra vita amin’ny hoditra faoky+ izay eo amboniny, sy ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana amin’ny tranolay fihaonana, 26  sy ny fefy lamban’ny+ tokotany, sy ny lamba fanakonana an’ilay fidirana+ amin’ny vavahadin’ilay tokotany manodidina ny tranolay sy ny alitara, mbamin’ny tady fanenjanan-day sy ny fitaovam-panompoana rehetra, ary ny zavatra rehetra ampiasaina hanaovana tsy tapaka ny asa. Izany no fanompoan’izy ireo. 27  Araka ny baikon’i Arona sy ny zanany+ no hanaovan’ny taranak’i Gersona+ ny fanompoany rehetra, dia izay rehetra anjara entany sy anjara fanompoany. Ary asaivo entin’izy ireo ny entana rehetra tsy maintsy hoentiny. 28  Izany no fanompoan’ireo fianakavian’ny taranaky ny Gersonita+ ao amin’ny tranolay fihaonana, ary eo ambany fitantanan’i Itamara+ zanak’i Arona mpisorona ny fanompoana tsy maintsy ataon’izy ireo. 29  “Ary ny taranak’i Merary+ kosa dia hosoratanao anarana araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo. 30  Ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona no hosoratanao anarana, dia izay rehetra ho anisan’ny antoko-mpanompo, mba hanao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana.+ 31  Ary izao no andraikiny, izany hoe ny anjara entany,+ araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny tranolay fihaonana: Ny rafitry+ ny tranolay sy ny barany+ sy ny andry+ ary ny faladia itsatohany,+ 32  sy ireo andry+ manodidina ny tokotany sy ny faladia itsatohany+ sy ny fantsika be fanenjanan-day+ sy ny tady fanenjanan-day ary ny fitaovany rehetra mbamin’ny fanompoana rehetra mifandray amin’izany. Araka ny anaran’izy ireo avy no hanendrenareo azy hitondra ny fitaovana tsy maintsy hoentiny.+ 33  Izany no fanompoan’ireo fianakavian’ny taranak’i Merary,+ araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny tranolay fihaonana, eo ambany fitantanan’i Itamara zanak’i Arona mpisorona.”+ 34  Dia nosoratan’i Mosesy sy Arona mbamin’ny mpiadidy+ vahoaka ny anaran’ireo taranaky ny Kehatita,+ araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, 35  dia ny telopolo+ ka hatramin’ny dimampolo taona,+ izany hoe izay rehetra anisan’ny antoko-mpanompo, mba hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana.+ 36  Ary dimampolo sy fitonjato sy roa arivo no voasoratra anarana tamin’izy ireo, araka ny fianakaviany avy.+ 37  Ireo no voasoratra anarana+ tamin’ny fianakavian’ny Kehatita, dia izay rehetra nanompo tao amin’ny tranolay fihaonana. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon’i Jehovah nampitaina tamin’i Mosesy. 38  Ny voasoratra anarana tamin’ny taranak’i Gersona,+ araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, 39  dia ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe izay rehetra anisan’ny antoko-mpanompo, mba hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana,+ 40  eny, ireo voasoratra anarana tamin’izy ireo, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, dia telopolo sy eninjato sy roa arivo.+ 41  Ireo no voasoratra anarana tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Gersona, dia izay rehetra nanompo tao amin’ny tranolay fihaonana. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon’i Jehovah.+ 42  Ny voasoratra anarana tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, 43  dia ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe izay rehetra anisan’ny antoko-mpanompo, mba hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana,+ 44  eny, ireo voasoratra anarana tamin’izy ireo, araka ny fianakaviany avy, dia roanjato sy telo arivo.+ 45  Ireo no voasoratra anarana tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merary. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon’i Jehovah nampitaina tamin’i Mosesy.+ 46  Nanoratra ny anaran’ny Levita i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy teo amin’ny Israely, ka ny voasoratra anarana rehetra, araka ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, 47  dia ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona,+ izany hoe izay rehetra hanao ny fanompoana mafy sy ny fitondrana entana ao amin’ny tranolay fihaonana,+ 48  eny, izay voasoratra anarana dia valopolo sy dimanjato sy valo arivo.+ 49  Araka ny baikon’i Jehovah no nanoratana ny anaran’izy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy, ka samy nanana ny fanompoany sy ny anjara entany avy ny tsirairay. Nosoratana anarana izy ireo, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+

Fanamarihana

Biby an-dranomasina.